Dans la męme rubrique

NANADIO TENA

18/06/2018

Niezaka nanadio tena sy nitondra fanazavana momba ny fanendrena ny praiministra vaovao indray ny filohan'ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina omaly.

NANADIO TENA

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

16/06/2018

Samy maty ny mpamilin’ny kamiao mpitondra entana izay nifanena teo Ampasimadinika- Manombolo, 50 km tsy hidirana an’i Toamasina.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MAURICE TSIHAVONANA

15/06/2018

Naverina eny anivon’ny borigady Betongolo ny dosie mahakasika an’i Maurice Tsihavonana izay nohenoina teny amin’ny fampanoavana omaly.

MAURICE TSIHAVONANA

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA TANY BEMARAHA

12/06/2018

Vao tsy voavaha akory ny olana izay nitarainan’ny fikambanan’ny mpitatitra mpizahatany ary koa ny mpamily mpitari-dalana dia efa nisy fanafihana hafa indray teny amin’ny lalana izay mizotra any amin’ny Tsingin’i Bemaraha.

FANAFIHANA TANY BEMARAHA

Hamaky ny tohiny...

Politika

12/06/2018

Ry zareo avy eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara sisa no tazana tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey raha ny omaly.

Politika

Hamaky ny tohiny...

CSM

12/06/2018

Nahemotra amin`ny 22 jona ho avy izao indray ny fivorian`ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) tokony ho notanterahina ny herinandro lasa teo.

CSM

Hamaky ny tohiny...

FATY HITA TENY IMERINKASININA

09/06/2018

Zazalahy 16 taona no hita faty tetsy amin’ny lalana mizotra any Imerinkasinina raha avy aty Ambohimangakely.

FATY HITA TENY IMERINKASININA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MPAKA AN-KERINY NAIDITRA AM-PONJA

13/06/2018

Roa lahy no naiditra am-ponja eny Antanimora noho ny fanahiana ho fanatontosana fakana an-keriny karĂ na teny Ampasampito ny 24 mey lasa teo.


 

 Nahatrarana basy sy fitaovam-piadiana hafa teny amin’izy ireo nandritry ny fisamborana izay nataon’ny cellule mixte anti-kidnapping iraisan’ny vondrona telo an’ny mpitandro ny filaminana. Telo no voasambotra saingy nahazo fahafahana vonjimaika ny iray. Olona maherin’ny 100 no efa nalaina am-bavany saingy tsy mety tonga any amin’ny tena atidoha nikotrika mihitsy ny fisamborana.

MAURICE TSIHAVONANA

Miaro tena mafy i Maurice Tsihavonana taorian’ny fitorian’ny fianakavian’i Maurice Rakotomalala izay maty novonoina tao an-tranony. Nihaona tamin’ny mpanao gazety izy omaly ary nanao izay faran’ny azony natao mba hanadiovana ny tenany manoloana izay nolazainy fa fanalam-baràka nataon’ny havan’ny maty. Sarotra inoana anefa ny zava-nitranga toy ny hoe nisy zandary sy sivily mpiambina ny trano kanefa tafiditry ny mpamono olona. Efa nohainoina teny amin’ny zandary izy ny zoma lasa teo.

 

ASA FANAOVAN-GAZETY

 

Namoaka fanambarana manameloka ny fanendrena ny minisitry ny serasera vaovao Riana Andriamandavy VII omaly ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Gerard Rakotonirina. Fanaovana tsinontsinona ny mpanao gazety io fanendrena tefy maika io , hoy izy satria tsy mba nakan-kevitra akory izy ireo fa tonga dia novesarina “hazo tsy fantatra” fotsiny.Ny famahana ny olan’ny samy mpanao politika fotsiny no nojerena fa nodinganina ny lafiny teknika. Miantso ny mpanao gazety rehetra hanatrika ny famindram-pahefana anio eny Nanisana ary haneho ny tsy fankasitrahana ity minisitra vaovao ity ny filohan’ny OJM.

 

 

DATIM-PIFIDIANANA

 

Hihaona amin’ny governemanta ny CENI mba hahafahana manapaka ny datim-pifidianana amin’izay. Hatreto dia mitazona ny 17 oktobra ny CENI, daty izay hitan’izy ireo fa tena mety ara-teknika amin’ny fanatontosana ny fifidianana. Raha ny lojika anefa dia tsy maintsy hanao izay hitarihana ny fotoana ny governemanta vaovao izay mbola handrapaka aloha satria vao tonga. Ahiana ho mbola lavitra, araka izany ny fididianana ho filoham-pirenena.

MPANGALATRA OMBY

 

Nosamborina tao Mangarano-Toamasina ny mpangalatra omby vavy mitondra vohoka. Teo no nahafantarana fa alain’izy ireo ny omby mbola ao an-kibo ary hataony sorona mba entina hanamasinana ny ody gasy. Vehivavy no tompon’antoka amin’ilay asa famosaviana ary ireo lehilahy kosa mitady ilay hery ratsy avy amin’ny asa tanany. Efa norasaina ny kibon’ilay omby ary teo no nahitana fa ny mason’ilay omby kely no tena nalan’izy ireo mba hampiasaina amin’ny masobetsimahita.

MAORISIANA MPANAO TRAFIKANA RONGONY

 

Mifandona ny firenena Malagasy sy ny Maorisiana manoloana ny fahatrarana ireo Maorisiana telo izay nanao trafikan-drongony mahery vaika saika haondrana any La Réunion sy Maurice. Nandritry ny fanolorana ny fampanoavana omaly dia nisy manam-pahefana maorisiana tonga tao amin’ny fitsarana ary nangataka ny hampodiana avy hatrany ny mpiray tanindrazana aminy any Maorisy ka any no hitsaràna azy. Tsy nanaiky anefa ny fitsarana malagasy hatreto. Raisin’ny olona ho tena firenena tsinontsinona mihitsy ny nosintsika.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana