Dans la męme rubrique

Pety Rakotoniaina Ho fantatra rahampitso izay hiafarany

25/03/2019

Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra tribonaly rahampitso 26 martsa 2016 i Pety Rakotoniaina, raha ny loharanom-baovao iray.

Pety Rakotoniaina Ho fantatra rahampitso izay hiafarany

Hamaky ny tohiny...

Fampielezan-kevitra any TsaratanĂ na Mampitaintaina tanteraka

25/03/2019

Taorian` ny vono nihatra tamin` ilay kandidĂ  tohan` ny vondrona IRD miaraka ny Filoha Andry Rajoelina tany amin`ny distrika TsaratanĂ na izay namoy ny ainy ny alakamisy lasa teo dia manahy ireo kandidĂ  solombavambahoaka hilatsaka amin` ny fomba atrehina ny fampielezan-kevitra.

Fampielezan-kevitra any TsaratanĂ na Mampitaintaina tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana solombavambahoaka Fitoriana 19 nolavin` ny HCC

25/03/2019

Fitoriana miisa roa amin` ireo 21, izay voarain` ny Fitsarana avo momba ny lalĂ mpanorenana (HCC) no mbola tsy namoahany fanapahan-kevitra.

Fifidianana solombavambahoaka Fitoriana 19 nolavin` ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Farimbona Ambohimanarina Tsy miala amin-dRamose Todisoa izahay

25/03/2019

Ianao ihany no fantatray, tsy mandray baiko avy amin’izay any ambadika any izahay aloha fa ity no anay, ary Ramose Todisoa no efa namaha ny olanay.

Fikambanana Farimbona Ambohimanarina Tsy miala amin-dRamose Todisoa izahay

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Manan-danja ny depiote”

25/03/2019

Efa niaraha-nahalala tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny filaharan’ireo kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Marc Ravalomanana “Manan-danja ny depiote”

Hamaky ny tohiny...

Firenena malagasy Mizotra mankany amina krizy indray

25/03/2019

Raha ny tondro eo amin’ny sehatra iraisampirenena ankehitriny dia mizotra ho any amin’ny fahantrana lalina i Madagasikara izay maro amin’ny mponina ao aminy no miaina fidiram-bola latsaky ny 1,90 dolara isan’andro.

Firenena malagasy Mizotra mankany amina krizy indray

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Filohan’ampahana Malagasy ihany ve ?

25/03/2019

Miala any ny don-tandroka samihafa hoenti-mampandany ny olon-dRajoelina hahazoana ny maro an’isa tsy azo hozongozonina eny amin’ny antenimieram-pirenena.

Andry Rajoelina Filohan’ampahana Malagasy ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandida 22 mamondron-kery Tsy hanolotra kandida iray mandrakizay, hoy Jean Nirina R.

11/10/2018

Niteraka resabe teto amintsika tato ho ato ilay famondronan-kery tanterahin’ireo kandida miisa 22 manoloana ny fiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena.

 

 

 

Namaly omaly Rafanomezantsoa Jean Nirina talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida Zafivao Jean Louis. Nambarany fa fitakiana ny fifidianana madio sy mangarahara no antony iraisan’ireo kandida 22 ireo  satria samy manana ny tetikasa fampandrosoany ny tsirairay avy. Tsy hisy mandrakizay ny fanolorana kandida tokana, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana fihodinana voalohany izao  sady tsy misy matahotra fifidianana koa ny tsirairay. Etsy an-daniny, be loatra ireo karazana tebiteby mahazo ny kandida ka mahatonga ny sasany tsy hanao propagandy  hatreto. Fifaninanana mantsy no hatao fa tsy fifandrafiana ka tsy tokony hiverina intsony ny zava-nisy tamin’ny taona 2001 izay  nisiana Malagasy maro  namoy ny ainy. Betsaka ny zavatra mila ahitsy mialoha ny tena hirosoana amin’ny fifidianana. Anisany  ny  fisian’ireo olona feno 18 taona marobe very zo. Misy ihany koa ireo tsy nahasolo kara-panondro nefa tokony hifidy. Ao koa ireo tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana. Ny  voamieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana anefa no tompon-teny farany amin’izany ary eo am-piandrasana ny valin-tenin’izy ireo, ireo kandida 22 isa ankehitriny.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana