Dans la mme rubrique

Pety Rakotoniaina Ho fantatra rahampitso izay hiafarany

25/03/2019

Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra tribonaly rahampitso 26 martsa 2016 i Pety Rakotoniaina, raha ny loharanom-baovao iray.

Pety Rakotoniaina Ho fantatra rahampitso izay hiafarany

Hamaky ny tohiny...

Fampielezan-kevitra any Tsaratanàna Mampitaintaina tanteraka

25/03/2019

Taorian` ny vono nihatra tamin` ilay kandidà tohan` ny vondrona IRD miaraka ny Filoha Andry Rajoelina tany amin`ny distrika Tsaratanàna izay namoy ny ainy ny alakamisy lasa teo dia manahy ireo kandidà solombavambahoaka hilatsaka amin` ny fomba atrehina ny fampielezan-kevitra.

Fampielezan-kevitra any Tsaratanàna Mampitaintaina tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana solombavambahoaka Fitoriana 19 nolavin` ny HCC

25/03/2019

Fitoriana miisa roa amin` ireo 21, izay voarain` ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no mbola tsy namoahany fanapahan-kevitra.

Fifidianana solombavambahoaka Fitoriana 19 nolavin` ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Farimbona Ambohimanarina Tsy miala amin-dRamose Todisoa izahay

25/03/2019

Ianao ihany no fantatray, tsy mandray baiko avy amin’izay any ambadika any izahay aloha fa ity no anay, ary Ramose Todisoa no efa namaha ny olanay.

Fikambanana Farimbona Ambohimanarina Tsy miala amin-dRamose Todisoa izahay

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Manan-danja ny depiote”

25/03/2019

Efa niaraha-nahalala tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny filaharan’ireo kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Marc Ravalomanana “Manan-danja ny depiote”

Hamaky ny tohiny...

Firenena malagasy Mizotra mankany amina krizy indray

25/03/2019

Raha ny tondro eo amin’ny sehatra iraisampirenena ankehitriny dia mizotra ho any amin’ny fahantrana lalina i Madagasikara izay maro amin’ny mponina ao aminy no miaina fidiram-bola latsaky ny 1,90 dolara isan’andro.

Firenena malagasy Mizotra mankany amina krizy indray

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Filohan’ampahana Malagasy ihany ve ?

25/03/2019

Miala any ny don-tandroka samihafa hoenti-mampandany ny olon-dRajoelina hahazoana ny maro an’isa tsy azo hozongozonina eny amin’ny antenimieram-pirenena.

Andry Rajoelina Filohan’ampahana Malagasy ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanokafana ny lisi-pifidianana Ho voatsipaka ambavafo ireo kandida 22

11/10/2018

Rehefa nisokatra ny fampielezan-kevitra tamin’ny alatsinainy 8 oktobra teo, dia niaraha-nahita ny famondronan-kerin’ny kandida misia 22 tsy mankasitraka ny fomba fikarakarana ny fifidianana, ary anisan’ny takian’izy ireo ny fanokafana indray ny lisi-pifidianana.

 

 

 Iaraha-mahafantatra fa efa tapitra tamin’ny 15 mey ny fanokafana ny lalàm-pifidianana ary ny lalàna dia tsy mamaritra hoe : misy fanokafana sy fanavaozana azo atao eo anelanelany, hoy ny mpahay lalàna Imbiky Herilaza raha nanontaniana ny heviny.  Ny filoha lefitry ny CENI anefa  dia niteny tamina haino aman-jery fa efa nangataka tamin’ny governemanta fa tokony hanao fanokafana anelanelany amin’ny alalan’ny didim-panjakana. Efa latsaky ny iray volana dia hiditra amin’ny latsa-bato, ka raha hatao ny fanokafana eo anelanelany dia tsy ho tratra, raha ny fahitany azy. Amina renivohi-paritany na tanàna lehibe ihany no hahafahana manao izany. Mety hitarika fanemorana fifidianana io raha atao, ary izay ihany koa mety tsy hisakana ny faharatsian’ny lisi-pifidianana satria mety hisy fanatovonana na fanampiana anarana tsy araka ny tokony ho izy satria mety hisy fanararaotana eny anelanelany eny. Ny lazaina foana ombieny ombieny, dia ny mpanao politika, ny rafitra samihafa voakasika, ny firaisamonim-pirenena … dia tsy tokony ho amin’ny androm-pifidianana ihany no mandray andraikitra fa amin’ny fotoana rehetra no manabe ny vahoaka, hoy izy. Fahadisoana goavana ihany izao zava-misy izao, ary mety hitarika korontana ny fanemorana ny fifidianana. Raha ny fahitako azy, dia hiroso ihany ny fifidianana fa tsy misy hevitra intsony io. Ny mpanara-maso, toy ny OIF rahateo tamin’ny fitiliana nataony, dia nilaza fa nisy ihany ny tsy ara-dalàna, fa azo tontosaina ny fifidianana amin’izao.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana