Dans la mme rubrique

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

16/01/2019

Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

16/01/2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

Hamaky ny tohiny...

Andrefambohitra Ampitatafika Razana maromaro natsingevan’ny rano

16/01/2019

Razana maromaro no hitan’ny fokonolona tao Andrefambohitra, Ampitatafika Atsimondrano ny alatsinainy 13 janoary hariva teo.

Andrefambohitra Ampitatafika Razana maromaro natsingevan’ny rano

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny ny mponina Gaboraraka ny fitantanana, hoy ireo mpiasa

16/01/2019

Nanao antsoavo tamin’ny filoham-pirenena vaovao sahady omaly ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny mponina na SYNAE-Population mba hijery akaiky ny zava-misy ao amin’ny minisiteran’izy ireo.

Minisiteran’ny ny mponina Gaboraraka ny fitantanana, hoy ireo mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”

15/01/2019

Tonga niarahaba ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana omaly ireo mpiara-miasa akaiky aminy noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2019.

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”

Hamaky ny tohiny...

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama

14/01/2019

Hopitaly kely – Gare routière – Tanambao V – Ankirihiry avaratra sy atsimo – Andranomadio – Cité Valpinson – Cité Haras – Ambohijafy – Asecna – Antseranampasika – Tahity Kely – Rasseta – Ampilaolava – Analamalotra – Ivoloina – Ctht – Lycée Agricole –

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama

Hamaky ny tohiny...

Halatra jiro eny amin’ny digin’i Fenoarivo 9 lahy migadra eny Tsiafahy

14/01/2019

Miisa 15 hatreto ny isan’ireo olona efa tratra nangalatra ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro eny an-dalambe eny amin’iny digy mihazo an’i Fenoarivo Atsimondrano iny.

Halatra jiro eny amin’ny digin’i Fenoarivo 9 lahy migadra eny Tsiafahy

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fikatonan’ ny fitobian’entan’ny orinasa IMEX Manodidina ny 200 ireo mpandraharaha matiantoka

26/10/2018

“Avoahy izao dia izao ny entanay”, hoy ny antsoantson’ireo mpandraharaha mpanjifa tamin’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny orinasa IMEX eo ambany fanaraha-mason’ny fadin-tseranana tetsy amin’ny Salle d’oeuvre EKAR Antanimena omaly alakamisy 25 oktobra.

 

 Nohidiana ny fitobian’entan’ity orinasa tantanan’olon-tsotra eny Tanjombato ity nanomboka ny 12 septambra lasa teo. Nilaza anefa ny  teo anivon’ny orinasa  fa ny entana rehetra lasa eny dia efa vita fitsirihana avokoa. Nanara-dalàna ny kaontenera miisa 12 izay nogiazan’ny fadin-tseranana ary manana ny valin’ny fitsirihana avy amin’ny inspektoran’ny fadin-tseranana teny amin’ny sampandraharaha teny Ankorondrano mialoha ny nahatongavany tao Tanjombato. Hatramin’izao anefa, dia nohidiana izy io ary nolazaina fa nisy ny fanambarana diso natao izay nolazain’izy ireo fa tsy mitombina. Noho ny fahataran’ny fivoahan’entana dia betsaka ny fampitahorana azon’ny orinasa IMEX amin’ireo mpandraharaha mpanjifa ka nahatonga ity fihaonana ity nanazavana ny tena zava-misy marina. Nanambara izy ireo fa noho ny fahatarana be loatra amin’ny famoahana ny entan’izy ireo dia efa marobe ny fatiantoka. Manginy fotsiny ny fanerena ataon’ny banky, izay tsy miraharaha izany olana izany, ny amin’ny famerenam-bola tokony hataon’izy ireo. Tsy mahafantatra izay tena olana mazava ifandroritan’ny orisana IMEX sy ny fadin-tseranana izahay, hoy hatrany ireto mpanjifa fa mila avoaka  haingana ny entanay satria io no asa fivelomanay. Tsy mpambongady na mpanondrana fa saika mpandraharaha madinika avokoa ireto mpanjifa ireto ary avy any Sina ny ankamaroan’ny entana. Maro ny manahy mafy ny amin’ny fahapotehan’ny entana satria betsaka ny mora simba ao anaty kaontenera ao.  Nanao antso avo tamin’ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana izy ireo mba hijery ny tombontsoan’ny mpanjifa. Efa nisy ihany ny fifanatonana, hoy ny teo anivon’ny orinasa IMEX saingy tsy mbola mivaha ny olana ary ny mpanjifa no mizaka ny tsy eran’ny aina. Vao mainka mihapotika hatrany ny toekarena satria mitohana sy miato hatramin’ny fandraharahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka any Azia.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana