Dans la mme rubrique

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

16/01/2019

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.

Vinan-dRajoelina Ireo manan-katao no tena hahazo tombony ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

16/01/2019

Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

Fitantanana asam-panjakana Ho sarotsarotra ny fitsinjarana ny teti-bola iasana

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

16/01/2019

Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Hary Razafindrazaka « Enga anie ka hahay hamondrona ny Malagasy ny Filoha vaovao »

Hamaky ny tohiny...

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

16/01/2019

Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.

Mety ho fidiran’ny TIM anaty governemanta Adihevitra tsy hifankahitana

Hamaky ny tohiny...

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

16/01/2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany

Hamaky ny tohiny...

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

16/01/2019

Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Emmanuel Macron Hihaona amin-dRajoelina any Paris

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandida 26 hivory eny Ivato Mikasa hanangana tetezamita…

24/10/2018

Hivory eny amin’ny CCI Ivato ireo kandida 26 mitaky ny fanemorana ny fifidianana anio alarobia 24 oktobra raha tsy misy ny fiovana.

Milaza ho tsy mahatoky intsony ny fikarakarana ny fifidianana izy ireo, ka mitaky ny fanokafana ny lisitra izay tsy maintsy mila 3 volana farafahakeliny raha hiditra amin’izany, izay mizotra mankany amin’ny fanemorana ny fifidianana mazava ho azy. Mitaky ny fananganana ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana, na ny CES noho ny tsy fahatokisana intsony ny HCC. Ahoana ny handrafetana an’io ? Hafiriana ? Mety hisy hilaza indray avy eo hoe : mitanila io dia mitovy ihany. Anisan’ny resaka mivoaka ihany koa ny fananganana governemanta, ary tokony hisokatra amin’ny kandida rehetra. Toa tonga any amin’ny resaka fananganana tetezamita ity resaka ity. Raha ny fanehoan-kevitry ny kandida Jean Ravelonarivo, tsikaritra ho manahy zavatra hafa izy. Hiditra amin’ny krizy vaovao indray raha izao zavatra izao no mitohy, hoy ity kandida ity.  Raha tsy hatao ny fifidianana dia mety hisy tetika hafa mihitsy. Aleo handeha ny fifidianana ka izay lany eo dia lany fa atao madio, raha ny heviny. Andrasana moa izay hambaran’ireto kandida ireto, izay heverina ho mikasa fiaraha-mitantana sy te hanangana tetezamita aloha raha dinihina ny toe-draharaha. Misy ny kiana mandeha fa tsy mahatoky tena sy tsy manana herijika ho lany ny ankamaroany, ka any anaty fiaraha-mitantana anaty tetezamita no hananany vintana bebe kokoa hahazoana fahefana. Tsy azo tsinontsinoavina anefa ny lesoka ambaran’izy ireo ka tsy hoboriboriana fotsiny amin’ny hoe: matahotra fifidianana sy tsy mahatoky valera.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana