Dans la mme rubrique

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

25/04/2019

Misy kimaizimaizina kotrehina ao, raha ny fandikan’ny avy ety ivelany azy.

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

Hamaky ny tohiny...

Fanaraha-maso ny voka-pifidianana Tonga hatreny amin’ny HCC ny vahiny

24/11/2018

Hentitra amin`ny fanaraha-maso ny fikirakirana voka-pifidianana ny iraisam-pirenena. Nitsidika sy nijery ifotony ny vondrona eoropeanina teo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ireo mpanara-maso ny fifidianana.

Fanaraha-maso ny voka-pifidianana Tonga hatreny amin’ny HCC ny vahiny

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

08/11/2018

Raha ny vokatra vonjimaika manerana an’i Madagasikara halina no jerena dia mitarika ny kandida laharana faha 25 Marc Ravalomanana, vokatra izay tsara ho marihana fa vokatra mbola tsy feno ary tsy ofisialy fa fanambarana ireo voka-pifidianana avy amin’ny faritra 22.

Voka-pifidianana Voarara ny famoahana ny fironana ankapobeny

08/11/2018

Tsy tokony hisy kandida mamoaka voka-pifidianana sy hanao fanambarana ny fandreseny, hoy ny Filohan'ny HCC, Jean Eric Rakotoarisoa amin’izao fiandrasana ny valim-pifidianana izao; tena iangaviana mba tsy hanao izany izy ireo, hoy izy. Tsy azo atao ihany koa ny mamoaka ny fironana na ny “tendance” fa dia miandry ny vokatra avy amin’ny CENI ny rehetra.

Voka-pifidianana Voarara ny famoahana ny fironana ankapobeny

Hamaky ny tohiny...

Mpanara-mason’ny Vondrona Eoropeanina Manantena filaminana eo am-piandrasana ny voka-pifidianana

08/11/2018

Tsikaritra nandritra ny androm-pifidianana omaly ireo teratany vahiny manara-maso ny fizotry ny fifidianana. Mijery akaiky ny fikarakarana sy ny fizotran`ny fifidianana izy ireo toy ny iraisam-pirenena, ny vondrona eoropeanina, vondrona afrikanina, vondron’ireo tany mampiasa ny teny frantsay (OIF), ny SADC, …

Mpanara-mason’ny Vondrona Eoropeanina Manantena filaminana eo am-piandrasana ny voka-pifidianana

Hamaky ny tohiny...

Loisirs

Imbiky Herilaza “Manahy aho fa tsy hoeken`ny rehetra ny voka-pifidianana”

23/10/2018

Fototry ny olana amin`ity fifidianana 2018 ity ny lisi-pifidianana. Mazava ny voalaza ao anatin`ny and.

 faha-32 sy ny manaraka amin`ny lalàna velona 2018-008 fa ny 30 desambra hatramin`ny 15 mey no misokatra izy io. “Samy miziriziry ny an-daniny sy ny an-kilany,  tsy misy ny marimaritra iraisana kanefa hiroso amin`ny fifidianana izay tsy arofenitra”, hoy i Imbiky Herilaza, mpitsara sady mpahay lalàna. Samy mijoro amin`ny heviny ireo kandidà 26 sy ny CENI ka eo indrindra ny olana. Ny zava-misy dia tanjona ny haneken`ny ankabeazan`ny olona, indrindra ireo kandidà ny valim-pifidianana hisy eo. Dieny izao, efa milaza izy ireo fa raha tsy ekena ny voka-pifidianana dia hitarika korontana, hoy izy. Nomarihany kosa fa raha ekena ny fangatahana izay tsy ao anatin`ny lalàna dia hikorontana ny datim-pifidianana ka hihemotra ny daty amin`ny 7 novambra. Marimaritra iraisana no tokony hivoaka nandritra ny fivoriambe. Notsipihany fa tokony hamoaka didim-panjakana ny fitondrana ka manaiky ny fisokafana izany ao anatin`ny fotoana fohy ary voafetra ny hanokafana ho an`ireo olona tsy voasoratra. Raha hijery ny olona tsy tokony ho ao dia tsy ho tratra ao anatin`ny herinandro na roa herinandro izany satria fifidianana mangarahara sy ara-dalàna no tena tanjona. Manahy ny tenany fa tsy hoeken`ny rehetra ny voka-pifidianana eo. Tsiahivina fa hitondra mandritra ny dimy taona izay ho filoha ka fifidianana mivantana ary ny vahoaka feno taona no mifidy. Izany hoe raha tsy ampy ny fepetra hoe 9 tapitrisa  no voasoratra ary 3 hatramin`ny 4 tapitrisa no hifidy ka 2 tapitrisa amin`ireo no handatsa-bato toy ny tamin’ny 2013, mety hiozongozona ny Filoham-pirenena izay ho lany eo ao anatin`ny dimy taona. Ny and-34 ao anatin`ny lalàmpanorenana no milaza fa tokony ho avy any amin`ny maro an`isa no praiminisitra kanefa ilay olona ho lany eo dia mety tsy hahazo maro an`isa ao eny amin`ny Antenimieram-pirenena.

Marigny A.

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana