Dans la mme rubrique

Hery ara-toekarena Nosongonan’i Inde i Frantsa

19/07/2018

Nihemotra faha fito i Frantsa ary lasa laharana fahenina i Inde araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny 11 jolay farany teo.

Hery ara-toekarena Nosongonan’i Inde i Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Famokarana lafarinina avy amin’ny mangahazo Azo trandrahana tsara eto Madagasikara

18/07/2018

Ny mangahazo no sakafo hohanina sy vokarin’ny Malagasy aorian’ny vary ary rariny raha tokony hojerena manokana ny ho tokony fampandrosoana ny fambolena azy.

Famokarana lafarinina avy amin’ny mangahazo Azo trandrahana tsara eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Didimpoitra Handaniana hatrany amin’ny 1 tapitrisa Ariary

18/07/2018

Ilana vola hatrany amin’ny 1 tapitrisa Ar amin’izao ny manao hasoavan-jaza iray, indrindra ho an’ireo mbola mandala ny fomba Malagasy.

Didimpoitra Handaniana hatrany amin’ny 1 tapitrisa Ariary

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Ambatovy Nandrotsaka 48,8 miliara ariary ho an’ny kaominina sy ny faritra

16/07/2018

Efa tamin’ny 14 aprily 2018 no vita sonia ny didim-pitondrana laharana 8902/2018, milaza ny fifampizaran’ireo vola azo avy amin’ny tamberim-bidin’ny fitrandrahana ataon’Ambatovy ny Nikela sy ny Kobalta ny taona 2012 hatramin’ny 2017,

Tetikasa Ambatovy Nandrotsaka 48,8 miliara ariary ho an’ny kaominina sy ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fiarovana ny Indostria Malagasy Miara-miasa ny DGI sy ny ANMCC

14/07/2018

Omaly zoma 13 Jolay no natao tetsy amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola sy ny teti-bola Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia fiarahamiasa amin’ny fitantanana ankapoben’ny hetra sy ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momban’ny fifaninanana (ANMCC).

Fiarovana ny Indostria Malagasy Miara-miasa ny DGI sy ny ANMCC

Hamaky ny tohiny...

Faritra arovana eto Madagasikara Ho sahanina raim-pianakaviana miisa 15.000

14/07/2018

Maro ireo faritra arovana eto Madagasikara no potika tsy fidiny vokatry ny fitrandrahana azy, raha ny fanazavan’ny tale miandraikitra izany eto amintsika, Gérard Rambeloson, tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

Faritra arovana eto Madagasikara Ho sahanina raim-pianakaviana miisa 15.000

Hamaky ny tohiny...

Startup Weekend Fianarantsoa 2018 Lasan’ny tetikasa E-tety ny amboara

14/07/2018

Lasan’ilay tetikasa E-tety entina mampandroso ny fizahantany anatiny eto Madagasikara ny laharana voalohany amin’ilay hetsika “Startup Weekend” momba ny fandraharahana natao tany Fianarantsoa.

Startup Weekend Fianarantsoa 2018 Lasan’ny tetikasa E-tety ny amboara

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fampandrosoana ny sehatra varotra Mifandray amin’ny tontolon’ny informatika

11/07/2018

Omaly talata 10 jolay no nampahafantarina tetsy amin’ny Tsenaben’ny Varotra sy Indostria CCI Antaninarenina ny tomban’ny fiomanan’i Madagasikara hiditra ao anatin’ny varotra elektronika.

 Ny CCI Antananarivo, ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana ary ny manampahaizana manokana amin’ny varotra sy fampandrosoana avy amin’ny firenena mikambana (CNUCED). Firenena mahantra  miisa 7 no efa nahavitana tombana nanomboka tamin’ny taona 2016 araka ny tatitry ny CNUCED  ary  anjaran’i Madagasikara indray izao no misitraka izany. Manampy ny firenena mahantra mba hivonona tsara amin’ny fidirana amin’ny varotra elektronika ireo tombana ataon’ny CNUCED mba ahafahany mandray anjara sy mahazo tombony amin’izany. Tanjona ny hanampy an’i Madagasikara mba hisehatra ankamorana sy ankalalahana ny teknolojia informatika sy ny serasera (TIC) amin’io varotra io. Hisy, araka izany, ny tatitra farany hivoaka aorian’ny fidinana ifotony sy ny fikarohana maro atao aorian’ny atrikasa mandritra ny 4 andro. Hojerena ao anatin’ny atrikasa ny fananganana stratejia amin’io varotra elektronika io, ny fandehan’ny fandoavam-bola, ny resaka lalàna mifehy azy ary indrindra ny fomba ahazoana famatsiam-bola ho an’ireo izay hisehatra ao. Mifototra tanteraka amin’ny fandrosoan’ny teknolojia ity varotra ity ka ilaina tanteraka ny mahafehy ny tontolon’ny informatika eto Madagasikara.

tsiry

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana