Dans la męme rubrique

Aretina haromotana Azo sorohana tsara

17/07/2019

Haharitra 3 volana ny fanaovam-baksiny maimaimpoana ireo saka sy alika ho fiarovana amin’ny haromotana.

Aretina haromotana Azo sorohana tsara

Hamaky ny tohiny...

Olona maty tampoka Efa narary fo, hoy ny dokotera

10/07/2019

Nitondra fanazavana mikasika ireo olona maty vokatry ny fihetseham-po ny dokotera Fidy Bariniaina, omaly. Nambarany fa olona efa narary fo ireny maty tampoka ireny amin’ny ankapobeny.

Olona maty tampoka Efa narary fo, hoy ny dokotera

Hamaky ny tohiny...

Gastrotraining Afrika andiany faha-4 Traikefa hisorohana ny aretin’ny taova fandevonan-kanina

08/07/2019

Notanterahina tany amin’ny Hopital Americain tany Parisy tamin’ny 5 sy 6 Jolay lasa teo ny andiany faha-4 tamin’ny Gastrotraining Afrika.

Gastrotraining Afrika andiany faha-4 Traikefa hisorohana ny aretin’ny taova fandevonan-kanina

Hamaky ny tohiny...

Aretin’ny voa Ho maimaimpoana ny fanaovana “dialyse”

25/06/2019

“Hojerena ny hanamorana ny fanaovana “dialyse” ho an’ireo marary voa. Ho maimaimpoana ny fanaovana azy noho ny fahatsapana ny fahasahiranan`ny rehetra “, hoy ny filoha Rajoelina.

Aretin’ny voa Ho maimaimpoana ny fanaovana “dialyse”

Hamaky ny tohiny...

Tobim-pahasalamana fototra (CSB) miisa 500 amin’ireo 2.660 misy eto amintsika no hahazo vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mba hitahirizana ny vaksiny.

25/06/2019

Omaly no nanolorana izany tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Institut National de Santé Publique et Communautaire na INSPC Befelatanana, niaraka tamin’ny fampitaovana natolotr’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola hafa.

Tobim-pahasalamana fototra (CSB) miisa 500 amin’ireo 2.660 misy eto amintsika no hahazo vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mba hitahirizana ny vaksiny.

Hamaky ny tohiny...

Fanapoizinana ara-tsakafo Arahina maso ireo hani-masaka amidy

24/06/2019

Roa andro tsy hahatongavan`ny fetim-pirenena, dia isan`ireo arahina maso manokana raha ny fanazavana ny eo anivon`ny minisiteran`ny fahasalamana,

Fanapoizinana ara-tsakafo Arahina maso ireo hani-masaka amidy

Hamaky ny tohiny...

Drepanocytose – aretin’ny ra Ireo zaza latsaky ny 5 taona no tena lasibatra

20/06/2019

Ny 10 %-n’ny Malagasy amin’izao no fantatra fa lasibatry ny aretina faingosela na ny “drepanocytose”.

Drepanocytose – aretin’ny ra Ireo zaza latsaky ny 5 taona no tena lasibatra

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Aretin-kibo vokatry ny fisotroana rano maloto Mahafaty, hoy ny mpitsabo

22/08/2018

Mahatratra 14.000 isan-taona ankehitriny ireo Malagasy mamoy ny ainy vokatry ny aretim-pivalalana ateraky ny fisotroana rano tsy voadio.

 

 Mbola vao ny 43 %-n’ny Malagasy ihany mantsy no mahazo sy misitraka rano fisotro madio manerana ny Nosy  ka ny eto an-drenivohitra no betsaka. Saika mionona amin’ny fakana rano eny amin’ny vovo sy ny fantsakana avokoa ny ambiny. Raha ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina dia vokatr’ilay bakteria avy amin’ny mikraoba na ilay amiba ao anatin’ireny rano tsy voadio ireny no mahatonga ilay aretin-kibo. Mety manotika ny kibo, mivalana ihany koa ilay marary izay mety rano fotsiny na koa misy tsiloly mihitsy. Ho an’ilay amiba manokana dia tsy mijanona amin’ny tsinay izy ireny fa mety hiakatra any amin’ny aty ka miteraka ilay amiban’ny aty. Mety misy nana ny atin’ilay marary aorian’izay ka mety hitarika fahafatesana ho azy. Mila mitandrina ny tsirairay. Anisan’ny vahaolana arosony ny hitatavanana ny rano hatrany rehefa avy alaina, indrindra fa ireo maka rano any an-dobo sy  any anaty vovo. Tsy azo sotroina avy hatrany anefa fa tsy maintsy avela hitsika mandritra ny alina iray ary hampangotrahina izay vao sotroina.

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana