Dans la mme rubrique

Lalana eto Madagasikara Simban`ny kolikoly sy ny politika

11/04/2019

Ratsy na tsy ampy fikarakarana ny ankamaroan’ny lalana na eto an-drenivohitra na any ambanivohitra amin’ireny lalam-pirenena maro samihafa ireny ankehitriny.

Lalana eto Madagasikara Simban`ny kolikoly sy ny politika

Hamaky ny tohiny...

Sahirana ara-bola ny fanjakana Roahina ny mpiasa, mifehy kibo ny ministera

10/04/2019

Noresahina nanomboka teo amin’ny fitsanganan’ny governemanta tao anatin’izao fanjakana Rajoelina izao ny 23 janoary ny mahakasika ny politikan’ny fitsitsiana, antony nampihenana ireo mpikambana ho 22 raha 31 izay tany aloha.

Sahirana ara-bola ny fanjakana Roahina ny mpiasa, mifehy kibo ny ministera

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara sy Senegal Hitadiavan’i Lafrantsa tombony ara-toekarena indray…

08/04/2019

Tsy hisy akony akory amin’ny toekaren’i Madagasikara ny fandehanan’ny filoha Malagasy tany Sénégal.

Madagasikara sy Senegal Hitadiavan’i Lafrantsa tombony ara-toekarena indray…

Hamaky ny tohiny...

Fanaovana kolikoly avo lenta Matahotra miteny ny mpanao gazety

05/04/2019

Misy ny mpanao gazety mahafantatra ny fisian’ny kolikoly ary mahalala mihitsy ny olona manao izany saingy misafidy ny hangina noho ny tahotra,

Fanaovana kolikoly avo lenta Matahotra miteny ny mpanao gazety

Hamaky ny tohiny...

SALON DE MASSAGE Manimba ny tovovavy Malagasy, karazana fivarotan-tena an-kolaka

04/04/2019

Asa iray anisan’ny tena mahazo vahana eto amintsika ankehitriny ny “Salon de massage”. Hanotra ireo mpanjifa reraka na te haka aina kely no tena hatao amin’izany saingy mivadika ho zavatra hafa rehefa tonga any amin’ilay tsy eritreretina. Lasa miafara any amin’ny firaisana ara-nofo mantsy izy io, endrika fivarotan-tena an-kolaka.

SALON DE MASSAGE Manimba ny tovovavy Malagasy, karazana fivarotan-tena an-kolaka

Hamaky ny tohiny...

Fanatontoloana Mahazo tombony be i Sina

02/04/2019

Tsy azo ihodivirana ny fidirana amin’ny fanatontoloana amin’izao fotoana izao. Matetika sady hita soritra anefa fa ny firenena tena matanjaka no misitraka ny tombony ary saika matiantoka hatrany ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara.

Fanatontoloana Mahazo tombony be i Sina

Hamaky ny tohiny...

Fenitra momba ny harena ankibon’ny tany Mbola mila ezaka i Madagasikara

01/04/2019

Nisy ny fanatontosana atrikasa fampiofanana momba ny fenitra EITI sy fanolorana ny tatitry ny tomban'ezaka ho an'ny taona 2017 teny amin'ny Mining Business Center, Mamory Ivato ny alakamisy lasa teo.

Fenitra momba ny harena ankibon’ny tany Mbola mila ezaka i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola Marc Gérard no solontena vaovaon’ny FMI

22/08/2018

Omaly talata 21 aogositra no nanatanteraka fitsidihana an-dRamatoa minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona tetsy amin’ny biraony tetsy Antaninarenina ny solontena vaovaon’ny tahirim-bola Iraisam-pirenena, Atoa Marc Gérard.

 

 

 

Nivoitra tamin’ny dinidinika natao tao ny dingana efa nataon’i Madagasikara mahakasika ny tetikasa FEC fahatelo (Facilité Elargie de Crédit) izay efa neken’ny filankevi-pitantanan’ny FMI ka nahazoana famatsiam-bola mitotaly 44,25 tapitrisa dolara na 145 772 775 000 Ariary (1dolara=3294,3Ar). Noresahana tao ihany koa ny momba ny fanomanana ny FEC andiany fahefatra izay hanatanterahan’ny FMI ny asa fitarafana manokana ka handalovan’i Madagasikara fanadinana indray amin’ny tapatapaky ny volana septambra. Raha momba ity solontenan’ny FMI vaovao ity dia mpahay toekarena efa niasa tao amin’ny sampandraharaha fitantanam-bolam-panjakana tany Côte d’Ivoire  sy tany Georgie nandritra ny 10 taona izy.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana