Dans la męme rubrique

67 Ha Avaratra Nirehitra tampoka ilay fiara

28/10/2020

Fiara iray BMW X5 no nirehitra tampoka omaly atoandro teny amin’ny 67 ha avaratra raha iny avy nodiovina nosasana tsara iny.

67 Ha Avaratra Nirehitra tampoka ilay fiara

Hamaky ny tohiny...

Herinaratry ny Jirama Manimba zavatra maro

28/10/2020

Mba tsy hilazana hoe manimba fiainam-bahoaka mihitsy dia aleo tsorina amin’ny hoe manimba zavatra maro ity tsy fahatomombanan’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy ity.

Herinaratry ny Jirama Manimba zavatra maro

Hamaky ny tohiny...

Fitoroana heloka an’habaka Azo atao no manantona zandarimaria avy hatrany

28/10/2020

Tonga nizara ny fahaiza-manaony sy ny zavatra hitany sy ireo efa nampiharina hatrizay ny iraky ny Foibem-pibaikoana ny Zandarimaria sampana Ady amin'ny fandikan-dalàna an’habaka (Service des luttes contre la cybercriminalité)

Fitoroana heloka an’habaka Azo atao no manantona zandarimaria avy hatrany

Hamaky ny tohiny...

Mponina eny Ivato Mifoha amin’ny 12 ora alina haka rano

28/10/2020

Tena mijaly rano fisotro madio ny mponina eny Ivato na dia izy aza no vavahadin’Antananarivo mifandray amin’ireo tanana manodidina. Mifoha amin’ny 12 ora alina isan’andro mantsy ny mponina mandeha milaha-drano eny amin’ny paompy.

Mponina eny Ivato Mifoha amin’ny 12 ora alina haka rano

Hamaky ny tohiny...

Manarintsoa Atsinanana Trano 200 may kila, 700 no traboina

26/10/2020

Nitrangana haintrano goavana teo amin'ny Fokontany Manarintsoa Atsinanana, ao anatin'ny Boriboritany voalohany ny sabotsy 24 oktobra 2020. Atoandro be nanahary no nanomboka ny afo, niainga tamina trano hazo iray noho ny fandrehetana fatana saribao tany ambony rihana raha ny fitantaran’ny mponina teny an-toerana.

Manarintsoa Atsinanana Trano 200 may kila, 700 no traboina

Hamaky ny tohiny...

Fanodikodinam-bolan’ny ORTM Nohadihadiana koa ireo talen` ny TVM sy RNM teo aloha

26/10/2020

Raha notazomina am-ponja vonjimaika ao Antanimora nanomboka ny zoma lasa teo ny tale jeneralin` ny ORTM teo aloha, Johary Ravoajanahary, noho ny fanodinkodinam-bola tao anatin’ireny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018, izay anejehana azy,

Fanodikodinam-bolan’ny ORTM Nohadihadiana koa ireo talen` ny TVM sy RNM teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny dia an-tongotra lavareny Hianatra amin’izay ireo zanak’i Zoto

26/10/2020

Tapitra ny dia an-tongotra lavareny Hianatra amin’izay ireo zanak’i Zoto

Hamaky ny tohiny...


Actualités

FIHETSIKA MAMOAFADY IMASOM-BAHOAKA Mampigadra telo volana ka hatramin’ny roa taona

11/07/2018

Mirongatra sy mahazo vahana ankehitriny ireo mpifankatia manao fihetsika mamoafady imasom-bahoaka. Any amin’ireo toerana mitokana sy mangina no tena ahitana betsaka azy ireny.

 
Aninisan’ny voakasika ihany koa ny ao anaty fiara, indrindra fa ny harivariva. Tsy mifidy taona intsony izy ity.  Misy mihitsy ireo sahy mifanoroka sy mifampitsapa taovam-panahana eny rehetra eny. Raha ny fanadihadiana natao dia henjehin’ny lalàna ny fanaovana fihetsika mamoafady.  Ny  polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana no tena mandray an-tanana ny raharaha izay tena miasa mafy tokoa ankehitriny. Mampigadra ny fanaovana izany raha ny andininy 330 voalaza ao amin’ny lalàna famaizana. Telo volana ka hatramin’ny roa taona mantsy ny sazy miandry ireo izay olona tratra manao izany miampy onitra 20.000 ka hatramin’ny 200.000 Ar. Raha natao imason’ny zaza tsy ampy taona indray  ilay fihetsika dia herintaona ka hatramin’ny telo taona an-tranomaizina ny sazy miandry ilay olona  ary 1. 000. 000 Ariary ka hatramin’ny 4. 000 .000 Ariary ny onitra tsy maintsy aloany. Marihina fa tsy tanora avokoa no mandeha eny amin’ny arabe fa misy zaza tsy manan-tsiny sy olona mpifady izay tsy tokony hahita ireny karazana fihetsika ireny.

 

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana