Dans la męme rubrique

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

14/01/2019

Novonoina ny tompon’ny fiara dia nalevina tao anaty ala. Izany no nitranga tany amin’ny tanàna kely iray manodidina an’Andranovelona.

NOVONOINA AVY EO NALEVINA

Hamaky ny tohiny...

Miandry fifidianana

12/01/2019

Miandry ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna izany vao mety hahazo praiminisitra vaovao isika,

Miandry fifidianana

Hamaky ny tohiny...

FAKANA AN-KERINY

11/01/2019

Mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny rano sy ala no nisy naka an-keriny tany Isoanala, distrika Betroka. Vola mitentina 12 tapitrisa ariary no notakian’ireo olon-dratsy mba ho solon’ny ainy.

FAKANA AN-KERINY

Hamaky ny tohiny...

Nisoroka ady

11/01/2019

Mitohivakana ny fiarahabana ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, izay milaza ny fahendrena nasehony nanomboka ny 8 janoary teo ka hatramin’izao.

Nisoroka ady

Hamaky ny tohiny...

POLISY MENDRIKA

10/01/2019

Sambany mba nanao fihetsika mendri-piderana ireo polisy. Nahavariana ireo mponina teo Anosy ny nahita polisy efatra mirahalahy nanamboatra ny lalana goaka manoloana ny boriborintany. Asa raha baiko na fandavantena fa izy ireo mihitsy no nandray borety sy nanampina ny lavaka

POLISY MENDRIKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

TSY EKENA NY FANEMORANA NY FIFIDIANANA

23/10/2018

Tsy manaiky ny hanemorana ny fifidianana ny kandida Marc Ravalomanana fa tsy araka ny feo mandeha sy aelin’ireo mpanaratsy amin’izao fotoana.

 

 


 Efa voafaritra ao amin'ny lalàmpanorenana fa tapitra ny fe-potoana ho an'ny fitondrana teo aloha ka mila hajaina izany, hoy izy. Miara-manohana ny tsy fanemorana ny fifidianana koa i Roland Ratsiraka sy Jean Ravelonarivo

ZANAK’I MAMY BASTA

Nilaza i Mami Basta fa mbola mistery tanteraka aminy ny nahafatesan-janany. Ny antony dia satria mbola niresaka tsara izy mianaka ny alina, alohan’ny hatorian’io tovolahy 23 taona io. Ho an’ny polisy dia mampiahiahy hatrany rehefa misy ny olona izay hita faty mihatonna toy izao. Raha tsiahivina, ny marainan’ny alahady teo no hita nihantona tamin’ny fehikibony teo amin’ny fefy io tovolahy io. Mbola nisy aina kely izy ary navotana saingy tsy tana intsony. 
OLAN’NY BAREA

Vaky tanteraka ny ady eo amin’ny federasionan’ny baolina kitra sy ny mpilalao vitsivitsy ao amin’ny Barea. Ny voalohany dia manenjika ny kapiteny Faneva Ima sy Bolida ny amin’ny fizarana ny vola nomen’i Rivo Rakotovao izay tsy araky ny tokony ho izy. Torak’izany koa, ny amin’ny fiverenan’ny mpilalao any Lafrantsa izay tsy nanaraka ny fiaramanidina tokony ho izy, satria izay tian’izy ireo no nandehanana. Mitady izay fomba rehetra hanesorana ireo mpilalao ireo ao anatin’ny ekipa ny Federasiona ankehitriny.

FAKANA AN-KERINY

Efa misy trakta mandeha amin’izao fotoana ary izany dia miangavy ny dahalo izay naka an-keriny ilay fianakaviana izay nisy zaza tany Ambatofinandrahana. Mba havereno ilay zaza fa tsy hiantso sy tsy hitaraina amin’ny tompon’andraiktira intsony izahay fa aleo hitaraina mivantana aminareo dahalo. Izany no hita tao anatin’ny trakta ary tsy mbola nisy endrika fiangaviana toy izay hatramin’izay teto amin’ny tantaran’ny firenena. Mafy loatra ny asan-dahalo ankehitriny. 

MPITAINGINA MOTO MATY

Maty nifandona tamin’ny Sprinter ireo roa lahy nitaingina moto tamin’ny lalam-pirenena voalohany. Lehilahy iray sy ny rafozany ireo nitaingina moto ireo omaly maraina ary tao anaty fiolanana no nifanehatra tamin’ilay fiara fitaterana. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy ary nezahina navotana tao amin’ny hopitalin’i Miarinarivo kosa ilay rafozany saingy tsy tana intsony ny ainy. Notanana avy hatrany ny mpamily ilay taksibrosy. 

 

MPIANATR’ANKATSO

 Afaka mitombo iray alina isa ny mpianatra eny Ankatso manomboka amin’ny taom-pianarana ho avy. Ny anton’izany dia mitombo koa ny isan’ny sampam-pianarana izay efa naorina eny an-toerana amin’izao fotoana. Manao fanentanana ny mpianatra izay vao nahazo bakalorea  ny tompon’andraikitra mba hiditra eny ary torak’izany koa ireo izay efa mianatra amin’ny oniversite tsy miankina ka tsy marim-pototra ny baoritra omena. 

ZAZA VOATIFITRY NY BASY

Zaza roa no naratra voatifitry ny basy tao amin’ny tokantrano iray tao Morarano-Gara. Nandritry ny fanafihan’ny jiolahy ny trano fonenan’izy ireo no mba niezaka izy mirahalahy kely ny nanohitra ireo olon-dratsy kinanjo avy hatrany dia notifirin’ireo. Mbola naratra vokatry ny fipitihan’ny bala ihany koa ny renin’izy ireo. Isan’andro izany dia misy hatrany ny olona na maty na naratra vokatry ny fanafihan-jiolahy izay tsy tana intsony ankehitriny. 

MPIJERY VALINA BAKA NISY NANENDAKA

 Teo am-pijerena valim-panadinana bakalorea no mbola nisy nanendaka ihany ireo mpianatra tao amin’ny lisea Rabemananjara ao Toamasina. Vaky hatramin’ny lohan’ireo ary tsy vitan’izay fa mbola lasa koa ny moto sy ny kitapo. Ambony loatra ny tahan’ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina, hany ka na toerana be olona aza dia mbola sahy hatrany ny olon-dratsy ny manatontosa ny asany.  

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana