Dans la mme rubrique

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

15/01/2019

Tsy maniry ratsy ho an’ny fitondram-panjakana vaovao hotarihin’i Andry Rajoelina sy ny firenena fa sarotsarotra ny zavatra miandry ny mpitondra.

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

15/01/2019

Fomba fanao amin’ny fitadiavan-tseza sy fahefana ary toerana ao anaty fanjakana ny resa-poko sy fiaviana.

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

15/01/2019

Goavana ny asa miandry ny filoham-pirenena vaovao. Fanamby sy velirano ao anatin’ny fandaharan’asa ny filoham-pirenena vaovao ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka ao anatin’ny dimy taona.

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

15/01/2019

Mitohivakana ny fanehoan-kevitra mikasika ny fahazoan’ny malagasy filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina. Naneho ny heviny manoloana izany ny filohan’ny Antokom-Bahoaka malagasy (ABA), Dany Rakotoson.

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

15/01/2019

Niomana fatratra ny hitondra firenena i Marc Ravalomanana, ary nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana, kanefa ireny no voka-pifidianana izay niteraka adihevitra saingy naneho fahendrena izy.

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

15/01/2019

Tsy matin’ny malagasy maro lolo hatramin’izao ny anton’ilay fianianana tsy misy vavaka sy baiboly etsy Mahamasina amin’ny sabotsy.

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Firaisankinan`ireo kandidà Manome 72 ora an`ireo tompon’andraikitra mahefa

27/10/2018

Nifampotoana tetsy anoloan`ny kianjaben`i Mahamasina ireo kandidà maherin`ny roapolo izay namoaka fehin-kevitra iombonana nandritra ny fihaonambem-pirenena izay natao omaly teny amin'ny CCI Ivato ny alakamisy lasa teo.

 

 

Fotoana fohy niresahan`izy ireo tamin`ireo olona tonga teny an-toerana mikasika ny vontoatin`ny fitakiana izay atao amin`ny tokony hanokafana ny lisi-pifidianana. Nihazo teny amin`ny lapam-panjakana hiasan`ny filoha mpisolo toerana, Rivo Rakotovao, hanatitra izany fehin-kevitra tapaka izany. Anisan`ireo solontenan`ireo kandidà nanatitra izany i Jean Max Rakotomamonjy, Fanirisoa Ernaivo, Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara, ary ny Pastera Mailhol. Nilaza ny kandidà Jean Max Rakotomamonjy fa tsy maintsy manatitra fehin-kevitra izany amin`ireo tompon’andraikitra mahefa izy ireo toy ny CENI, ny HCC, ny CFM, Antenimierandoholona, Antenimieram-pirenena… Hialana amin`ny “fait de non-recevoir » na tsy misy valiny no anton-pisian`ny fe-potoana ka manome 72 ora an`ireo tompon’andraikitra izy ireo raha azo henoina ny fangatahana. Nohamafisiny ihany koa fa ny vahoaka tonga teny an-toerana dia mankato sy mahatsapa fa voahitsakitsaka ny zony. Mahatsapa ireo tsy fanarahan-dalàna izay misy ary manana fahavononana hanarina ny zavatra tsy mety eto amin`ny tany sy firenena. Ilaina ny fampajankana ny fahamarinana sy ny tany tan-dalàna, hoy hatrany i Jean Max Rakotomamonjy. Tsiahivina fa anisan`ireo teboka enina (6) voafaritra ao ity hetsika ity. Andrasana ny mety ho tohin`ny hetsika.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana