Dans la mme rubrique

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

16/01/2019

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

16/01/2019

Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

16/01/2019

Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

Hamaky ny tohiny...

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

16/01/2019

Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

Hamaky ny tohiny...

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

16/01/2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

Hamaky ny tohiny...

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

16/01/2019

Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Praiminisitra Ntsay Christian “Tsy maintsy atao ny fifidianana”

26/10/2018

“Malalaka ny sehatra fanehoan-kevitra eto Madagasikara, ary ataoko fa ao anatin’izany toe-javatra izany, na olom-bitsy izany, na vondron’olona izay mivory dia malalaka ny sehatra amin’ny fanehoan-kevitra, saingy tsy maintsy hajaina ny lalàmpanorenana”

 

 

 

hoy ny praiminisitra Ntsay Christian raha nanontaniana ny heviny mikasika ny fisian’ny « conférence souveraine » teny amin’ny CCI Ivato omaly. Tsy maintsy hirosoana ny fifidianana satria amin`io no ahafahana maneho ny safidin`ny vahoaka amin`ny fomba demokratika ary io ihany koa no vaoafaritra ao anatin`ny lalàna misy eto amin`ny firenena. Manoloana ny fitakiana an`ireo lesoka amin`ny fikarakarana fifidianana dia nambarany fa tamin`ny antontan-taratasy izay naterin`ireo rehetra hirotsaka ho filoham-pirenena dia nisy ny taratasy fanekena feno  ny rijan-teny sy ny didy aman-dalàna izay mifehy. Tsy maintsy miroso isika amin’ny zotram-pifidianana hahafahantsika manatanteraka ny fifidianana amin’ny 7 novambra, hoy hatrany ny praiminisitra lehiben`ny governemanta. Notsiahiviny ny rijan-teny mahakasika ny loi organique 008/2018 izay mametra mazava tsara ao amin’ny andininy faha-121, ny adidy sy andraikitr’ireo nilatsaka hofidiana; ary tao anatin’ny antontan-taratasy izay napetrany dia nisy fanekena ny firosoana ao anatin’ny fanajana ny rijan-teny sy ny didy aman-dalàna misy eto amin’ny tany sy ny Firenena, hoy hatrany ny fanazavana.  Mino sy manantena aho, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian fa izay olona rehetra na vondron’olona mivory dia hanaja izany sata fototra izay nankatoavin’i Madagasikara izay.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana