Dans la mme rubrique

Taranja matematika Hampidirina kokoa amin’ny nomerika

17/07/2019

Ny 16 ka hatramin’ny 25 jolay izao no hotanterahana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo,

Taranja matematika Hampidirina kokoa amin’ny nomerika

Hamaky ny tohiny...

Anjerimanontolo « Miroso mankany amin`ny avo lenta”

09/07/2019

Tontosa ny faran`ny herinandro lasa teo ny fametrahana amin`ny toerany ny filohan`ny oniversiten`i Fianarantsoa amin`ny alalan`ny Dr Rafamantanantsoa Andrainjato.

Anjerimanontolo « Miroso mankany amin`ny avo lenta”

Hamaky ny tohiny...

Gédéon Rajaonson “Mila harenina haingana ny lesoky ny fampianarana”

24/06/2019

Tsy mahatratra 3% akory ny Malagasy mianatra eny amin’ny ambaratonga ambony raha toa ka mihoatra ny 70%-n’ny japoney no mandranto fianarana eny amin’ny Anjerimanontolo, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena.

Gédéon Rajaonson “Mila harenina haingana ny lesoky ny fampianarana”

Hamaky ny tohiny...

Ambaratonga ambony Mila vola sy fitaovana ny fampiharana ny rafitra LMD

10/05/2019

Raha ny ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika dia mitotaly 280 ireo oniversite ara-dalàna eto Madagasikara ary miisa 1065 ireo fampianarana azo atao eny amin’ny anjerimanontolo eny.

Ambaratonga ambony Mila vola sy fitaovana ny fampiharana ny rafitra LMD

Hamaky ny tohiny...

Sekoly ambaratonga ambony tsy manara-dalàna Hiha-mafy ny fanara-maso sy ny fitsirihana…

06/05/2019

Mitombo isan-taona ireo ankizy afa-panadinana bakalorea kanefa tsy ho tafiditra ao amin`ny oniveristem-panjakana avokoa izy ireo.

Sekoly ambaratonga ambony tsy manara-dalàna Hiha-mafy ny fanara-maso sy ny fitsirihana…

Hamaky ny tohiny...

Sekoly advantista Soamanandrariny Tetikasa lehibe no mariky ny faha-80 taona

03/05/2019

Hankalazaina ny alahady 5 mey izao ny faha-80 taonan’ny sekoly advantista Soamananandrariny. Hisy, araka izany, ny fampahafantarana ireo tetikasa fanamarihana ny fankalazana toy ny fanorenan-trano, fanatsarana sehatra samihafa, ary ny laboratoira ao amin’ny sekoly.

Sekoly advantista Soamanandrariny Tetikasa lehibe no mariky ny faha-80 taona

Hamaky ny tohiny...

Fampiroboroboana ny asa fitsaboana sy ny fampianarana Nanome 793 tapitrisa Ariary i Japon

26/03/2019

Fifanaraham-piraha-miasa mahakasika ny sehatra fampianarana sy fahasalamana miisa 3 no nosoniavina tetsy amin’ny Masoivohon’i Japon Ivandry omaly alatsinainy 25 martsa.

Fampiroboroboana ny asa fitsaboana sy ny fampianarana Nanome 793 tapitrisa Ariary i Japon

Hamaky ny tohiny...


Fampianarana

Fanabeazana Tsy moramora ny asan`ny mpampianatra

02/08/2018

Anisan’ireo mijaly indrindra amin’ny mpiasam-panjakana eto Madagasikara ny mpampianatra.

 Rariny raha maneho ny fitakiany izy ireo. Mola tsinjovina kosa ny fandrantoana fahalalana ho an`ireo ankizy vao misondrotra. Sarotra sady mandreraka ny fampianarana, saingy fahafaham-po sy fifalian’ny mpampianatra hatrany ny fahitana ireo ankizy dodona hianatra sy mihamahay.

Mpampianatra an-tapitrisa eran-tany no mifikitra amin’io asa nofidiny io, na dia eo aza ny olana sy ny tsy fahombiazana ary ny fahadisoam-panantenana. Ary inona no mahatonga mpianatra an’arivo hilofo ho mpampianatra, nefa fantatr’izy ireo fa mety tsy hahazo ny fankasitrahana mendrika azy akory izy ? Nahoana izy ireo no tsy kivy ?

Kely karama

Rariny raha manao fitakiana ny mpampianatra. Izy ireo no mpiasam-panjakana kely karama indrindra eto amintsika. Nilaza kosa ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena fa tsy izy no tompon`ny fanapahan-kevitra sy famaritana ny fampitoviana ny mari-karama. Tsy toy ny mpiasam-panjakana hafa, izay na kely karama aza botrabotra amin’ny kolikoly, ireo mpampianatra. Izy ireo anefa no tena miantoka ny ho avin’ity firenena ity. Malagasy avokoa ny 99 %-n’ny mpampianatra eto Madagasikara ary izy rehetra ireny no mamolavola ny zaza ho tafita sy ho lasa olom-banona. Tsy misy mpitondra malagasy, na iray aza, sahy hilaza fa tsy mpampianatra malagasy no nitari-dalana sy nizara fahaizana tamin’izy ireo hatramin’ny fahakeliny. Ireny mpampianatra mafy ady kely ireny no nizara ny fahaizana sy ny ron-dohany ary nampita izay tsara ho fantatra rehetra izay ny zaza malagasy vao tonga tany amin’ny ambaratonga ambony, sy ihany koa afaka nanohy fianarana tany andafy.

 

Mpampianatra FRAM mikarama 35 000 Ariary

Kely ny karama raisin’ny mpampianatra Fram isam-bolana ary misy mihitsy izy ireo no tsy mandray indraindray, indrindra ireo mpampianatra any ambanivohitra. Iray hetsy isam-bolana ny fanampiana azon’izy ireo ary misy fotoana tsy mandray mihitsy. 35 000 ariary no mba raisin’ireo any ambanivohitra isam-bolana. Misy ary ireo mikarama vary amin’ny daba rehefa tsy misy vola omena azy ireo, misy koa haninkotrana no atao tsipaipaika omena ireo mpanabe. Miteraka olana amin’ny fampianarana any amin’ny tontolo ambanivohitra anefa izy io indraindray satria misy ireo ray aman-dreny tsy manana vokatry ny tany atolotra ny mpampianatra ka ireo ankizy no mizaka ny vokany satria tsy alefan’ny ray aman-dreniny mianatra.

 

Asa sarotra

Manazava ny asany amin`ny maha mpampianatra teny frantsay amin`ny lisea Talatavolonondry i Dina Razafindrabe. Mitazona kilasy miisa 5 ny tenany : TC/TD/TA sy  1ereA/D. Henjana ny fiomanana na preparation, hoy izy. Tsy maintsy mamita programa ary  manokana fotoana amin`ny “preparation” aty an-trano. Tsy maintsy manao “chronogramme” satria ny ao an-trano koa mbola miandry. Tena sahiran-tsaina matetika fa miezaka mitady fialamboly hatrany. Mandany andro ny “preparation” saingy ny isan'andro tsy vitako fa matetika alohan’ny fidirana ary miova arakaraka ny zava-misy. “Repartition annuelle” izay ataoko mandritra ny taona amin`ny fanarahana ny programa, ny fanazarana eritreretiko atao sy ny lahatsoratra ampiasaiko mety misy fiovana arakaraka ny zava misy. Ohatra tamin`ny valanaretina  pesta teo izao dia tsy maintsy nanova ny programan`asako aho mba hahafahako manaja ny “chronogramme”. Momba ny fitaovana dia voafetra na ho an'ny ankizy na ho anay mpampianatra. Indraindray manahirana ilay mindrana boky hoentina mody. Miezaka hatrany aho mitady zava-baovao ho an`ireo mpianatra amin`ny alalan`ny aterineto nefa sahirana vao afaka manao “projection”. Mba te hivoatra ny tena dia tsy maintsy mitady hevitra foana saingy tsy dia misy tetibola manokana amin`izany. Mahakasika ny fahaizan`ny ankizy amin`izao dia tena ambany be ny fahaizan`izy ireo.


Asa masina

Tsy asehon’ny mpampianatra sasany hoe sarotra ny fampianarana. Betsaka anefa ny vato misakana tsy maintsy atrehina amin’io asa io. Be loatra ny mpianatra ao an-dakilasy, ny taratasy be dia be tsy maintsy fenoina, ny filam-baniny ataon’ny mpiasa birao sy ny mpianatra tsy miraika, ny karama varimasaka. Ny mpampianatra no mametraka ny fototra tena ilaina amin’ny fanabeazana ny olona. Na dia ny profesora mahay indrindra any amin’ny oniversite fanta-daza indrindra aza, dia mahatsapa fa tena nanampy azy ny mpampianatra azy taloha. Ireny mpampianatra ireny mantsy no nandany fotoana sy hery namelona sy nikolokolo ny fanirian’izy ireo hanabe, hanovo fahalalana, ary hanana fahaizana. Nahoana kosa ny olona no te ho mpampianatra ? Nilaza izany toy izao i Dina, mpampianatra any amin’ny EPP Andramasina. “Tsy mora mihitsy izany hoe mpampianatra izany. Ilana fahafoizan-tena be izany. Na dia tsy mora aza anefa ny asan’ny mpampianatra, dia mbola heveriko fa mahafa-po kokoa noho ny asana mpandraharaha izy io.” Nanambara ny heviny i Felana, mpampianatra EPP etsy Soavina fa “Nifidy ny fampianarana ho anton’asa ny ankamaroan’ny mpampianatra, satria asa fanasoavana io. Fandavan-tena hanova tanteraka ny fiainan’ny ankizy ny fampianarana”. Nanazava i Inna, mpampianatra ny teny frantsay ao amin`ny CEG Kiangara, hoe : “Mahafinaritra ny mahita ny mpianatrao taloha lasa olon-dehibe sy ny mandre azy ireo milaza fa tena nilainy ny zavatra nianarany taminao. Marisika erỳ ny tena rehefa milaza ny ankizy fa tsy hadinony ny taona maro niarahany taminao.”

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana