Dans la mme rubrique

Edito Aoka tsy ho variana!

17/07/2019

Manomboka miverina tsikelikely amin’ny fiatrehana ny fiainany andavanandro indray ankehitriny ny Malagasy.

Edito Aoka tsy ho variana!

Hamaky ny tohiny...

Tantara tsy hay kosehina !

15/07/2019

Mipetraka tsy ho azo kosehina eo amin’i Tantaran’i Madagasikara ny momba ny Barean’i Madagasikara sy ny zava-bitany, ary ny tsio-drivotra nentiny teo amin’ny fiainam-pirenena. Sokajian’ny any ivelany ho firenena mahantra i Madagasikara, anjakan’ny kolikoly, mpitondra tia tena sy mpangoron-karena,…

Tantara tsy hay kosehina !

Hamaky ny tohiny...

Mila madio fo amin’izay !

13/07/2019

Hakotroka ny fitsenana ny Barean’i Madagasikara anio, ka haseho sy hamafisina ho hitan’izao tontolo izao fa tsy manam-paharoa sy mendrika ny mpilalaontsika sy ny firenentsika manontolo.

Mila madio fo amin’izay !

Hamaky ny tohiny...

Tsy nitsanga-menatra isika !

12/07/2019

Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena Malagasy tao anatin’ny fandraisana anjara voalohany tamin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na ny “CAN 2019”.

Tsy nitsanga-menatra isika !

Hamaky ny tohiny...

Edito Miaritra kely !

11/07/2019

« Izay mahari-pery no izy. Izay miaritra ihany no tafa. Miaritra no tompondaka.

Edito Miaritra kely !

Hamaky ny tohiny...

Aza lotoina amin’ny politika !

10/07/2019

Hita taratra kely ihany ny fampidirana loko politika amin’ny fanohanana ny Barean’i Madagasikara mandray anjara sy mahomby amin’ny fiatrehana ny CAN 2019.

Aza lotoina amin’ny politika !

Hamaky ny tohiny...

Edito Nipoitra daholo !

09/07/2019

Nipoitra daholo ankehitriny fa hay misy fitiavan-tanindrazana natory ihany tao anatin’ny malagasy tao. Heverina fa mendrika ny hisaorana indrindra noho izany ireo izay namoha azy io.

Edito Nipoitra daholo !

Hamaky ny tohiny...


Edito

« Revy degany »

09/07/2018

Mafampana hatrany ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena na teo aza ny fitsanganan’ny governemanta, izay nambara fa handamina ny firenena sy hitondra an’i Madagasikara any amin’ny fifidianana mangarahara sy handraisan’ny rehetra anjara.


Mifanao bemarenina ny mpitondra sy ny mpanohitra ampian’ireo sendika sy mpiasam-panjakana mba mitaky fiovana sy fanovana. Tena mifanao « revy degany », hoy ny fitenin-jatovo, ka dia samy manao izay lohany sy saim-patany satria samy mihevitra ny tenany avy ho tompon’ity firenena ity. Rehefa leo sy reraka ve tsy hangina, hoy ny eo amin’ny fahefana raha dinihina ny zava-misy ka dia mihenjan-droa hatrany ny tady. Zary fomba fiady ihany koa ny hoe aleo handeha aloha ny fifidianana, fa ajanony any avokoa izay fitakiana sy fanovana raha tena mahasahy sy mahazaka vahoaka. Mifanohantohan-tsy ho lavo ny samy mambam-pahefana efa ao anaty fitondrana rehefa avy nanao tohatra fiakarana ny vahoaka, ary eo ihany koa etsy an-daniny ny mamba noana karazan’ny rangitin’iretsy efa manan-kianteherana ho tsy mahasahy sy tsy mahazaka vahoaka, ka dia mba mamondron-kery ihany koa. Ao ihany koa anefa ny tsikaritra fa vonona sy sahy hatrany ary tsy ho sakana mihitsy amin’ny fampandrosoana sy ny fikatsahana tombontsoa ho an’ny Malagasy. Na izany na tsy izany, dia ny mbola ny « revy degany » aloha no betsaka eto, ka takona izay mety ho finiavana tena hikatsaka ny soa ho an’ny firenena sy ny vahoaka e ! Fihatsarambelatsihy sy fampiesonana no betsaka, ary hirarakopana izy atsy ho atsy !

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana