Dans la męme rubrique

Pety Rakotoniaina Ho fantatra rahampitso izay hiafarany

25/03/2019

Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra tribonaly rahampitso 26 martsa 2016 i Pety Rakotoniaina, raha ny loharanom-baovao iray.

Pety Rakotoniaina Ho fantatra rahampitso izay hiafarany

Hamaky ny tohiny...

Fampielezan-kevitra any TsaratanĂ na Mampitaintaina tanteraka

25/03/2019

Taorian` ny vono nihatra tamin` ilay kandidĂ  tohan` ny vondrona IRD miaraka ny Filoha Andry Rajoelina tany amin`ny distrika TsaratanĂ na izay namoy ny ainy ny alakamisy lasa teo dia manahy ireo kandidĂ  solombavambahoaka hilatsaka amin` ny fomba atrehina ny fampielezan-kevitra.

Fampielezan-kevitra any TsaratanĂ na Mampitaintaina tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana solombavambahoaka Fitoriana 19 nolavin` ny HCC

25/03/2019

Fitoriana miisa roa amin` ireo 21, izay voarain` ny Fitsarana avo momba ny lalĂ mpanorenana (HCC) no mbola tsy namoahany fanapahan-kevitra.

Fifidianana solombavambahoaka Fitoriana 19 nolavin` ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Farimbona Ambohimanarina Tsy miala amin-dRamose Todisoa izahay

25/03/2019

Ianao ihany no fantatray, tsy mandray baiko avy amin’izay any ambadika any izahay aloha fa ity no anay, ary Ramose Todisoa no efa namaha ny olanay.

Fikambanana Farimbona Ambohimanarina Tsy miala amin-dRamose Todisoa izahay

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Manan-danja ny depiote”

25/03/2019

Efa niaraha-nahalala tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny filaharan’ireo kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Marc Ravalomanana “Manan-danja ny depiote”

Hamaky ny tohiny...

Firenena malagasy Mizotra mankany amina krizy indray

25/03/2019

Raha ny tondro eo amin’ny sehatra iraisampirenena ankehitriny dia mizotra ho any amin’ny fahantrana lalina i Madagasikara izay maro amin’ny mponina ao aminy no miaina fidiram-bola latsaky ny 1,90 dolara isan’andro.

Firenena malagasy Mizotra mankany amina krizy indray

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Filohan’ampahana Malagasy ihany ve ?

25/03/2019

Miala any ny don-tandroka samihafa hoenti-mampandany ny olon-dRajoelina hahazoana ny maro an’isa tsy azo hozongozonina eny amin’ny antenimieram-pirenena.

Andry Rajoelina Filohan’ampahana Malagasy ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Filoham-pirenena vaovao Mila miomana amin`ny fifidianana solombavambahoaka

11/10/2018

Ny 25 janoary 2019 no tetiandro voafaritra ao anatin`ny lalĂ mpanorenana andraisan`ny filohan`ny Repoblika vaovao ny fitantanana ny firenena. Maro ny asa hiandry azy rehefa tonga eo amin`ny fitondrana.

 

Nisy ny fangatahana fanovana ifotony ny lalàmpanorenana tamin`ny taon-dasa saingy tsy nisy ka nihazakazaka niroso tamin`ny fifidianana filoham-pirenena. « Regime parlementaire » no misy eto Madagasikara, izany hoe na lany aza ny filoham-pirenena, tsy izy no mametraka praiminisitra lehiben`ny governemanta. Araka ny and. 54 amin`ny lalàmpanorenana navoaka tamin`ny jona 2018 teo, nazava fa tsy maintsy ny antoko politika na fikambanana politika manana isa maro indrindra no afaka manolotra ny anaran`ny praiminisitra ka avy eo tendren`ny filoham-pirenena izay ho lany eo. Midika izany fa ny olona lany ho filoham-pirenena dia tsy maintsy miomana sahady amin`ny fifidianana solombavambahoaka mba hahazoana ny maro an`isa. Ny zava-misy mantsy, maro ireo kandidà mantajaka satria misy filohana andrimpanjakana amin`izao sy teo aloha maromaro. Tsiahivina fa ny fifidianana solombavambahoaka dia mahenika ny faritany rehetra. Atahorana harefo ihany ny filoham-pirenena  izay hitondra eo amin`ny dimy taona manaraka noho ny tsy maintsy fampiharana ny and-54 ary noho ny fisian`ny kandidà mantajaka mifaninana amin`izao fifidianana izao. Ireo kandidà ireo mantsy dia mety efa manomana fifidianana solombavambahoaka. Misy mihitsy kandidà milaza fa rehefa lany izy dia hofoanany ny antenimierandoholona satria toy ny manara-drenirano izay tapaka eny anivon`ny antenimieram-pirenena fotsiny ka mandany vola. Misy fiantraikany goavana izany satria ny fisian`ny antenimiera roa no nahafahana nanana ihany koa ny tsy fitongilanana hatreto. Raha moramora amin`ny fitondrana ny mety mahazo amin`ilay “senat” dia ho sarotra kosa no hahazo ny antenimieram-pirenena. Mety ahitana soritra faharefoana ihany izay ho filoham-pirenena ho lany eo raha tsy miezaka manana ny isan-jaton`ny maro an`isa ao anatin`ny antenimieram-pirenena.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana