Dans la mme rubrique

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

16/01/2019

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

16/01/2019

Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

16/01/2019

Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

Hamaky ny tohiny...

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

16/01/2019

Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

Hamaky ny tohiny...

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

16/01/2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

Hamaky ny tohiny...

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

16/01/2019

Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Atahorana mafy Ravalomanana Horesena amin’ny hala-bato ?

24/10/2018

Mivoaka ny resaka ankehitriny fa hokotrehina hararaka amin’ny alalan’ny hala-bato sy ny kajikajy maloto samihafa ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25 satria atahorana mafy.

 

Saika izay toerana alehany rakotra vahoaka avokoa, ary tena faharesen-dahatra fa tsy tambazan-javatra na vola toy ny fanaon’ny sasany, ary ny olona aza no miala vola sy manana finiavana hanampy amin’ny endriny maro samihafa, toy ny fanamboarana ireny t-shirt ireny. Raha ao anaty rafi-panjakana, dia tsy mba anisan’ny voasokajy ho manana olona afaka hanao tsindry bokotra amin’ireo andrim-panjakana misahana sy mikarakara ankolaka na mivantana amin’ny fifidianana fa tena mandeha amin’ny lalao madio. Misy ny zavatra mampiahiahy raha tarafina amin’ny resaka lisitra, ny fampiasana volabe ataon’ny kandida iray,… Tsy tongatonga ho azy io resaka fampiasana volabe io, ary misy resaka mivoaka hatramin’ny hoe : hovidiana vola ny tompon’andraikitra ao anaty birao fandatsaham-bato. Na ilay resaka fanabontsinana isan’ny mpifidy ka hisian’ny lisitra matoatoa 2 064 331 araka ny loharanom-baovao iray aza dia tena tsy mazava ka hosoratana amin’ny alalan’ny kandida iza izany ? Miteraka adihevitra ny mikasika ny birao fandatsaham-bato, izay avoakan’ny fanadihadiana akaiky ny kandida sasany ihany koa fa tena misy ny birao fandatsaham-bato matoatoa. Toa misy kandida omena tombondahiny manokana eto, ka na manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana tsy misy olana, mampiasa volabe tsy misy resaka, mizara zavatra toy ilay tetsy Mahamasina tamin’ny 1 aogositra tsy maninona, minisitra avy amin’ny antokony mizara zavatra amin’ny anaran’ny antokony izay miendrika propagandy, ary mampiasa fiaram-panjakana jerem-potsiny,…  Nandeha ny karazana fitoriana samihafa tena amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC, izay telo sosona raha kely indrindra momba ny kandida iray, fa tsy misy azo raisina avokoa ny fitoriana. Nandeha ny fitoriana nataon’ny kandida maro momba ny lesoka samihafa fa tsy mahafeno fepetra, hoy ny HCC. Tsy efa taratra ny ho avy ve izany hoe na hita aza ny lesoka, dia tsy hisy fitoriana tena horaisina ao satria ambara fa tsy mahafeno ny fepetra ny mpitory ? Anjaran’ny vahoaka no mailo sy miaro ny safidiny ao anatin’ny mety ho fikotrehana fanodinkodinana safidim-bahoaka, ary tsy ny kandida Marc Ravalomanana irery izay tena atahorana mafy no ho lasibatra amin’ny mety ho teti-dratsy fa ny vahoaka Malagasy manontolo, ka ny rehetra no mila mandray ny andraikitra tandrify azy avy.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana