Dans la mme rubrique

HAFARI Malagasy Hizara tany eny Antanandrano

26/10/2020

Hiverina amin’ny heriny tanteraka ny Fikambanana HAFARI Malagasy tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina taorian’ny fihibohana nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19

HAFARI Malagasy Hizara tany eny Antanandrano

Hamaky ny tohiny...

Hofan-trano, faktiora amin`ny vola vahiny Tsy maintsy atao amin’ny Ariary manomboka izao

26/10/2020

Ao anatin` ny lamin'ny tanjona kendreny sy ny iraka ampanaovina azy, dia mampahafantatra ny Banky Foiben`i Madagasikara (BFM) amin` ny fametrahana ny fifanarahana fifanarahana fampanofana sy faktiora ary ny fandoavana izany amin`ny ariary.

Hofan-trano, faktiora amin`ny vola vahiny Tsy maintsy atao amin’ny Ariary manomboka izao

Hamaky ny tohiny...

Lehilahy mamo lava Darohany ny vadiny, navariny an-tevana ny zanany

26/10/2020

Raim-pianakaviana iray mpamono vady aman-janaka isan’andro no voatery naiditra am-ponja vonjimaika tany Antsahabary Soavinandriana Itasy ny faran’ny herinandro teo.

Lehilahy mamo lava Darohany ny vadiny, navariny an-tevana ny zanany

Hamaky ny tohiny...

Faritra Atsimo Mifampiankina ny fiarovana ny ala sy ny famatsiana rano

26/10/2020

Manana velarana ala voajanahary midadasika ahitana karazam-biby maro toy ny vorona, varika ary bibilava ny Faritra arovana Tsitongambarika.

Faritra Atsimo Mifampiankina ny fiarovana ny ala sy ny famatsiana rano

Hamaky ny tohiny...

Amboasary Atsimo Manomboka ny fanisana ireo tena marefo ara-tsakafo

23/10/2020

Nanomboka ny alarobia 21 Oktobra teo ny fanisana ireo olona izay tena ianjadian'ny tsy fahampian-tsakafo ao amin'ny Kaominina Amboasary Atsimo, faritra Anosy.Miara-manatontosa izany ireo mpiasan'ny fahasalama miisa 38, miaramila 38 , Croix Rouge 19 ary mpanaramaso 10.

Amboasary Atsimo Manomboka ny fanisana ireo tena marefo ara-tsakafo

Hamaky ny tohiny...

CMH – Antananarivo renivohitra 451 ireo fandikan-dalàna tao anatin’ny iray volana

23/10/2020

Nitohy tetsy amin`ny lapan`ny tanàna Analakely ny fampiofanana izay nataon` ny CUA mikasika ny fampahafantarana sy fampatsiahivina ireo fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikolokolom-pahasalamana (CMH) izay andiany fahaefatra.

CMH – Antananarivo renivohitra 451 ireo fandikan-dalàna tao anatin’ny iray volana

Hamaky ny tohiny...

Tantsaha eny ifotony Nangataka toerana hahafahany mivarotra vokatra bio

23/10/2020

Efa mifangaro be eny an-tsena amin’izao ireo karazam-bokatra nampiasana ny akora simika sy ireo tena mbola bio (voajanahary) na tsy nampiasa akory simika hoy isika.

Tantsaha eny ifotony Nangataka toerana hahafahany mivarotra vokatra bio

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Vono olona sy fanolanana Faty 2 nariana teny Tanjombato

04/08/2018

Olona roa izay lehilahy sy vehivavy no indray hita faty teny amin’ny Ranon’Ikopa teny amin’ny fefilohan’i Soavina manakaiky an’i Tanjombato omaly vao maraina.

 Ilay lehilahy dia teo amoron-drano ny fatiny, izay feno dian’antsy ny vatany ary niparitaka ny ra, indrindra fa ny manandrify ny lohany sy ny vavany. Ilay vehivavy kosa dia tao anaty rano, ary niboridana tanteraka, ka ny kibony sy ny nonony ary ny tanany no tena nipoitra, fa ny lohany kosa nilentika tao anaty rano. Rehefa nakarina ny razana, dia nahitana dian'antsy ihany koa tandrifin'ny fony rehefa avy nobatain'ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpitsabo avy ao anaty rano. Tombanana ho avy naolana izy io, izay vao notaperina ny ainy. Nahavory olona maro izay liana tamin’ny zava-nisy ity zava-doza ity, saingy tamin’ny ankapobeny dia tsy dia nisy nahalala firy ireto olona novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ireto. Nisy ihany feo nivoaka fa mpivady izy ireo ary mipetraka eny Anosibe, saingy tsy mbola tena voamarina tamin’ny fotoana nanoratana. Nalain’ny fiara mpitondra marary teny an-toerana ireo razana ary nentina natao fizahana any amin’ny hopitaly. Mampametra-panontaniana ity zava-doza mahatsiravina ity : nendahina ny alina ve izy ireo avy eo novonoina ? Mbola hita teny amin’ny tanan’ilay vehivavy anefa ny vangovango na “bracelet” heverina ho volafotsy, izay toa mandefa ny saina hieritreritra ho vono olona niniana natao noho ny resaka valifaty na lonilonim-piarahamonina izy ity. Andrasana izay ho tohin’ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana manoloana ity zava-doza  ity.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana