Dans la mme rubrique

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

17/07/2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly fa feno ny fepetra ahafahana mampitondra ny anaran’ny lalana manoloana ny kianjan’Alarobia izay mifanjohy amin’ny lalana Ranaivo Paul sy Andriatsihoarana ho lalana Zafy Albert.

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

Hamaky ny tohiny...

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

17/07/2019

Hankalazaina isaky 18 jolay ny andro ho an’i Mandela na ny « Mandela Day » araka ny fanapahana nataon’ny UNESCO tamin’ny 18 jolay 2009,

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

17/07/2019

Niditra tamin’ny andiany fahefatra tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny fivorian’ireo komity anatiny misahana ny fanajariana ny tetikasa momba ny fanatsarana ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina (TatoM).

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

17/07/2019

Hatao tanàna mpirahavavy ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny tanànan’i Jerosalema any Israel, raha araka ny vinavina.

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

Hamaky ny tohiny...

Faha-60 taonan’ny mpandraharaha ny fonja Ho tapaka ny lalana

17/07/2019

Mba hampirindra tsara ny fankalazana ny faha-60 taona niorenan’ny fandraharahana ny fonja malagasy anio dia mampandre ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny

Faha-60 taonan’ny mpandraharaha ny fonja Ho tapaka ny lalana

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Betsiaka sy Ambalan’Anjavy Baranahiny tanteraka ny fitrandrahana volamena

16/07/2019

Anisan’ny faritra sompitry ny volamenan’i Madagasikara ny Kaominina Betsiaka sy Ambalan’Anjavy anatin’ny Distrikan’Ambilobe.

Kaominina Betsiaka sy Ambalan’Anjavy Baranahiny tanteraka ny fitrandrahana volamena

Hamaky ny tohiny...

Gidragidra ara-tany Misy misompatra ny ONG Angela any Miarinarivo

16/07/2019

Nividy ny tany ara-dalàna tany amin’ny tanànan’Andranomena, fokontany Ambohinirina, distrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy ny Fikambanana ANGELA, mpanao asa soa, ny taona 1994, raha ny fanazavana azo.

Gidragidra ara-tany Misy misompatra ny ONG Angela any Miarinarivo

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fanjakana Malagasy Mandany vola mividy fiara lafo

02/08/2018

Nametraka fe-potoana ny praiminisitra ny amin’ny famerenana ny takelaka mena ho an’ny fiaram-panjakana rehetra izay nifarana ny sabotsy 28 jolay lasa teo.

 Raha ny angom-baovao farany dia 10% sisa no tsy nahavita. Ny antony, amin`izay hita hoe fiaram-panjakana no manao fampielezan-kevitra satria goragora loatra ny fitantanana ny asam-panjakana. Ny praiminisitra Ntsay Christian no nanome baiko amin`ny fanatanterahana azy ity. Taitra kosa ny ankamaroan`ny Malagasy raha nahita fa fiara hiaka farany tena raitra ary tena lafo vidy no hita mivezivezy eto amin`ny tanàna toy ny fiara marika Toyota V8, Tiguan, Duster, Peugeot 2008, Citroen C3 sy C5… Raha ny fanadihadiana natao, ny Toyota V8 dia mitentina 380 tapitrisa ariary eny amin`ireny mpivarotra fiara vaovao lehibe ireny, ireo fiara tsotra kosa tsy latsaky ny 50 tapitrisa ariary. Raha atao kajikajy tsotsotra, minisitera iray manana fiara 4x4 miisa 10 ary fiara tsotra eo amin`ny 30 isa, izany hoe manana toebola 5,3 miliara ariary. Miisa 32 ny minisitera eto Madagasikara, izany hoe manana tetibola maherin`ny 166,4 miliara ariary ny fanjakana na dia samy manatanteraka baiko ireo minisitera tsirairay avy. Kajy ambany io fa voaporofo hoe manam-bola be ny fanjakana kanefa maro ireo fitakiana azo tanterahina raha manao ny politikan`ny fitsitsiana. Nodradrain`ny fitondram-panjakana fa efa vonona hanome 155 miliara ariary amin`ireo mpampianatra izy ireo saingy tsy afaka manao mihoatra an`izay satria milaza ny mpitondra fa tsy manam-bola ny fanjakana.  Efa hatramin’ny taona 2009 no krizy ny firenena kanefa nahoana no mbola sahy nividy fiara lafo ? Porofo mitohaka amin`ny tendan`ny fitondram-panjakana ireo fiara raitra mirantiranty manerana ny nosy ary midika fa manam-bola be ity fitondrana ity. Nahoana moa ny fanjakana no afaka mividy fiara tena lafo toy ireny kanefa ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy dia miaina ao anaty fahantrana lalina ?

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana