Dans la mme rubrique

Minisitry ny atitany “Miandry kely aloha ny fampiharana ilay satan’ny mpanohitra”

17/07/2019

Noheverina fa tsy hisy intsony ny sakantsakana mahakasika ny fanoherana eto Madagasikara ka hisy amin`izay ny fifandanjan-kery eto amintsika.

Minisitry ny atitany “Miandry kely aloha ny fampiharana ilay satan’ny mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Depiote Dr Fiarovana Lovanirina “Mila hatsaraina ny lalàna momba ny fahasalamana”

17/07/2019

Anisan’ny andrim-panjakana iankinan’ny aim-pirenena ny antenimieram-pirenena.

Depiote Dr Fiarovana Lovanirina “Mila hatsaraina ny lalàna momba ny fahasalamana”

Hamaky ny tohiny...

Distrikan` i Mahabo Mangataka ny fijerena ny solombavambahoakany

17/07/2019

Nidina an-dalambe ny mponina tao amin`ny distrikan`i Mahabo mba hangataka amin’ny fitondram-panjakana hijery ny depiote voafidy tany aminy dia Raveloson Ludovic dit Leva Sydney.

Distrikan` i Mahabo Mangataka ny fijerena ny solombavambahoakany

Hamaky ny tohiny...

Niray feo ny depiote Lany 100% i Christine Razanamahasoa

17/07/2019

Lany ho filohan’ny antenimieram-pirenena Rtoa Razanamahasoa Christine, solombavambahoaka IRD ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana omaly.

Niray feo ny depiote Lany 100% i Christine Razanamahasoa

Hamaky ny tohiny...

Toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra Mbola mifanenjana ny TIM sy ny fitondrana…

17/07/2019

Ny lalàna misy momba ny satan’ny mpanohitra sy Lehiben’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera dia tsy mbola misy didy fampiharana, ka tompon’andraikitra tanteraka ny governemanta amin’ny famoahana an’io.

Toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra Mbola mifanenjana ny TIM sy ny fitondrana…

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Lasa fisolelahana ny fanaovana politika

17/07/2019

Tena mbola ao anatin’ny fianarana demokrasia sy repoblika isika izao, hoy ny mpanao politika, Dany Rakotoson. Antony dia matetika afangarontsika sy lasa bontolo ny adihevitra.

Madagasikara Lasa fisolelahana ny fanaovana politika

Hamaky ny tohiny...

Vondrona IRD Tsy maika hanendry praiminisitra

17/07/2019

Tsy mbola miditra amin`ny fanolorana ny anaran`ny praiminisitra ny vondrona IRDA amin`izao. Mandeha miandalana ny zavatra rehetra, hoy ny fanehoan-kevitra sasany.

Vondrona IRD Tsy maika hanendry praiminisitra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Jean Louis Robinson Hanohana an-dRajoelina

02/08/2018

Nambaran’ny Dr Jean Louis Robinson omaly nandritra ny famoriam-bahoaka nataon’i Andry Rajoelina nanambarany ny haha kandida azy fa nahita olona tanora, tia tanindrazana, matahotra an’Andriamanitra, ary manana traikefa, efa matotra, ary hita ny natao hatrizay, ka mendrika ny hatao kandida.

Izahay ARMADA (Alliance Républicaine de Madagascar) hatramin’izay, dia efa nilaza foana fa hanohana kandida tokana sy iraisana. Izao vao azonay ambara ho ren-tany ho ren-danitra fa izahay dia manohana an’i Andry Rajoelina ho filoham-pirenena, hoy hatrany i Jean Louis Robinson. Tsiahivina hatrany fa kandida notohanan’ny Antoko Tiako I Madagasikara ny tenany tamin’ny 2013, ary laharana voalohany tamin’ny fihodinana voalohany ary resy tamin’ny isam-bato 46,51%  tamin’ny fihodinana faharoa satria voalaza fa 53, 49% no azon-dRajaonarimampianina. Mitsimbadika tanteraka ny rasa amin’izao fotoana izao satria dia i Andry Rajoelina no isan’ny tena niady mafy sy nanao izay fomba rehetra nampandresena an-dRajaonarimampianina tamin’izany fotoana na tamin’ny fomba maloto io na madio. Samy manana ny safidy politikany anefa ny tsirairay, ary tsy atao mahagaga intsony eto amintsika ny fahavalo politika anio mety namana rahampitso, ary ny namana mety ho lasa fahavalo. Eo anatrehan’ny fitoriana nataon-dry Pety Rakotoniaina izay nitory an-dRajoelina fa tsy mendrika ho kandida, ny fahafantarako iny olona nametraka fitoriana iny izay tsy tononiko anarana, dia tsy mendrika ho azy tokoa ny hanaratsy an-dRajoelina. Ny zavatra nataony angamba tsy misy tsy mahalala, kanefa i Andry Rajoelina no nanala azy tany am-ponja, hoy kosa ny Jeneraly Camille Vital.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana