Dans la męme rubrique

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

16/01/2019

Hanao izay ho afany ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay nampitaraina ny maro.

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Hamaky ny tohiny...

Resaka fanonganam-panjakana

16/01/2019

Miezaka mivoy indray ankehitriny ireo haino aman-jery frantsay fa fanonganam-panjakana no nitranga teto Madagasikara ny taona 2009. Tafakatra eo amin’ny fitondrana indray, hoy ny gazety Le Monde, ny mpanongam-panjakana mpanefoefo.

Resaka fanonganam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

14/01/2019

Novonoina ny tompon’ny fiara dia nalevina tao anaty ala. Izany no nitranga tany amin’ny tanàna kely iray manodidina an’Andranovelona.

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

Hamaky ny tohiny...

Miandry fifidianana

12/01/2019

Miandry ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna izany vao mety hahazo praiminisitra vaovao isika,

Miandry fifidianana

Hamaky ny tohiny...

FAKANA AN-KERINY

11/01/2019

Mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny rano sy ala no nisy naka an-keriny tany Isoanala, distrika Betroka. Vola mitentina 12 tapitrisa ariary no notakian’ireo olon-dratsy mba ho solon’ny ainy.

FAKANA AN-KERINY

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

TONGA ANY TOAMASINA IREO RAZANA

26/10/2018

Tonga omaly tao Toamasina ny razan’ireo insepktera telo izay matin’ny fitsaram-bahoaka tany Fenoarivo Atsinanana.

 

 

 


 Nandrasana tao amin’ny biraon’ny tale provinsialin’ny polisy tao an-toerana ny nofo mangatsiakan’izy ireo ary avy eo dia nalefa any Mahanoro ny inspektera Abdi, Antananarivo ny inspektera Haja ary nijanona ao Toamasina ihany ny inspektera Briand. Tsy maintsy hatao ny fanadihadiana lalina mikasika ity raharaha ity, hoy ny talem-paritry ny polisim-pirenena ao Toamasina. 


SAVOROVORO TANY VAVATENINA

 

Nosaritahan’ny olona koa ny kaomisarian’ny polisy ao Vavatenina. Izany dia mba hijeren’izy ireo ny jiolahy iray izay azo sambo-belona ka hamonoana azy avy hatrany. Rehefa tsy tao amin’ny polisy ilay olon-dratsy dia nirodorodo tany amin’ny zandary indray ny fokonolona marobe. Teo dia voatery nanao tifi-danitra ny zandary nanaparitahana ny olona. Naharitra adim-pamataran’andro roa izany vao nilamina ary niditra an-tsehatra hatramin’ny Ben’ny tanàna. 

MPANAO TRAFIKANA SOKATRA

 

Notsaraina omaly ireo mpanondrana sokatra voasambotra tao Toliara tamin’ny volana aprily lasa teo. Enin-taona sazy an-tranomaizina ny didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toliara omaly, miaraka amin’ny fandoavana onitra izay mitentina 100 tapitrisa ariary. Raha tsiahivina dia sokatra miisa 10.000 mahery no sarona tao an-tranon’ireo olona ireo. Io izany no sazy mafy indrindra hatreto, momba ny fanondranana sokatra. 

FAMONOANA THAILANDAIS

 

Amin’ny alatsinainy ho avy izao no hiakatra fampanoavana ilay raharaha nitorian’ny mpanjifa restaurant Thailandais iray etsy Ankorahotra. Izany dia noho ny fanomezan’ilay toeram-pisakafoanana ranom-boankazo izay efa lany daty ireo olona. Avy hatrany dia novakian’ny tompon’ilay hotely ny tavoahangy raha saika haka sary ireo narary mba hatao porofo. Fanambaniana tanteraka ny mpanjifa ary indrindra koa ny gasy no zava-niseho. Baranahiny tanteraka ny sehatra toy itony satria tsy mba misy ny fanaraha-maso matotra avy amin’ny fanjakana. 


 

 

 

 

BIANCO

 

Naka olon-tsotra amin izay ny bianco hanao famotorana fa tsy niantehatra amin'ny polisy sy ny zandary irery intsony. Andramana avokoa ny fomba rehetra ahafahana miady amin'ny kolikoly, hoy ny tale jeneralin’ny bianco. Miisa 31 ireo sivily nofanina ho mpanao famotorana tany Moramanga. Hafahafa ihany ilay fanandramana satria eran-tany dia olona nahavita fianianana ary koa manana fahaizana manokana momba ny “police judiciaire” izay vao afaka manao fanadihadiana.

VOAENDAKA

 

Teo am-pijerena valim-panadinana bakalorea no mbola nisy nanendaka ihany ireo mpianatra tao amin’ny lisea Rabemananjara ao Toamasina. Vaky hatramin’ny lohan’ireo ary tsy vitan’izay fa mbola lasa koa ny moto sy ny kitapo. Ambony loatra ny tahan’ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina, hany ka na toerana be olona aza dia mbola sahy hatrany ny olon-dratsy ny manatontosa ny asany.

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana