Dans la mme rubrique

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

17/01/2020

Maro ny mpanara-baovao miandry amin`izay mety ho firafitry ny mpikambana eo anivon`ny governemanta.

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

Hamaky ny tohiny...

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

17/01/2020

Nivoaka nanomboka ny faran`ny herinandro teo ny tolotrasa avy amin`ny fiadidiana ny repoblika.

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

Hamaky ny tohiny...

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

17/01/2020

Nihaona tamin’ny mpikamban’ny komitin’ny fampihavanana malagasy tetsy amin’ny biraon’ny CFM Ampefiloha omaly ny avy eo anivon’ny federasionin’ny gadra politika na FEDEP, tarihin’ny filoha nasionaliny, Henri Rakotomalala na Riribe.

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

17/01/2020

Tontosa omaly tamim-pilaminana sy fifanajana tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely teo amin’ny ben’ny tanàna teo aloha Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny ben’ny tanàna vaovao Atoa Naina Andriantsitohaina,

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

Hamaky ny tohiny...

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

17/01/2020

Manomboka lany andro manazava sy mandresy lahatra ity fitondram-panjakana mijoro eto Madagasikara ity.

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

Hamaky ny tohiny...

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

17/01/2020

Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana any amin’ny faritanin’i Toliara momba ny voka-pifidianana ben`ny tanàna tany amin’ny kaominina Tsihombe Androy, dia haverina ny fifidianana any an-toerana.

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

17/01/2020

Mitokona ary mangataka ny tsy hikambana amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana intsony ny mpiasan’ny minisiteran’ny jono.

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

Hamaky ny tohiny...


Politique

Biletà tokana Misy fiovana raha oharina amin’ny teo aloha

17/09/2018

Nigadona omaly maraina tetsy Ivato ny ampahany voalohany amin’ ny biletà tokana izay natonta tatsy Afrika Atsimo.

 

 

Niova ny endriky ny biletà tokana hampiasaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina ny 7 novambra ho avy izao ny fihodinana voalohany. Taratasy A3 no ampiasaina ka ny an-daniny roa dia faritra natokana ho an’ireo kandidà miisa 36 ary ny afovoany kosa natokana amin’ny fampianarana olona amin’ny fampiasana ny bileta tokana. Ny fiovana raha oharina tamin’ny fifidianana teo aloha dia anankiroa. Voalohany, ny filaharan’ny kandidà dia miainga amin’ny herijika azony avy amin’ ny antsapaka. Raha ny mahazatra, tokony hisesy ny laharan’ireo kandidà fa amin’ity fifidianana 2018 ity dia ny sisiny an-kavia amin’ny biletà tokana dia natokana ho an’ireo kandidà mitondra ny isa tsy an-kasa, izany hoe ny laharana 1,3,5… 35. Ny sisiny an-kavanana kosa dia ho an’ireo isa an-kasa toy ny 2,4,6…36. Araka ny nambaran’ny CENI, hoheverina fa manaja ny filaharana ny kandidà tsirairay avy ary ny lojika dia ny laharana faharoa mifanandrify amin’ny laharana voalohany. Ny fiovana faharoa dia ny habeny. Raha ny fifidianana farany, 23mm ny haben’ny toerana iray. Satria maro ireo kandidà dia lasa 21 mm izany. Ny ao ambadiky ny biletà tokana indray dia faritra natokana ho an’ny sonian’ny mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato. Araka ny voalazan’ny lalàm-pifidianana vaovao, ny biletà tokana tsirairay avy rehefa halatsaka ao anatin’ny vato fandatsaham-bato mangarahara dia tsy maintsy misy sonian’ireo mpikambana ao anatin’ny biraom-pifidianana. Raha tsy misy an’izay sonia izay dia maty ilay biletà tokana na tsy manan-kery, hoy hatrany ny fanazavana. Mizara roa ny biletà tokana hatonta any Afrika Atsimo. Ity ampahany voalohany ity dia natokana ho an’ny CENI sy ny fiarahamonim-pirenena. Marihina fa misy soratra “formation” ity andiany voalohany ity satria entina hanentanana ny mpifidy. Ny CENI hanana 7 491 mba hampianarana ny mpikambana eo anivon’ny biraom-pifidianana sy ny vahoaka amin’ny fampiasana ny biletà tokana. Ny fiarahamonim-pirenena kosa dia hanana 59 500, izany hoe 50 isaky ny biraom-pifidianana isaky ny distrika isaky ny fiarahamonim-pirenena.  Ny andiany faharoa kosa, biletà tokana miisa 10,3 tapitrisa, izay tena hampiasaina amin’ny fifidianana fihodinana voalohany dia ny 7 oktobra ho avy izao  no tonga eto Madagasikara.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana