Dans la mme rubrique

Minisitry ny atitany “Miandry kely aloha ny fampiharana ilay satan’ny mpanohitra”

17/07/2019

Noheverina fa tsy hisy intsony ny sakantsakana mahakasika ny fanoherana eto Madagasikara ka hisy amin`izay ny fifandanjan-kery eto amintsika.

Minisitry ny atitany “Miandry kely aloha ny fampiharana ilay satan’ny mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Depiote Dr Fiarovana Lovanirina “Mila hatsaraina ny lalàna momba ny fahasalamana”

17/07/2019

Anisan’ny andrim-panjakana iankinan’ny aim-pirenena ny antenimieram-pirenena.

Depiote Dr Fiarovana Lovanirina “Mila hatsaraina ny lalàna momba ny fahasalamana”

Hamaky ny tohiny...

Distrikan` i Mahabo Mangataka ny fijerena ny solombavambahoakany

17/07/2019

Nidina an-dalambe ny mponina tao amin`ny distrikan`i Mahabo mba hangataka amin’ny fitondram-panjakana hijery ny depiote voafidy tany aminy dia Raveloson Ludovic dit Leva Sydney.

Distrikan` i Mahabo Mangataka ny fijerena ny solombavambahoakany

Hamaky ny tohiny...

Niray feo ny depiote Lany 100% i Christine Razanamahasoa

17/07/2019

Lany ho filohan’ny antenimieram-pirenena Rtoa Razanamahasoa Christine, solombavambahoaka IRD ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana omaly.

Niray feo ny depiote Lany 100% i Christine Razanamahasoa

Hamaky ny tohiny...

Toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra Mbola mifanenjana ny TIM sy ny fitondrana…

17/07/2019

Ny lalàna misy momba ny satan’ny mpanohitra sy Lehiben’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera dia tsy mbola misy didy fampiharana, ka tompon’andraikitra tanteraka ny governemanta amin’ny famoahana an’io.

Toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra Mbola mifanenjana ny TIM sy ny fitondrana…

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Lasa fisolelahana ny fanaovana politika

17/07/2019

Tena mbola ao anatin’ny fianarana demokrasia sy repoblika isika izao, hoy ny mpanao politika, Dany Rakotoson. Antony dia matetika afangarontsika sy lasa bontolo ny adihevitra.

Madagasikara Lasa fisolelahana ny fanaovana politika

Hamaky ny tohiny...

Vondrona IRD Tsy maika hanendry praiminisitra

17/07/2019

Tsy mbola miditra amin`ny fanolorana ny anaran`ny praiminisitra ny vondrona IRDA amin`izao. Mandeha miandalana ny zavatra rehetra, hoy ny fanehoan-kevitra sasany.

Vondrona IRD Tsy maika hanendry praiminisitra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandida Orlando Robimanana Notsofin-drano tany Anjeva

22/08/2018

Anisan’ireo kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena izay hotanterahina ny 7 novambra izao ihany koa Atoa Orlando Robimanana, lehiben’ny tahirim-bolam-panjakana teo aloha, atolotry ny antoko Madagasikara Vina sy Fanantenana.

 

 Tany Anjeva no nampahafantarany izany tamim-pomba ofisialy omaly, toerana izay manakaiky ny faritra niaviany ihany sady tsy lavitra ireo mpanohana azy eto an-drenivohitra. Nambarany fa ny fanovana ny faritra momba ny fitantanam-bolam-panjakana no imasoany voalohany raha vantany vao lany ho filoham-pirenena ny tenany. Ny 70 %-n’ny tetibola dia nohazavainy fa lany fotsiny amin’ny fampandehanan-draharaha avokoa ka ny 30 % ambiny no miverina any amin’ny vahoaka mba hananganana fotodrafitrasa. Ho an’ity farany dia nohamafisiny fa mbola hindramina any amin’ny mpamatsy vola ny ankamaroany izay handohalihantsika mihitsy ka tsy ny fanjakana intsony no mibaiko fa ry zareo vahiny. Mikasika ilay 70 %-n’ny tetibola  ka ilazana fa hanampiana ny orinasa JIRAMA dia nomarihin’Atoa Robimanana Orlando fa tsy ho an’ny JIRAMA loatra ilay 400 lavitra Ar  alaina amin’io 70 % io fa handoavana ny vidin’ny solika hampihodinana ireo groupe electrogene izay hampiasaina nefa isika nomena rano sy masoandro azo hampiasaina tsara. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ilay vola 80 lavitra Ar hividianan’ireo tompon’andraikitra ambony solika ka hananan’ny olona iray kôta hatrany amin’ny 3 tapitrisa Ar nefa tsy tokony hihoatra ny 30 lavitra Ar ny vola hatokana ho amin’izany ho antsika eto Madagasikara. Ho an’ity kandida iray ity moa dia efa voarafitra anatin’ilay boky Vina sy fanantenana ho an’i Madagasikara ny asa izay hotanterahiny, hotronin’ireo teknisiana Malagasy marobe izay nomarihiny fa tsy tokony hatositosika. Tonga nitondra am-bavaka sy nitso-drano azy teny an-toerana ireo raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana maro samihafa.

Pati

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana