Dans la mme rubrique

Fifanandrinana politika Iza no tena mahazo tombotsoa ?

26/10/2020

Tsy misy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny raharaham-pirenena, ankehitriny.

Fifanandrinana politika Iza no tena mahazo tombotsoa ?

Hamaky ny tohiny...

Plateau Mahafaly Mangataka ho faritra faha-24

26/10/2020

Raha an-dalana ny fametrahana ny faritra faha-23 amin` ny fizarana ho faritra roa Vatovavy sy Fitovinany dia mitohy hatrany ny fangatahana sasany amin` ny fametrahana faritra faha-24.

Plateau Mahafaly Mangataka ho faritra faha-24

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Nalefa an-tsokosoko any Maorisy ny entan’ny Tiko”

26/10/2020

Misy tamin’ireo fitaovana tao amin’ny ozinin’ny TOP (Tiko Oil Product) sy ny Margarinerie Toamasina re fa lasa any amin’ny nosy Maorisy, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly nandritra ny fandaharana manokana nandeha tamin’ny haino aman-jery.Fitaoana avy any Allemagne izy ireo,

Hanitra Razafimanantsoa “Nalefa an-tsokosoko any Maorisy ny entan’ny Tiko”

Hamaky ny tohiny...

Tsihombe Vita ny fametrahana samboadin` ireo ben' ny tanàna

26/10/2020

Taorian` ny fametrahana samboady an` ireo ben` ny tanàna voafidy tao amin'ny distrikan' Ambovombe dia anjaran` ny disitrakan` Tsihombe indray no nanatanterahana izany.

Tsihombe Vita ny fametrahana samboadin` ireo ben' ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

23/10/2020

Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy ny hahazoan`izy ireo fisotron-dronono ny solombavambahoakan`i Madagasikara.

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

23/10/2020

Ny fokonolona amiko no fototra iaingan’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Marie Michel Robivelo, izay mamita “doctorat” momba izany.

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

23/10/2020

Mitentina 1,8 miliara ariary ny tetibola ilaina amin` ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao. Raha ireo tetiandro voaray hatrany dia ny 29 oktobra izao no mivoaka ny lisitra farany ireo kandidà izay miisa 14 hatreto.

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandida mampiasa volabe Ahiana hanakorontana vao tsy lany eo

04/08/2018

Tsy misy resaka ny fanaraha-maso ny vola hampiasain’ny kandida amin’ny fifidianana, ary tsy resahina intsony ilay soso-kevitra hametra ny vola azo ampiasaina, izay tokony hatao lalàna.

 

Mazava ho azy fa tsy hitovy mihitsy ny herijikan’ny kandida ao anatin’io satria hisy ny hampiasa volabe ary ao kosa ny eo ho eo ihany ary misy ny tsy dia hanana hatoraka. Tsy mbola ao anatin’ny propagandy anefa isika amin’izao fotoana dia efa tena mifafifafy ny vola, ka tsy fantatra intsony izay hitranga rehefa tena raikitra tokoa. Fa vola avy aiza ilay atao fafy katrana hividianana vahoaka hifidy ? Korontana tsy hifankahitana no aterak’io fampiasana volabe io satria tsy hipetra-potsiny ireo tsy lany noho ny volabe efa natontony tao, fa hanakorontana raha tsy homena seza. Aiza ho aiza ny sampandraharaha mpanara-maso ny famotsiam-bola na ny SAMIFIN ? Na inona na inona holazaina, misy tsy mangarahara ny loharanom-bolan’ireo kandida sasany, ary tsy tongatonga ho azy, ohatra, ny fitoriana napetrak’i Pety Rakotoniaina sy ny HFI mahakasika an’i Andry Rajoelina, izay lazain’izy ireo fa tsy mendrika ny hitondra firenena intsony satria sady mpangalatra no mpangoron-karena. Mba hisy hihaino sy hiraharaha ve ireny fitoriana ireny ? Toa efa maromaro ihany mantsy ny fitoriana mahazo ny olona ambony, toy ny nataon’ny depiote 73 ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier noho ny resaka kolikolin’i Claudine Razaimamonjy tokony hahasaringotra azy saingy tsy voakitika ny tenany. Ankehitriny, malaza fa manam-bola be izy ary ho kandida. Vitavita ho azy izany ny fitoriana. Misy ilana azy ve ilay Fitsarana ambony na ny HCJ hitsara ireo tompon’andraikitra ambony sa rafitra takian’ny lalàmpanorenana sy ny mpamatsy vola dia mba natsangana fotsiny ? Hahavita hanara-maso an’io ve ny CENI?


Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana