Actualités
Satroboninahitra very Nanokatra fanadihadiana ny fanjakana
14/09/2018
Ny alin’ny 3 desambra 2011 no very ny satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona I notahirizina teny Andafiavaratra.
Ankehitriny, nony nivoaka tamina tambajotran-tserasera fa hatao lavanty ao Paris Frantsa ny talata izao ity vako-pirenena Malagasy ity dia nanao fanambarana ofisialy omaly ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina fa mangataka fanadihadiana lalina. Tsy maintsy ampodiana iny, hoy ny minisitra Johasy Eleonore. Nanazava moa ny tenany fa efa nisy ny fampandrenesana ireo mpitandro ny filaminina iraisampirenena toy ny Interpol, misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana iraisam-pirenena toy ny UNESCO. Naninona no tsy mbola nahitam-bokany ny fanadihadiana tao anatin’izay 7 taona izay raha tena nanadihady marina ? Mandeha moa ny resaka fa nafenina tao amin’ny trano fonenan’ny anabavina kandida ho filoham-pirenena iray izay malaza ho anisan’ny favori ity satroboninahitra ity nandritra ny 7 taona. Ny fanadihadiana lalina sy matotra irery ihany anefa no tena hahafantarana ny marina. Marihana fa nanao vavabe tamin’ny 2011 ny mpitandro filaminana nilaza hoe “averenonareo tsimoramora ny satroboninahitry ny mpanjaka raha tsy te hahita olana satria efa fantatray ny misy anareo…” Fito taona aty aoriana, tsy hita popoka ilay izy ary izao manomboka izao indray ny fanadihadiana iray volana mialoha ny fanombohan’ny propagandy. Mbola fanontaniana mipetraka koa ny hoe ilay tena izy ve io lazaina fa any Frantsa io sa efa dika mitovy ?
J. Mirija