Dans la mme rubrique

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

16/01/2019

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

16/01/2019

Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

16/01/2019

Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

Hamaky ny tohiny...

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

16/01/2019

Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

Hamaky ny tohiny...

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

16/01/2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

Hamaky ny tohiny...

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

16/01/2019

Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanesorana an-daharana kandidà Tena ho sahy ve ny HCC ?

24/10/2018

Ny lalàna dia mamaritra fa mandritra ny fe-potoan’ny fifidianana, ka tafiditra amin`izany ny fampielezan-kevitra, dia tsy azon` ny olon-tsotra na kandidà atao ny mitsipaka na manaratsy ireo sampan’asa misahana ny raharaham-pifidianana sy ny zotram-pifidianana.

 

 

 

Tato ho ato dia sesilany ny fanakianana nataon`ireo kandidà 26 momba ny raharaham-pifidianana, indrindra ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Ho sahy handray ny fepetra mahakasika izany ve ny HCC ? Ny olana mipetraka, raha handray fepetra ny HCC mahakasika ireo kandidà 26 ka hanilika azy ireo dia azo antoka fa ho avy indray ny fifandirana politika  izay mety hiteraka krizy eto amin`ny firenena. Faharoa, tsy mazava tsara ny lalàna  satria matetika ny fitoriana mahakasika ny fifidianana dia azo raisina manomboka amin’ny fahataperan`ny fifidianana. Eo no manomboka ny atao hoe ”contentieux electoraux” ka ady heloka tsotra no hanenjehana ilay olona amin`ny tsikera ka fanenjehana any amin`ny fampanoavana izany no atao. Ny fitsoahana an-daharana kosa, any amin`ny fotoana ahafahana mitory ka izay no mahatonga ny tsy hanehoana fitoriana mahakasika ny fifidianana ankoatra ny fitoriana ny lisi-pifidianana, izay tsy tafidirtra ao anatin`ny raharaham-pifidianana satria manomboka ny fametrahana firotsahan-kofidiana sy ny fampielezan-kevitra ary ny fifidianana. Araka izany, misokatra ny fitoriana aorian`ny andro voalohan’ny fifidianana  satria mbola hamarinina ilay olona raha nifidy tokoa. Eo no manomboka ny fahefan`ny HCC fa ny fikirakirana ny lisi-pifidianana dia andraikiny. Amin`ny volana mey vao afaka mitaky izany any ireo olona nitory satria tsy tafiditra ao anatin`ny raharaham-pifidianana. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana satria hentitra ny fanambarana nataon`ny filohan`ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa nandritra ny fampahafantarana ny fepetra takiana amin`izay kandida ho filohan`ny Repoblika ny volana jolay lasa teo.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana