Dans la mme rubrique

Marc Tatandraza Voasambotra tany Mahajanga

16/11/2018

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Marc Tatandraza rehefa reraka niafina sy nanao sary maty ary niseho tamin’ny tambajotra facebook naneho fa manohana an’i Andry Rajoelina.

Marc Tatandraza Voasambotra tany Mahajanga

Hamaky ny tohiny...

Tata-drano eto an-drenivohitra Betsaka ireo tsy misarona, lasa fanarian’ny olona fako

16/11/2018

Betsaka ireo tata-drano tsy misarona intsony eto an-drenivohitra nefa antonona olona iray ny habeny.

Tata-drano eto an-drenivohitra Betsaka ireo tsy misarona, lasa fanarian’ny olona fako

Hamaky ny tohiny...

Salon des Etudes Supérieures -Madajeune Hifarana anio etsy Mahamasina

16/11/2018

Hifarana anio zoma etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina rehefa naharitra roa andro ilay “Salon des études supérieures” andiany faha-15, karakarain’ny Madajeune.

Salon des Etudes Supérieures -Madajeune Hifarana anio etsy Mahamasina

Hamaky ny tohiny...

Mirongatra ny trafikana sokatra Efa nahatratra 19 000 ireo sarona

16/11/2018

Mitohy ny fahatrarana ireo mpanao trafikana sokatra na vao ny 25 oktobra teo aza no nivoahan’ny didim-pitsarana manameloka ireo nahatrarana sokatra 10 196 tao Betsinjaka Toliara tamin'ny 9 aprily.

Mirongatra ny trafikana sokatra Efa nahatratra 19 000 ireo sarona

Hamaky ny tohiny...

Sambo goavana Europa 2 Nandalo tao Tolagnaro

14/11/2018

Nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala ao Tolagnaro omaly talata 13 novambra ny sambo goavana na “paquebot” Europa 2, mitondra mpizahatany maro be.

Sambo goavana Europa 2 Nandalo tao Tolagnaro

Hamaky ny tohiny...

Sahotaka teny Analakely Baoritra roa, noheverina fa nisy baomba

14/11/2018

Nikorontana ny teny Analakely manoloana ny tsangambaton-dRalaimongo sy ny manodidina omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora.

Sahotaka teny Analakely Baoritra roa, noheverina fa nisy baomba

Hamaky ny tohiny...

Orinasa afaka haba may teny Tanjombato Mpiambina iray no maty, olona 2.000 no mety ho very asa

14/11/2018

Lehilahy iray teratany vahiny, lehiben’ny mpiambina ao amin’ny orinasa afaka haba OCM nirehitra ny alatsinainy alina teo no fantatra fa namoy ny ainy noho ny hasemporana nahazo azy.

Orinasa afaka haba may teny Tanjombato Mpiambina iray no maty, olona 2.000 no mety ho very asa

Hamaky ny tohiny...


Actualits

CNaPS – EEM Natomboka tany Antsiranana ny fiofanana

13/06/2018

Taorian’ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona filohan’ny foibe Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) sy andriamatoa Arizaka Rabekoto Raoul Tale Jeneralin’ny CNaPS dia nidina avy hatrany tany amin’ny Diosezin’Antsiranana ny EEM foibe sy ny CNaPS foibe.

Anton-dia ny fanomezana fiofanana ireo tompon’andraikitry ny fiangonana Anglikana izay nahatratra 37 mianadahy. Nanomboka ny alakamisy 7 ary nifarana ny zoma 8 jona 2018 lasa teo ny atrikasa izay natao tao amin’ny Katedraly Santa Matio Antsiranana ho an’ireo mpiasan’ny fiangonana anglikana notarihin’ny Mgr Théophile Botomazava Eveka Diosezin’Antsiranana. Ara-tantara dia ny fiangonana Anglikanina no nanomboka ny fiahiana ara-tsosialy teto Madagasikara; ho fanohizana sy fanatsarana izany izao ataon’ny CNaPS izao hoy Ramatoa Jeanine Rakoto-Ramiarantsoa.“Tsy vesatra velively ho an’ny mpampiasa akory ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa tantanany fa soa atao hofampandrosoana ny asa”, hoy  hatrany ity talen’ny fifandraisana eo anivon’ny CNaPS ity. Vontoatin’ny fiofanana ny fampahafantarana ireo fanampiana telo omen’ny CNaPS : fanampiana ny fianakaviana, fandraisana an-tanana ny saran’ny fitsaboana ho an’ireo mpiasa tra-doza teo am-perinasa ary ny fisotroan-dronono. Notanisain-dRamatoa  Riziky Abdou mpisolo toerana ny talen’ny masoivohon’ny  CNaPS Antsiranana avy eo ireo ezaka vitan’ny CNaPS: “nanomboka ny taona 2016 dia nisondrotra hatrany  manaraka ny fisondrotan’ny karama farany ambany ny volan-jaza  ka raha 2 000 ariary izany tany aloha dia lasa 5 000 ariary isan-jaza isam-bolana ankehitriny.” Ho an’ny Révérend Jocelyn Ralambomanana Tonian’ny foibe Anglikana eto Madagasikarafa kosa dia  zava-dehibe ho azy ireo ny fanofanana satria anisan’ny fampandrosoana ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny maha fampirisihina ny mpiasa hanao ny tsaratsara kokoa ny asany”.

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana