Dans la mme rubrique

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

16/01/2019

Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

16/01/2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

Hamaky ny tohiny...

Andrefambohitra Ampitatafika Razana maromaro natsingevan’ny rano

16/01/2019

Razana maromaro no hitan’ny fokonolona tao Andrefambohitra, Ampitatafika Atsimondrano ny alatsinainy 13 janoary hariva teo.

Andrefambohitra Ampitatafika Razana maromaro natsingevan’ny rano

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny ny mponina Gaboraraka ny fitantanana, hoy ireo mpiasa

16/01/2019

Nanao antsoavo tamin’ny filoham-pirenena vaovao sahady omaly ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny mponina na SYNAE-Population mba hijery akaiky ny zava-misy ao amin’ny minisiteran’izy ireo.

Minisiteran’ny ny mponina Gaboraraka ny fitantanana, hoy ireo mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”

15/01/2019

Tonga niarahaba ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana omaly ireo mpiara-miasa akaiky aminy noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2019.

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”

Hamaky ny tohiny...

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama

14/01/2019

Hopitaly kely – Gare routière – Tanambao V – Ankirihiry avaratra sy atsimo – Andranomadio – Cité Valpinson – Cité Haras – Ambohijafy – Asecna – Antseranampasika – Tahity Kely – Rasseta – Ampilaolava – Analamalotra – Ivoloina – Ctht – Lycée Agricole –

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama

Hamaky ny tohiny...

Halatra jiro eny amin’ny digin’i Fenoarivo 9 lahy migadra eny Tsiafahy

14/01/2019

Miisa 15 hatreto ny isan’ireo olona efa tratra nangalatra ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro eny an-dalambe eny amin’iny digy mihazo an’i Fenoarivo Atsimondrano iny.

Halatra jiro eny amin’ny digin’i Fenoarivo 9 lahy migadra eny Tsiafahy

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Atao fitaovana politika ny resa-pako Nanazava ny tena marina ny kaominina

26/10/2018

Eo anatrehan’ny fisian’ny olona manaratsy ny ben’ny tanànan’Antananarivo amin’ny resaka, izay atao fitaovana politika hanaratsiana an’i Marc Ravalomanana kandida filoha, dia nanamafy ny eo anivon’ny CUA tamin’ny alalan’ny Lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna,

 

 kolonely Emilien Ramboasalama omaly, fa ny fanalana ny fako eto an-drenivohitra dia anjaran’ny Minisiteran’ny izay miahy ny SAMVA. Ny kaominina no kosa no manadio tanàna ary mahavita ny adidiny. Ny SAMVA no tokony hanala ny fako amin’ireny dabam-pako lehibe iraisana ireny, saingy tsy arany, ka dia manampy azy ireo amin’ny fanomezana kamiao hitatitra ny fako ny kaominina na tsy anjarany aza izany. Andraikitry ny rehetra ny fahadiovan’ny tanàna, ka tokony hitandro izany ny rehetra eny an-dalambe, satria rehefa tsy mandoto dia efa manadio, ary tokony harahina koa ny ora  fanariana fako eny amin’ny dabam-pako lehibe iraisana ireny dia amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina, hoy izy. Ankoatra io, dia hatramin’izao tsy mbola nisy ihany koa ny vola nirotsaka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ho fikojana ny lalana avy amin’ny fitondrana foibe, na FER (Fond d’Entretien Routier), na zon’ny CUA aza ny tokony hahazoana izany ho fanamboarana ireo lalana eto Antananarivo renivohitra, hoy hatrany izy. Na tsy nahazo io FER io aza ny CUA, hoy izy, dia misy ny fiaraha-miasany amin’ny Colas amin’ny fanomezan’ity orinasa mpanao lalana ity fitaovana sy akora isan-karazany fanaovan-dalana, ka ny sampan-draharahan’ny asa vaventy ao amin’ny CUA ihany avy eo no manamboatra sy mikojakoja ny lalana eto Antananarivo. Momba ny FER, misy ny fanamboaran-dalana ataon’ny fitondrana foibe fa izay mahamety azy ireo ihany no ataony amin’izany. Manimba ny lalana ihany koa ny  fanasana fiarakodia eny amin’ny arabe, ho fisorohana izany, hisy ny fepetra horaisina. Hampahafantarina mialoha anefa ireny mpanasa fiarakodia an-dalambe ireny mialoha ny hampiharana ny sazy amin’izay.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana