Dans la mme rubrique

Governemanta sy loholona Miharihary ny ady mangatsiaka

21/08/2019

Adiny fito sy fahefany teo ny fihaonana teny amin’ny Lapan’Anosikely nisian’ny fampahafantaran’ny praiminisitra Ntsay Christian ny politika ankapoben’ny fanjakana na ny PGE tamin’ny antenimierandoholona omaly.

Governemanta sy loholona Miharihary ny ady mangatsiaka

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana - CENI Haverina amin’ny laoniny ny anaran’ireo tsy tao anaty lisitra

21/08/2019

Efa eo am-pijerena ireo anaran’ny olona tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana ny eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni.

Fifidianana - CENI Haverina amin’ny laoniny ny anaran’ireo tsy tao anaty lisitra

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran`ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Tokony ho matotra amin`izay..

21/08/2019

Nantsoina haneho ny safidiny amin’izay ho ben’ny tanàna hitondra ny kaominina ny vahoaka.

Minisiteran`ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Tokony ho matotra amin`izay..

Hamaky ny tohiny...

Imbiky Herilaza “Manan-danja ny fametrahana ben`ny tanàna eto Antananarivo”

21/08/2019

“Tsy hitsara ireo zavatra efa lasa fa tokony hipetraka sy hitodika amin`ny tsaratsara kokoa isika. Mendrika zavatra tsara ny tanànan`Antananarivo amin`ny maha renivohitra azy”, hoy i Imbiki Herilaza, mpahay lalàna,

Imbiky Herilaza “Manan-danja ny fametrahana ben`ny tanàna eto Antananarivo”

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Nolanian’ny depiote TIM ho lehiben’ny mpanohitra

21/08/2019

I Marc Ravalomanana no nofidian’ireo depiote miisa 16 lany tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara ho lehiben’ny mpanohitra, araka ny fifidianana notontosaina teny amin’ny foiben’ny TIM eny Ankadivato ny 19 aogositra teo.

Marc Ravalomanana Nolanian’ny depiote TIM ho lehiben’ny mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an`Antananarivo Miainga avy amin`ny tsirairay

21/08/2019

Amin`ny ankapobeny, ny fampandrosoana dia tsy maintsy miankina amin’ny mpitondra sy ny entina. Itsy voalohany dia miandraikitra ny fanatsarana ny lafiny toekarena sy ny sosialy. Ao anatin`izany, ny fampandrosoana entin`ny mpandraharaha.

Fampandrosoana an`Antananarivo Miainga avy amin`ny tsirairay

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

21/08/2019

Lahadinika teny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny fanoherana. Tsy mbola nisy ny zavatra tena tapaka.

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina Matahotra mafy amin’ny hihemoran’ny fifidianana…

13/07/2018

Mitohy ny fampivondronan-kery mitaky fanorenana ifotony sy fampihavanam-pirenena. Tonga hatramin’ny hoe fidinanana an-dalambe aza.

Ny hita aloha dia ny HVM sy ny MAPAR no misisika hanao fifidianana amin’ny novambra izao. Misy rahateo ny fampitoviana tadin-dokanga eo amin’ny roa tonta, ary eo ihany koa ny mety ho fianteherana amin’ny rafitra isan-karazany miantsoroka ny fifidianana, izay mbola miteraka adihevitra be, ankoatra ny lalàna. Antony iray mahadodona io satria mbola maro ny mihevitra, fa hanana tombony kokoa eo amin’ny fampiasana fahefam-panjakana ny MAPAR sy ny HVM.  Fa ny tena antony goavana raha ho an-dRajoelina, dia amin’izao fotoana no mety ho ambony kokoa ny taham-panohanan’ny mpanara-dia azy na ilay antsoina hoe “cote de popularité” satria misy ny liana amin’izay mety hambarany, rehefa tsy hita popoka tao anatin’ny taona maro, ka dia mipoitra tampoka. Rehefa mandeha ny ora sy ny fotoana, dia midina io ka may ny endim-boanjony amin’izao ary miahiahy fatratra ho tratran’izay. Ho lany manja, araka ny fitenin’ny tanora Rajoelina raha mihemotra ny fifidianana na miditra amin’ilay tetezamita 2 taona. Ny tsikaritra ihany koa, dia miezaka mitady vato amin’ny sisin-tany avaratra atsinanan’ny Nosy satria be mpifidy rahateo any Mahajanga, Toamasina, Antsiranana,… ary misy otrikarena maro ihany koa mitaha amin’ny ilany atsimo. Raha vao misy olobe avy amin’ireny anefa, dia ho taraiky eo ihany koa. Ho an’ny afovoan-tany kosa, sarotra ho azy ny hahazo fandresena. Ny hevitra eto dia ny manaparitaka vato, ka tsikaritra sahady ny fisian’ny kandida mamofompofona Rajoelina na Rajaonarimampianina, izay hizarazara vato. Anisan’ny hikendrana an’io ny eto Analamanga, Vakinankaratra .

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana