Dans la mme rubrique

Olan’ny fandraharahana eto Madagasikara Manampy trotraka ny ataon’ny fadin-tseranana

18/01/2019

Misedra olana goavana ny sehatra fandraharahana hoy i Randriamampionona Joseph Martin na i Dadafara amin’izao fotoana izao.

Olan’ny fandraharahana eto Madagasikara Manampy trotraka ny ataon’ny fadin-tseranana

Hamaky ny tohiny...

Fifandraisana ara-toekarena maneran-tany Tokony hahay maka tombontsoa i Madagasikara

18/01/2019

Tsy maintsy mahay mifandray amin’ireo firenena avy any ivelany i Madagasikara, indrindra ny amin’izao fotoanan’ny fanatontoloana izao.

Fifandraisana ara-toekarena maneran-tany Tokony hahay maka tombontsoa i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ampitatafika Hisy fananganana orinasa maromaro ato ho ato

18/01/2019

Nanana olana hatrany ny kaominina Ampitatafika hatramin’izay noho ny fitohanana mampalaza ity faritra ity ka tsy mahasarika ireo mpandraharaha hampiasa ny volany eny an-toerana.

Kaominina Ampitatafika Hisy fananganana orinasa maromaro ato ho ato

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Malagasy Salone sy Somacou Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny ANMCC

15/01/2019

Ny vokatry ny fandalinan’ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momban’ny fifaninanana (ANMCC) dia namoaka ny taha fanatataovana haban-tseranana ho an’ny fanafarana paty, savony ary bodofotsy avy any ivelany izy ireo.

Orinasa Malagasy Salone sy Somacou Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny ANMCC

Hamaky ny tohiny...

Fianarantsoa Azo hanaingana ny toekaren’i Madagasikara

15/01/2019

Nifaly havanja sy nitotorebika ary nikorana ireo zanaky ny faritra dimy dia Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Ihorombe, Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania izay mandrafitra ny faritanin’i Fianarantsoa tamin’ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny Espace Myrah Ambatomaro.

Fianarantsoa Azo hanaingana ny toekaren’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Paty, savony, bodofotsy avy any ivelany Hotataovana haban-tseranana

14/01/2019

Hanomboka ny talata 15 janoary ho avy izao dia hotataovana haban-tseranana ny fanafarana paty, savony ary ny bodofotsy avy any ivelany, hoy ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momba ny fifaninanana (ANMCC) tamin’ny sabotsy 12 janoary lasa teo tetsy amin’ny foiben-toerany Antanimena.

Paty, savony, bodofotsy avy any ivelany Hotataovana haban-tseranana

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara Ilàna mpitondra feno fahasahiana

11/01/2019

Nanambara ireo tanora mivondrona ao amin’ny vovonana iraisan’ny fikambanana silamo fa raha tiana ho tojo fampandrosoana haingana i Madagasikara dia tsy maintsy manana fahasahiana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny mpitondra.

Fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara Ilàna mpitondra feno fahasahiana

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Fanadihadiana atao amin’ny renim-pianakaviana Hiantraika amin’ny fanapahan-kevitra ara-toekarena

09/08/2018

Omaly alarobia 8 aogositra no nampahafantarina tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny teti-pivoarana ny fisian’ny fanadihadiana nasionaly voalohany atao amin’ny renim-pianakaviana anatin’ny tokantrano miisa 21 000 eto Madagasikara.

Ho fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny drafitra nasionaly ho amin’ny fampandrosoana no antony hanaovana ity fanadihadiana ity. Ny banky iraisam-pirenena sy ny tahirim-bolan’ny firenena mikambana ho an’ny zaza (UNICEF) ary ny masoivoho amerikanina ho amin’ny fampandrosoana (USAID) no mamatsy ny vola ary miara-miasa amin’ny minisitera sy ny INSTAT. Tsy afa-misaraka ny fampiroboroboana ara-toekarena sy ny fampandrosoana miainga amin’ny tokantrano tsirairay. Amin’ny ankapobeny anefa dia ny renim-pianakaviana no mahafantatra ny pitsopitsony sy ny antsipirihany ao na amin’ny sehatra fahasalamana na fanabeazana na ny fandaniana atao isan’andro. Izany no antony anaovana ny fanadihadiana miainga amin’ny reny satria hofantarina koa ireo mitondra vohoka sy miteraka aloha loatra. Hojerena ihany koa ny lanjan’ireo zaza latsaky ny 5 taona, ny isan’ny ankizy tsy mandeha an-tsekoly ao an-tokantrano ary  ny kalitaon’ny rano fisotro misy ao. Rehefa azo ny tarehimarika sy ny tahirin-kevitra rehetra ataon’ny mpanao fanadihadiana miisa 180 dia hisy ny politika hatsangana hampiakarana ny tarehimarika miiba sy ambany rehetra. Iaraha-mahalala hatrany anefa fa ho matroka ny tarehimarika ho azo eo saingy fanadihadiana atao hahazoana famatsiam-bola no hotanterahina ka tsy maintsy alefa foana.

Tsirinasolo

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana