Dans la mme rubrique

KIDNAPPING

12/12/2018

Manomboka mazava ny antony tsy mety mahatontosa hatramin’ny farany ny fanadihadiana momba ny kidnapping eto amintsika.

KIDNAPPING

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana

12/12/2018

Sarotra ho an’ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana, ny tsy ho lasa filoham-pirenena raha ny fanambaram-panohanana sesilany voarainy hatramin’ny omaly ary inoana fa hitohy anio sy mandra-pahatongan’ny 19 desambra.

Fifidianana

Hamaky ny tohiny...

VOTSOTRA I MALIK KARNALY

11/12/2018

Votsotra ny alin’ny alahady teo i Malik Karmaly. Nokendren’ireo olon-dratsy mpanao kidnapping ny fandehanan’ny adihevitra tao amin’ny TVM mba hamotsorana ilay karàna izay tale jeneralin’ny orinasa Habibo.

VOTSOTRA I MALIK KARNALY

Hamaky ny tohiny...

Ambohimirary

11/12/2018

Mitaraina ankehitriny ireo mponina eny Ambohimirary eny noho ny fahatapahan-drano efa ho 2 andro mahery izay.

Ambohimirary

Hamaky ny tohiny...

Ambohimirary

10/12/2018

Mitaraina ankehitriny ireo mponina eny Ambohimirary eny noho ny fahatapahan-drano efa ho 2 andro mahery izay.

Ambohimirary

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana

07/12/2018

Mitombo hatrany ary miha maro ireo mpanakanto avy amin’ny lafivalon’ny nosy nisafidy ny hiara-dia amin’ny kandida ho filoham-pirenena laharana faha 25, Marc Ravalomanana.

Marc Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

BILETA TOKANA

06/12/2018

Afaka telo andro no ho tonga ny bileta tokana vao nohafaran’ny Ceni. Miisa 10.300.000 izany ankoatra ny bileta tokana hanaovan’ny kandidà roa fampielezan-kevitra ka hozaraina amin’izy ireo tsy ho ela.

BILETA TOKANA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FITATERANA RONGONY

11/07/2018

Kamiao izay an’ny orinasa lehibe sy fanta-daza eto an-drenivohitra no fampiasan’ny olon-dratsy amin’ny fitaterana rongony. T


etsy Ambohimanambola dia efa misy olona mpiandry fotsiny izany ary atsipy avy any anatin’ny fiara ny rongony amin’ny gony. Nisy nampandre ny polisy izay nanao ny fisamborana ireo olona niaraka tamin’ny gony. Mizotra mankany amin’ny mpamily ankehitriny ny fisamborana.


TROZONA MATY TANY MANANARA AVARATRA

 

Tsy nisy tavela intsony na efa maimbo tanteraka aza ilay trozona izay hita faty teo amin’ny moron-dranomasin’i Mananara avaratra. Nihazazaka ny olona ary nifanitsa-kitro mihitsy aza ny naka ny henan’ilay biby ary hatramin’ny taolany aza dia mbola nisy naka ihany koa. Nifandimby nivezivezy teny amin’ny hopitaly nony avy eo satria nihinana poizina. Porofo tanteraka ny toa izao fa mahantra ny malagasy.

FIVORIANA ANY IVELANY

 

Ny fanatrehana fivoariana na atrikasa any ivelany no maha-maika ireo minisitra eo anivon’ny governemanta Ntsay Christian. Saika tatitra momba izany avokoa no nataon’ireo minisitra omaly tamin’ny filan-kevitry ny governemanta. Rehefa tsy izay indray dia mbola fandaminana anatiny amin’ny alàlan’ny fampahafantarana azy ireo ny asa andrasana aminy sy ny firafitry ny minisitera. Tsy dia misy antenaina firy hatreto.

FITAKIAN’IREO SENDIKA

 

Tsy nisy sendika iray izay nilaza hatreto fa voavaly ny fitakian’izy ireo. Ny paik’adin’ny fanjakana izany hatreto dia na ampiadiana an-trano avy amin’ny alàlan’ny fampiasana vola izy ireo dia mijanona hoazy ny tolona. Na koa odiana fanina tsotr’izao fotsiny. Nanapa-kevitry ny hidianan-dalambe ny fivondronam-ben’ny sendika ato ho ato ary omaly no notontosaina ny fivoriana momba izany.

TETIBOLAN’NY FIFIDIANANA

 

Ny faritra sy ny distrika indray ankehitriny no terena hitady ny vola mitentina 17 miliara ariary izay ilaina mba hahafahana manatontosa ny fifidianana. Izany dia mahakasika ny fampitomboana ny biraom-pifidianana izay tsy afaka ny mandray olona mihoatry ny 700 intsony, araky ny fanapahan-kevitry ny CENI. Niainga teto an-drenivohitra ny famoriana ireo sefo distrika sasany omaly. 

FIBAIKOANA MPAMPIANATRA

 

Tsy miainga eny amin’ny minisitera intsony ny fibaikoana ny mpampianatra. Izany no notapahan’ireo mpampianatra izay mitokona. Ireo farany koa dia nampitandrina mafy ireo izay mbola minia mampianatra sy miditra any amin’ny haino aman-jery maneho hevitra kanefa tsy nifampiresahana tamin’ireo mpitokona. Misy arak’izany ny fifampiantsiana eo amin’ireo samy mpampianatra.

FANAFIHANA TAXI PHONE

 

Lasan’ny jiolahy ny vola mitentina roa tapitrisa ariary izay an’ny mpitantana taxi-phone iray tetsy amin’ny By-Pass. Nitam-basy ireo olon-dratsy ary norahonana tamin’izany ireo olona mba hahafahana maka ny vola teny aminy. Vola maty indray andro io lasan’ireo olon-dratsy io.

ASAN-JIOLAHY TENY AMBOHIBAO

 

Trano telo no indray nasesin’ny jiolahy mitam-basy tetsy Ambohibao. Nisy ny namaly ka dia raikitra ny totohondry izay namparatra ny tompon-trano. Tao amin’ny trano iray no tena nahazo vola sy kojakoja maro ireo olon-dratsy. Lasa hatramin’ny volamena teny am-bozonan’ny tompon-trano. Basy vita gasy raha araka ny fahitàn’ny tompon-trano azy no nampiasain’ireo olon-dratsy.

ADALA NIBORIDANA TENY ANOSY

 

Nikorontana ny teny Anosy omaly noho ny fisian'ilay adala vavy izay midaroka avy hatrany sady miboridana. Tsy hitan'ny olona izay nanaovana azy satria sady mikasi-tànana izay sendra azy no koa ny mpitandro ny filaminana nijerijery fotsiny.

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana