Dans la mme rubrique

67 Ha Avaratra Nirehitra tampoka ilay fiara

28/10/2020

Fiara iray BMW X5 no nirehitra tampoka omaly atoandro teny amin’ny 67 ha avaratra raha iny avy nodiovina nosasana tsara iny.

67 Ha Avaratra Nirehitra tampoka ilay fiara

Hamaky ny tohiny...

Herinaratry ny Jirama Manimba zavatra maro

28/10/2020

Mba tsy hilazana hoe manimba fiainam-bahoaka mihitsy dia aleo tsorina amin’ny hoe manimba zavatra maro ity tsy fahatomombanan’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy ity.

Herinaratry ny Jirama Manimba zavatra maro

Hamaky ny tohiny...

Fitoroana heloka an’habaka Azo atao no manantona zandarimaria avy hatrany

28/10/2020

Tonga nizara ny fahaiza-manaony sy ny zavatra hitany sy ireo efa nampiharina hatrizay ny iraky ny Foibem-pibaikoana ny Zandarimaria sampana Ady amin'ny fandikan-dalàna an’habaka (Service des luttes contre la cybercriminalité)

Fitoroana heloka an’habaka Azo atao no manantona zandarimaria avy hatrany

Hamaky ny tohiny...

Mponina eny Ivato Mifoha amin’ny 12 ora alina haka rano

28/10/2020

Tena mijaly rano fisotro madio ny mponina eny Ivato na dia izy aza no vavahadin’Antananarivo mifandray amin’ireo tanana manodidina. Mifoha amin’ny 12 ora alina isan’andro mantsy ny mponina mandeha milaha-drano eny amin’ny paompy.

Mponina eny Ivato Mifoha amin’ny 12 ora alina haka rano

Hamaky ny tohiny...

Manarintsoa Atsinanana Trano 200 may kila, 700 no traboina

26/10/2020

Nitrangana haintrano goavana teo amin'ny Fokontany Manarintsoa Atsinanana, ao anatin'ny Boriboritany voalohany ny sabotsy 24 oktobra 2020. Atoandro be nanahary no nanomboka ny afo, niainga tamina trano hazo iray noho ny fandrehetana fatana saribao tany ambony rihana raha ny fitantaran’ny mponina teny an-toerana.

Manarintsoa Atsinanana Trano 200 may kila, 700 no traboina

Hamaky ny tohiny...

Fanodikodinam-bolan’ny ORTM Nohadihadiana koa ireo talen` ny TVM sy RNM teo aloha

26/10/2020

Raha notazomina am-ponja vonjimaika ao Antanimora nanomboka ny zoma lasa teo ny tale jeneralin` ny ORTM teo aloha, Johary Ravoajanahary, noho ny fanodinkodinam-bola tao anatin’ireny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018, izay anejehana azy,

Fanodikodinam-bolan’ny ORTM Nohadihadiana koa ireo talen` ny TVM sy RNM teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny dia an-tongotra lavareny Hianatra amin’izay ireo zanak’i Zoto

26/10/2020

Tapitra ny dia an-tongotra lavareny Hianatra amin’izay ireo zanak’i Zoto

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fitakiana ny “Iles Eparses “ Tokony hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ,hoy ny Pastera Mailhol

11/07/2018

Tsy mihemotra intsony i pastera Mailhol kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena manoloana ny fitakiana ireo tangoronosy na “îles éparses” izay fananantsika Malagasy madiodio.

 

Tonga nametraka ny  fangatahana mifandraika amin’izany teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny tenany  omaly, notronin’ny talen’ny fampielezan-keviny Atoa Paolo Raholinarivo. Nambarany tamin’izany fa  tokony hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ny Malagasy rehetra manoloana ny  fitakiana io îles éparses io na ho eny na ho tsia. Ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana no natoniny sy nametrahany ny fangatahana tamin’izany satria ity andrim-panjakana iray ity hoy izy no afaka mibaiko ny governemanta hanatanteraka io fitsapan-kevi-bahoaka io na ho “eny” na “tsia”. Mialoha ny fifididiana no takian’ny pastera hanatanterahana izany. Tsy ela  mantsy hoy izy ny mikarakara izany fa vetivety monja. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa na mahazo valiny izy ireo na tsia dia hanao fanangonan-tsonia manerana ny Nosy ka olona miisa  1.000.000 no ezahiny hanaovana izany hahalalana marina na mitaky ny îles éparses ny Malagasy na tsia. Noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana soa aman-tsara moa ity fangatahana ity. Nomarihin’ny pastera Mailhol moa fa efa misy amin’ireo karazan’olona mitaky ny hamerenana ny îles éparses no efa miara-dia aminy ankehitriny toy ny profesora James Ratsima, ny talen’ny fampielezan-kevitra Atoa Paolo Raholinarivo….

 

 

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana