Dans la mme rubrique

Banky foiben’i Madagasikara Manao pi-maso amin’ny mpamatsy vola

13/08/2018

Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny “conseil de ministre” farany teo ka nivoizana ny resaka “recapitalisation” an’ny banky foiben’i Madagasikara. Rehefa miresaka banky foibe anefa dia ny fanjakana avy hatrany no ao an-tsaina ka raha izany no misy dia ny maha-fanjakana mihitsy no mampametram-panontaniana hoe mbola afaka atao ve ny mifampiraharaha aminy (crédibilité).

Banky foiben’i Madagasikara Manao pi-maso amin’ny mpamatsy vola

Hamaky ny tohiny...

Indostria manodim-bokatra Mbola maro ireo sakana eto Madagasikara

13/08/2018

Raha te hiroso tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny Indostria Madagasikara dia tsy maintsy manana vahaolona maharitra ny amin’ny sehatra angovo.

Indostria manodim-bokatra Mbola maro ireo sakana eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Vehivavy mpandraharaha Malagasy Mbola vitsy no misehatra amin’ny angovo

10/08/2018

Omaly alakamisy 09 aogositra no natao tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny atrikasa fampiofanana voalohany ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) eo amin’ny sehatry ny angovo.

Vehivavy mpandraharaha Malagasy Mbola vitsy no misehatra amin’ny angovo

Hamaky ny tohiny...

Herinaratra Mila havaozina ny fitaovana sy ny fitantanana azy

10/08/2018

Miverina indray ny fahatapahana herinaratra matetitetika eto an-drenivohitra na dia tsy mitsaha-miakatra aza ny vidin-jiro.

Herinaratra Mila havaozina ny fitaovana sy ny fitantanana azy

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahana an-tsokosoko ny ala Ho henjana ny sazy ho an’izay tratra

10/08/2018

Nampahafantarina omaly alakamisy 09 aogositra tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny atrikasa momba ny politika vaovao hifehezana ny ala sy ny fambolen-kazo eto Madagasikara.

Fitrandrahana an-tsokosoko ny ala Ho henjana ny sazy ho an’izay tratra

Hamaky ny tohiny...

Famoronana na fanafoanana vola taratasy Miankina amin’ny zava-misy amin’ny firenena

08/08/2018

Arakaraka ny zava-misy amin’ny firenena no handraisana fanapahan-kevitra amin’ny famoronana na fanafoanana ny vola taratasy mivezivezy.

Famoronana na fanafoanana vola taratasy Miankina amin’ny zava-misy amin’ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Teratany vahiny Manomboka mandao tsimoramora an’i Madagasikara

07/08/2018

Tsy fantatra intsony na fialantsasatra na tahotry ny korontana mety hitranga amin’ny fotoam-pifidianana fa toa nivoaka moramora ireo vahiny monina eto Madagasikara.

Teratany vahiny Manomboka mandao tsimoramora an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fidirana mpiasam-panjakana Zary toerana natokana ho an`ny manan-katao

09/08/2018

Tsy afenina intsony fa misy ny kolikoly amin’ny fidirana ao amin’ny ENAM, ENMG, INFA…

Tsy vitsy tokoa ireo mitaraina eny amin’ireo fanadinana hiditra mpiasam-panjakana no resahina (mpitsara, mpiraki-draharaha, polisy, doanina, fananan-tany, hetra ...). Inona tokoa no mahatonga ny tanora hiditra ho mpiasam-panjakana ? Raha ny lojika, ny  lalàna velona no mifehy ny mpiasam-panjakana, noho izany dia mahatsiaro ho milamin-tsaina ireo mpiasa satria mitombina kokoa. Raha any amin’ny sehatra tsy miankina mantsy dia tsena ny asa, rehefa tsy afa-po ny mpampiasa dia mandroaka. Mila manaja ny lalàna fotsiny ny orinasa toy ny fampandrenesana mialoha ny fandroahana. Ny any amin’ny fanjakana, sarotra ny mandroaka mpiasa. Eo ireo mihevitra te hanan-karena vetivety. Mitotongana mantsy ny fomba fiasa eny amin`ny minisitera sy ireo sampandraharaham-panjakana ka miharihary ny kolikoly. Tsy mahagaga raha betsaka no manao kolikoly sy afera amin’ny fanadinana eny amin’ny ENMG satria misy no mihevitra fa rehefa lasa mpitsara dia tsy azo kitikitihana na gadraina, mora manankarena… Zary toerana natokana ho an’ny manan-katao ihany koa ny ENAM. Hita taratra io rehefa fantarina ny fianakavian’ny afa-panadinana, indrindra rehefa rakotra fiara raitra ny tokotanin-tsekoly mandritra ny fotoana fianarana. Etsy an-daniny, tsy mitsahatra miakatra ny isan’ny mpiadina amin’ireo sekoly ireo. Te ho mpiasam-panjakana avokoa ny olona ary tsy misafidy asa ny tanora ka na ambony miohatra ny fari-pahaizana takian’ilay asa aza no ananany dia atao ihany. Rehefa tafiditra dia ampy. Io toetsaina «zara raha tafiditra» io no entin’ny tanora malagasy mitady asa ankehitriny. Mila miezaka ny mpiasam-panjakana rehetra hanao ny asany amin-kitsim-po ka hanaja ny lalàm-pitondrantena sy ny haiadidy (éthique et déontologie) ary hanaja ny tsiambaratelon’ny raharaham-panjakana. Mila atao ara-dalàna ny asa satria volam-bahoaka no hanakaramana antsika. Mila hajaina koa ny toeram-piasana fa tsy voatery hiandry tetibola fanampiny vao hanolo ny zavatra madinidinika ao am-piasana sy hanatsarana ny toeram-piasana.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana