Dans la mme rubrique

Fikambanan’ireo tompona Cybercafé Hihetsika raha tsy mivaha ny olana amin’ny « connection »

15/10/2018

Nivory tetsy amin’ny Bon accueil Ambatonakanga ny sabotsy teo ry zareo avy eo anivon’ny fikambanan’ny mpikirakira tambajotra aterineto sy tompon’irony toerana fanjifana izany irony na itony atao hoe Cybercafé itony.

Fikambanan’ireo tompona Cybercafé Hihetsika raha tsy mivaha ny olana amin’ny « connection »

Hamaky ny tohiny...

Ankizivavy malagasy Ampianarina ho tompon’andraikitra feno

15/10/2018

Ankizivavy latsaky ny 16 taona, miisa 180 avy amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy, no nandray anjara tamin’ny lalao baolina kitra “tournoi U-16”,

Ankizivavy malagasy Ampianarina ho tompon’andraikitra feno

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ireo mpiasam-panjakana matoatoa Hihetsika hatrany ny ASIEF

15/10/2018

Mitohy ny asan’ny ASIEF « Association Sportive Interministerielle pour l’éducation des fonctionnaires » tarihin’Atoa Randrianarison Jean Aimée Botosera amin’ny ady hatao amin’ireo mpiasam-panjakana matoatoa eto amintsika.

Ady amin’ireo mpiasam-panjakana matoatoa Hihetsika hatrany ny ASIEF

Hamaky ny tohiny...

Fampiasana hiran’ny artista mandritra ny propagandy Handoavana sarany any amin’ny OMDA

15/10/2018

Tokony handoavana sarany any amin’ny OMDA ( office Malgache des droits d’auteur) ny fampiasan’ireo kandida hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny sangan’asan’ny mpanakanto amin’izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao.

Fampiasana hiran’ny artista mandritra ny propagandy Handoavana sarany any amin’ny OMDA

Hamaky ny tohiny...

Fandraisana polisy Bakalôrea no diplaoma hotakiana manomboka amin’ny 2021

13/10/2018

Hiova ny diplaoma takiana handraisana ireo tovolahy na tovovavy Malagasy maniry hiditra ho polisim-pirenena manomboka amin’ny taona 2021.

Fandraisana polisy Bakalôrea no diplaoma hotakiana manomboka amin’ny 2021

Hamaky ny tohiny...

IKOLO Mikarakara ny olombelona amin’ny vokatra natoraly

13/10/2018

Ny natoraly no tena tsara hampiasaina hikoloana ny vatana mba tsy hisy fiantraikany ratsy rehefa any aoriana. Anisan’izany ny fikarakarana ny volo, ny tarehy…

IKOLO Mikarakara ny olombelona amin’ny vokatra natoraly

Hamaky ny tohiny...

Ora fanariana fako eto an-drenivohitra Manomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina

12/10/2018

Betsaka ireo olona tsy mahafantatra ny ora fanariana fako eto an-drenivohitra, hany ka manatanteraka izany amin’ny fotoana tsy tokony hanaovana azy.

Ora fanariana fako eto an-drenivohitra Manomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Marc Ravalomanana « Hamoraina ny fananan-tany ho an’ny Malagasy »

11/10/2018

9 taona no niandrasako, niandrasanao ity fifidianana ity. Kihon-dalana ho an’ny tantara izao, ka mahaiza misafidy, hoy i Marc Ravalomanana raha nitsidika ny tapany avaratra andrefan’ny nosy iny omaly dia tao Port Bergé sy Ambanja.

 

 

Nihaona tamin’ny vahoaka Malagasy aho ary niresaka tamina sehatra maro manerana izao tontolo izao, toy ny firenena matanjaka, ny mpamatsy vola toy ny banky Iraisam-pirenena, FMI … izay vonona amin’ny fanatanterahana ny MAP 2. Tsy maintsy miasa miaraka amin’ireo firenen-dehibe isika. Tsarovy tsara fa tamin’ny 2005 i dada dia namafa ny trosa rehetra an’i Madagasikara, hoy izy. Efa neken’ny mpamatsy vola ny « manifesto » hanatanterahana izany miaraka aminy, ary niaraha-namolavola tamin’izay ireo rahateo. Nohamafisiny tany Ambanja io. Ny mpamatsy vola dia efa vonona tamin’ny MAP ary hanohy izany amin’ny MAP 2. Tsy hanao fifanarahana maloto amina vola misy tambiny famarotan-tanindrazana izy, ary harovana ny harena izay an’ny Malagasy na an-dranomasina na an-tanety. Hampitomboina ny fidiram-bola sy ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Hakarina ny lanjam-bola satria raha tamin’ny androny dia 2.500Ar ny sandan’ny Euros iray, hapetraka ny tontolo manampy ny famoronana asa satria talentany ny manangana orinasa, ka porofo iray ny MBS sy ny Tiko,… Hampiroboroboana ny orinasa madinika sy salantsalany,… ka hamoraina ny famatsiam-bola sy fampindramam-bola. Ny ZIZ avy any Alemaina, ohatra, dia efa vonona amin’ny fiaraha-miasa. Hamoraina ny fananantan-tany ho an’ny Malagasy, ary tsaroana tsara fa i Madagasikara no voalohany nomen’ny Amerikanina famatsiam-bola tamin’ny alalan’ny MCI (Millenium Challenge Account), ary tamin’ny fotoan’androny rahateo no niantombohan’ireny Birao Ifoton’ny fananan-tany ireny na ny BIF.  Ny resaka angovo dia notsiahiviny sy nanaovany fampitahana ny vidin-jiro tamin’ny 2007 sy ankehitriny, ka ampiasaina ny fomba sy ny teknolojia sy fahaiza-manao rehetra hahafaha-mamaha ny olana, hoy izy. Eo ihany koa ny rano fisotro madio. Mikasika ny fitsinjaram-pahefana, fifidianana fa tsy tendrena intsony ny tompon’andraikitra isaky ny ambaratonga mba hiantohana ny tombontsoan’ny vahoaka mba hamerenana ny fifampatokisana eo amin’ny mpitondra sy ny entina. Ren’ny sofiny ny fahoriana sy fitarainana nataon’ny mponina, tsy eo amin’ny lafiny fahantrana ihany fa eo amin’ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny sehatra rehetra, ny olana tsy hahafahan’ny ankizy hiditra an-tsekoly intsony, ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa isan-karazany, ny tsy fananan’asa, sns… Manaitra ny hambom-pony ireo toe-javatra mihatra amin’ny mpiray firenena aminy ireo ary mandrisika azy hanompana ny fahaizany amam-pahalalany sy ny fahendreny hamerina indray ny hasin’ny Firenena Malagasy eo anivon’izao tontolo izao. Nanome toky i Marc Ravalomanana fa efa eo izao ny MAP 2 izay havadika ho asa ka tsy maintsy haverina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena. Misy ny sakana amin’ny endriny maro samihafa, tsy vitsy ny misompatra ary tsy mitsahatra ny fandrahonana. Tsy mampihemotra ny kandidà laharana-25, Ravalomanana Marc, ireo satria ny vahoaka Malagasy no mitaky famonjena ary ny Firenena Malagasy no mila fanavotana. “Miara-miasa no fahombiazana” ka tsy maintsy mandray andraikitra ny Olom-pirenena tsirairay hisorohana ny fiverenan’ny mpandrava sy mpandrodana ary mpanao gaboraraka eo amin’ny fitondrana indray.Ny olona rehefa mandray anjara na 100Ar aza tsy azo vidiana intsony, ary izay ilay hoe: “ésprit participatif”, hoy I Dadavalo satria mifantsika ao an-tsaina ny hoe: anay io, anay i Dada, hataonay izay hahalany azy.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana