Dans la mme rubrique

LOZAM-PIARAKODIA RN4 sy RN13

19/02/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana fiara mpitatitra olona ny lalam-pirenena faha-4 sy faha-13, omaly. Fiara marika “Sprinter” iray hihazo an’i Mahajanga no tra-doza omaly antoandro tamin'ny faritra Ankazobe, PK 99+400m.

LOZAM-PIARAKODIA RN4 sy RN13

Hamaky ny tohiny...

GADRA TAFATSOAKA

18/02/2019

Ireto avy ny anaran’ireo gadra tafatsoaka tao amin’ny fonjaben’ny Tsiroanomandidy ny asabotsy lasa teo :

GADRA TAFATSOAKA

Hamaky ny tohiny...

CLAUDINE RAZAIMAMONJY

15/02/2019

Naverina faran’izay maika eny Antanimora i Claudine Razaimamonjy. Izy dia nigadra eny amin’ny fonjan’i Manjakandriana raha ny tokony ho izy.

CLAUDINE RAZAIMAMONJY

Hamaky ny tohiny...

BOADEROZY

13/02/2019

0maly koa dia mbola nisy nidoboka am-ponja vonjimaika ny mpanao trafika bois de rose.

BOADEROZY

Hamaky ny tohiny...

OLO-MALAZA VOATAFIKA

11/02/2019

Olo-malaza roa dia i Michael sy Manou izay samy fantatra amin’ny tontolon’ny zava-kanto noho ny nivoahan’izy ireo tamin’ny Pazzapa tamin’izany no voatafika tetsy Mahitsy.

OLO-MALAZA VOATAFIKA

Hamaky ny tohiny...

TSY MBOLA NIVOAKA NY VOLA

08/02/2019

Tsy mbola nisy vola nivoaka sy nomena ny havan’ireo izay niharam-boina tamin’ny raharaha 7 febroary hatramin’izao.

TSY MBOLA NIVOAKA NY VOLA

Hamaky ny tohiny...

RAY NAMPIJALY NY ZANANY VAVY

07/02/2019

Nidoboka am-ponja ilay raim-pianakaviana izay nampijaly ny zanany vavikely vao valo taona. Nosamborin’ny polisy tao an-tranony izy mivady rehefa nitaraina ny mpiara-monina fa maheno zaza miantso vonjy matetika.

RAY NAMPIJALY NY ZANANY VAVY

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FIFAMPITIFIRANA TAO TSARATANANA

14/09/2018

Nandritra ny adiny telo sy sasany ny fifampitifirana tao Tsaratanàna. Izany dia teo amin’ny dahalo niova fo sy ny dahalo mpanao fakana an-keriny.

 

 Ny tena anton-dian’ireo olon-dratsy dia ny hamono ny lehilahy iray antsoina hoe Rija, nanome vaovao ny zandary momba ireo mpaka an-keriny namany taloha, fony izy jiolahy. Ireo dahalo indray no maty rehefa nifanandrina tamin-dRija. Telo no lavony ary nanao tari-dositra ny ambiny avy eo. Ny fokonolona izay nifanena tamin’ireo olon-dratsy indray no niharan’ny rihitra ka  notifirin’ireo olon-dratsy, nanalany ny fony. 


NAFINDRA TOERANA IREO MARARY

 

Voatery tsy maintsy nafindra maika ny marary teo anivon’ny sampana Neuro-Chirurgie tao amin’ny hopitaly CHU JRA Ampefiloha nanomboka ny alin’ny alarobia teo. Ny antony dia satria nisy firehetana tao amin’ilay toerana vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra. Natahotra mafy ny mpiambina marary ary nihorohoro koa ny marary vokatr’ilay firehetana tampoka. Ny setroka rahateo vetivety dia niparitaka tao amin’ny efitra. Omaly hariva izy ireo vao naverina tao amin’io sampana io rehefa voalamina avokoa ny rehetra. 

ZANDARY NARATRAN’NY DAHALO

 

Zandary miisa dimy no naratra mafy voatifitra ny dahalo tao amin’ny fokontany Isaorana, ao Matsiatra Ambony. Voatery nampiasana helicoptère ny nanalana azy ireo tao an-toerana ka nentina avy hatrany tany amin’ny hopitalin’i Fianarantsoa. Nentina niverina indray ny angidimby ary nanaovana savahao ireo olon-dratsy. Hatramin’ny omaly dia mbola mitohy ny ady anaty akata tao an-toerana. 

POLISY KAROHINA

 

 Ofisie iray sy inspektera iray eo anivon’ny polisy no karohin’ny BC fatratra nanomboka ny talata teo. Nanafika teratany Srilankais iray izay nivoaka tao amin’ny Sakamanga tetsy Antsahavola izy ireo. Io vahiny io dia nitondra volamena « lingot » izay milanja dimy kilao teny aminy ary io no nalain’ireo polisy avy hatrany avy amin’ny alàlan’ny fanafihana mitam-basy. Efa hita ny basy nampiasan’ireo polisy rehefa natsipiny tao amin’ny tokotanin’ny trano misy ny vady aman-janany ihany. Mitohy ny fikarohana azy ireo. Fantatra koa fa fiaran’ny komisera iray no nampiasainy. 

ZANDARY NOSAMBORINA

 

Zandary telo miasa ao Ambatofinandrahana no nosamborina ary notazomina ao amin’ny biraon’izy ireo. Ny antony dia voaporofo fa izy ireo ihany no manome ny vaovao rehetra ny dahalo tokony hosamborina ary manamora ny fanatontosan’ireo olon-dratsy ny asany. Namoahana didy avy hatrany ny fisamborana sy fitazonana ireo mpitandro ny filaminana ireo. Mbola hisy koa ny sazy anatiny izay miandry azy ireo ankoatra ny fanarahana ara-pitsarana. 

NIALA TSINY

 

 Nandray lesona ihany ny andrim-panjakana ambony taorian’ny fanakianan’ny gazety azy. Niala tsiny ary nilaza fa filoha mpisolo toerana no mitazona ny antenimierandoholona. Raha tsiahivina, ny fampitam-baovao voalohan’ny prezidansa dia nosoniavina ho filohan’ny repoblika ary tsy niserana akory ny hoe mpisolo toerana. 

ASA FANAOVAN-GAZETY

 

 Mbola manao ny di-dohany hatrany ny komisiona notendren’i Rolly Mercia izay hamoaka ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety. Amin’ny voalohan’ny volana oktobra ho avy izao no hamoahana an-keriny an’izany. Tsiahivina fa orinasan-gazety miisa 22 eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritany no tsy manaiky ity karatra tsy manara-dalàna ity. Na niova aza ny minisitra dia mbola notohizan’i Riana Andriamandavy VII hatrany ny tsy mety nataon’ny teo alohany dia ny fanekena io kaomisiona io. Midika izany fa mbola manana eritreritra ny hanery ny fahalalahan’ny mpanao gazety hatrany izy ireo.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana