Dans la męme rubrique

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

20/06/2019

Any amin’ny paroasin’ny fiangonana katolika akaiky no misoratra anarana ireo rehetra hanatrika ny Sorona masina hotarihin’ny

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala

19/06/2019

Mbola hiakatra CODIS indray ny 21 jona izao ilay mpisolovava tsy navela hiasa 2 taona,

Maitre Olala

Hamaky ny tohiny...

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

18/06/2019

Fatim-behivavy tokony ho eo amin’ny 18-20 taona eo no hitan’ny fokonolona teo amin’ny

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

Hamaky ny tohiny...

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FOTO-DRAFITRASA

13/07/2018

Nijery ifotony ny asa teny amin`ny seranam-piaramanidina Ivato ny filoham-pirenena omaly.


Vinavinaina amin`ny telo volana voalohany ny taona 2020 no ho vita tanteraka ny fanamboarana satria ny 60%-n’ny asa no efa vita ny mahakasika ny fanitarana ny seranam-piaramanidina.Hahazaka mpandeha 1 taitrisa isan-taona ny eny Ivato rehefa vita ny asa rehetra ary hitovy amin’ireo seranam-piaramanidina moderna maneran-tany.96 tapitrisa euros no tetibidin’ny fanitarana.Nitsidika ilay lalana mirefy 11 km mampitohy an’i Tsarasaotra amin’Ivato ihany koa ny filoha ka nanome toromarika fa atao manara-penitra tsara io lalana io.

 

FANAFIHANA TENY ANKAZOMANGA

 

Amin’ny andro atoandrobe nanahary no nanafika ny jiolahy tetsy Ankazomanga ary tsy vitan’izany fa teo imason’olona. Mpandrindra cashpoint iray no notafihan’ny telo lahy tsy miafina tarehy ary mitondra basy, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro. Nanao taingin-telo izy ireo ary nandrahona avy hatrany ny olona sy ilay taxi-phone. Lasa ny vola mitentina roa tapitrisa ariary izay mba azon’ilay mpandrindra cashpoint hatramin’ny marain’andro. Misesy arak’izany ny fanafihana ireny toerana ireny. 


OLONA NOSAMBORINA TANY BETAFO

 

Nafindra any Ankazomiriotra ireo olona izay nosamborina tao Antsahondra noho ny raharaha fitazomana an-keriny zandary sy fanimbàna fananan’olona tao Betafo. Hatreto dia ny hoe tsaho sy lainga no nitarika iny korontana iny. Ny manam-pahefana rehetra izay nanontaniana dia mitovy hatrany ny valin-teniny. Dia adala ve izany ny olona ho tezitezi-poana, indrindra fa ny olona any amin’iny faritr’i Vakinankaratra iny dia malaza ho tia filaminana. Sao kosa dia mba aorian’ny fanadihadiana lalina izay vao tokony hambara ny vokatra na tsaho na tsia ? Lasa fanambaniana ny vahoaka hatrany mantsy ny famerenana any amin’izy ireo ny tsiny isak’izay mandeha.

FANAFIHAN-JIOLAHY TENY AMBOHITRIMANJAKA

 

Notafihan’ny enin-dahy mitam-basy ny tokantrano iray teny Ambohitrimanjaka. Nifampitifitra ny tompon-trano sy ny mpanafika satria samy nanana basy. Nanao tari-dositra ireo jiolahy rehefa hitan’izy ireo fa tena sahy ben y olona tao an-trano izay nanao tifitra variraraka. Ny tranga toa izao no manintona ny saina hoe sao mba tokony halalahana ihany ny fitazomana basy ho an’ny sivily. Efa tsy vitan’ny mpitandro ny filaminana intsony mantsy ny hanara-maso ny kartie tsirairay amin’ny fampandriana ny fahalemana.

 

TSY VOAFEHY INTSONY NY ASAN-DAHALO


 Tena tsy voafehy intsony ny asan-dahalo any ambanivolo ary lasa ny samy sivily no mifampitifitra vokatr’izany. Toa izay nitranga tao Morafenobe, nalain’ny dahalo an-keriny ny tompon’omby ary noteren’ireo hitondra azy eny amin’ny valabe izay feno biby fiompy. Nisy nampandre anefa ny andrimasom-pokonolona ary dia nanao ny fanarahan-dia avy hatrany. Vao nifanena dia raikitra ny fifampitifirana, moa va tsy toa ireny any amin’ny horonan-tsary western ireny ny iainana any amin’ny faritra lavitra an’Antananarivo ankehitriny ?

KAROHANA FATRATRA I STEEVE

 

Mandeha tanteraka ny fikarohana an'i Steeve, ilay tovolahy nanao fifaninanana Pazzapa farany teo ary nangalatra vola mitentina 4000 euros an'ny zokiny. Efa mipetaka eny amin'ny biraon'ny polisy rehetra eny ny sariny sy ny taratasy fikarohana azy manerana an'ny nosy.

 

HIPOK’OLONA NY LALANA TAO TOAMASINA

 

Feno hipoka olona i Toamasina omaly tamin’izay làlana nandehanan’ny Kardinaly vaovao Tsarahazana Désiré. Niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina izany ka hatreny amin’ny katedraly katolika Ampasimazava. Zava-dehibe ho an’ny mpino katolika ny nahazoana kardinaly, indrindra koa tsy nanana an’izany i Madagasikara tao anatin’ny taona maromaro rehefa namoy ny ainy ny kardinaly telo aloha. Nandeha fiaramanidina manokana ny kardinaly Tsarahazana Désiré omaly tamin’ny fandehanany tao Toamasina raha avy aty an-drenivohitra.

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana