Dans la mme rubrique

Fananganana ny “Fanjakana gasy” Nosamborina ny mpitarika

15/10/2018

omaly alahady 14 oktobra 2018 ny faha-60 taonan’ny repoblika voalohan’i Madagasikara. Marolafy ny fomba nanamarihana izany saingy tsy vanona kosa ny fikasan-dry zareo mpanao politika nikasa hanangana fanjakana vaovao tetsy amin’ny Pave Antaninarenina.

Fananganana ny “Fanjakana gasy” Nosamborina ny mpitarika

Hamaky ny tohiny...

Alain Mahavimbina “Tsy mpitsara intsony ny HCC fa lasa mpanapaka”

15/10/2018

Maro ny fangatahana sy fitoriana mipetraka eo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Anisan`izany ny fangatahana nataon`ny kandidà 22 mba hamoahana ny lisi-pifidianana satria feno hosoka ny fanomanana azy.

Alain Mahavimbina “Tsy mpitsara intsony ny HCC fa lasa mpanapaka”

Hamaky ny tohiny...

Leader Fanilo elatra Jean Max Hitrikitrihin’ny elatra Zafera

15/10/2018

Na tapa-bolana aza sisa ny fampielezan-kevitra mikasika ny fifidianana ho filoham-pirenena dia tsy sasatry ny manamafy ry zareo avy eo anivon’ny antoko politika Leader Fanilo,

Leader Fanilo elatra Jean Max Hitrikitrihin’ny elatra Zafera

Hamaky ny tohiny...

Kandida mankato fifidianana Manomboka mampiaka-peo koa !

15/10/2018

Efa nilaza ny heviny ny kandida ho filoham-pirenena, Paul Rabary, nialoha ny fiatombohan’ny fampielezan-kevitra fa tokony hanapa-kevitra ireo kandida mitaky ny hanemorana fifidianana na hanao izy na tsy hanao.

Kandida mankato fifidianana Manomboka mampiaka-peo koa !

Hamaky ny tohiny...

Tsy fandehanana mifidy Mety hiteraka fahavoazana…

15/10/2018

Amin`izao ankatoky ny fifidianana izao, tsara ny manamarika fa zo sy adidy ny mifidy. Amin`ny maha zo azy, ny olona voasazy ihany no tsy mahazo mifidy na olona izay heverina fa tsy manana fahefana ara-tsaina hanao an`izay.

Tsy fandehanana mifidy Mety hiteraka fahavoazana…

Hamaky ny tohiny...

Zanak’i Dada Izany ka tia tanindrazana !

15/10/2018

Rakotra vahoaka resy lahatra sy baikon’ny fitiavan-tanindrazana any amin’izay toerana alehan’ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana. Tsy misy artista malaza ary tsy misy fizaran-javatra sy vola toy ny fanaon’ny sasany, fa baikon’ny finiavana sy ny fitiavana.

Zanak’i Dada Izany ka tia tanindrazana !

Hamaky ny tohiny...

Ampanjaka Ankarana sy Ravalomanana Mitovy ny fomba fijery

15/10/2018

Noraisin'ny Ampanjaka Ankarana tao an-tranony i Marc Ravalomanana ny sabotsy 13 oktobra lasa teo. Any amin’iny faritra Avaratry ny Nosy iny no misy an’Ankarana, anisan’ny manana ny maha izy azy eto amin’ny Nosy noho ny harena na ara-boajanahary na ara-kolontsaina ananany.

Ampanjaka Ankarana sy Ravalomanana Mitovy ny fomba fijery

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antoko H E Mada « Mampihomehy ny raharaham-pirenena ! »

11/10/2018

Mampihomehy ihany indraindray ny raharaham-pirenena, hoy ny filohan’ny antoko H E Mada, Toavina Ralambomahay. Eto Madagasikara irery no misy kandida sady manao propagandy no mangataka fanemorana fifidianana.

 Raha lany ve ireo dia tsy hanaiky valim-pifidianana ? Maninona raha manohana kandida tokana ? Tsy lojika ny zava-miseho, hoy izy  raha nilaza ny heviny tetsy Ankatso, nandritra ilay hetsika oniversiten’ny demokrasia sosialy. Ny mikasika ny CENI kosa dia azon’ireo antoko manana ny maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena ny mandrava azy na rahampitso aza. Lalàna izany. Tsy tokony hampitaraina antsika, indrindra ireo antoko manana maro an’isa, ny fipetrahan’ny HCC sy CENI eo satria izy ireo ihany no nametraka azy teo.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana