Toekarena
Tsenabe iraisam-pirenena ara-pamokarana Namboraka ny hetahetany ny tantsaha
14/09/2018
Omaly alakamisy 13 septambra no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Zone Forello Tanjombato ny Tsenabe iraisam-pirenena mahakasika ny ara-pamokarana (FIA) andiany faharoa.
Hotanterahina mandritra ny 4 andro ity tsenabe mamaly ny filan’ny tantsaha mpamokatra ity. Tanjona ny hijerena hatrany ny tsena anatiny sy ny any ivelany, indrindra ahafahana mifanakalo hevitra amin’ireo mpisehatra amin’ny tontolo ambanivohitra mba ho fanatsarana ny serasera ao anatin’ny sehatra famokarana hampitomboana ny vokatra. Ezahina ny hahasompitry ny ranomasimbe Indiana an’i Madagasikara ka hampandrosoana haingana ny fambolena tantanim-pianakaviana (agriculture familiale). Eo ihany koa ny sehatra fampiroboroboana ny mpandraharaha matihanina amin’ny fambolena (agri-business), indrindra ny fandraharahana hanodina ny vokatra ho fihinana (agro-alimentaire). Maro ireo tantsaha naneho ny hetahetany tamin’ity FIA andiany faharoa ity tahaka ny tokony hanamorana ny fananan-tany satria maro be izy ireo kanefa hita ho mihafihafy hatrany amin’ny fambolena sy fiompiana ataony. Iaraha-mahita anefa fa mbola migodana ny velaran-tany ahafahana mamboly sy miompy eto Madagasikara. Ankoatra izay, olana ihany koa ny tsy fahampian’ny fampiofanana ny tantsaha amin’ireo sehatra ireo ka miteraka ny tsy fahaiza-manao. Ny sehatra sahala amin’itony no hanamafisana ny traikefa sy ny fifehezana ny famarotam-bokatra ho an’ireo tsantsaha mpamokatra. Mbola mampikaikaika ny tantsaha ihany koa ny tsy fandriampahalemana izay tena mbola manjaka, indrindra amin’ny tontolo ambanivohitra ka nangatahan’izy ireo vahaolana maika amin’ny fanjakana.
Tsirinasolo