Dans la męme rubrique

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

15/01/2019

Tsy maniry ratsy ho an’ny fitondram-panjakana vaovao hotarihin’i Andry Rajoelina sy ny firenena fa sarotsarotra ny zavatra miandry ny mpitondra.

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

15/01/2019

Fomba fanao amin’ny fitadiavan-tseza sy fahefana ary toerana ao anaty fanjakana ny resa-poko sy fiaviana.

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

15/01/2019

Goavana ny asa miandry ny filoham-pirenena vaovao. Fanamby sy velirano ao anatin’ny fandaharan’asa ny filoham-pirenena vaovao ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka ao anatin’ny dimy taona.

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

15/01/2019

Mitohivakana ny fanehoan-kevitra mikasika ny fahazoan’ny malagasy filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina. Naneho ny heviny manoloana izany ny filohan’ny Antokom-Bahoaka malagasy (ABA), Dany Rakotoson.

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

15/01/2019

Niomana fatratra ny hitondra firenena i Marc Ravalomanana, ary nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana, kanefa ireny no voka-pifidianana izay niteraka adihevitra saingy naneho fahendrena izy.

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

15/01/2019

Tsy matin’ny malagasy maro lolo hatramin’izao ny anton’ilay fianianana tsy misy vavaka sy baiboly etsy Mahamasina amin’ny sabotsy.

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Tsy nahatontosa ny andraikitra nomena azy

23/10/2018

Niaiky ny CENI Madagascar fa maro ny lesoka amin'ny fifidianana, toy ny lisi-pifidianana...

Azo antoka fa mitondro mena avy hatrany ny toeran'ny praiminisitra Ntsay Christian. Mihena ny fahatokisan'ny mpiara-miombon'antoka azy, ka ny iraisam-pirenena sisa no azony ianteherana na dia manohana hatrany ny fanatontosana ny fifidianana amin'ny 7 novambra ho avy izao aza ny Vondrona Eoropeanina, na mahatsapa aza ity farany fa tsy nahavita ny iraka nampiandraiketina azy ny praiminisitra. Hisy fifidianana malalaka ve amin'ity taona ity ? Maro mantsy ny lesoka, toy ny fifidianana ao anaty orana, ireo olana maro samihafa ara-pitaovana, ara-bola, ara-teknika... Mazava ny an'ny CENI fa tsy hiala amin'ny zavatra natao hatramin'izay amin'ny fanomanana fifidianana. Ny zava-misy anefa dia fifidianana feno hosoka, hoy ny mpanara-baovao, ka azon'ny Fitsarana Avo  momba ny lalàmpanorenana atao ny milaza fa tomponandraikitra amin'izay hitranga Atoa Ntsay Christian, satria iraka nampanaovina azy ny fifidianana. Hatreto aloha, tsy feno ny fepetra hanatanterahana fifidianana eken'ny rehetra, satria misavorovoro ny tontolon'ny politika. Eo ihany koa ny fanemorana fifidianana ateraky ny fifanarahana politika ataon'ny  ankamaroan'ireo kandidà.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana