Dans la męme rubrique

Hentitra Ravalomanana “Tsy nanasonia fifanarahana politika aho”

18/06/2018

Ankoatra ny firarian-tsoa maro be ho azy hita tamin’ny alalan’ny tambajotra ara-tsosialy samihafa noho ny fetin’ny ray, dia tonga niarahaba an’i Marc Ravalomanana teny Faravohitra ireo solontenan’ny mpiara-miasa isan-tsokajiny,

Hentitra Ravalomanana “Tsy nanasonia fifanarahana politika aho”

Hamaky ny tohiny...

Mitohy ny tolon’ny 13 mey Tsy maintsy miala ireo minisitra HVM

18/06/2018

Raha ohatra mbola misy ny fomba rehetra voafaritry ny lalàna hahafahana manaisotra an’ireo dia hampiasainay daholo, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa ny sabotsy teny amin’ny kianjan’ny 13 mey manoloana ny mbola fisian’ny minisitra HVM ao anaty governemanta. Nitohy ny fanangonan-tsonia hitakiana ny fialan’izy ireo.

Mitohy ny tolon’ny 13 mey Tsy maintsy miala ireo minisitra HVM

Hamaky ny tohiny...

Depiote Nicolas Randrianasolo Mahita sinema atao foana

18/06/2018

Niavaka raha samy solombavambahoaka tamin’ny fihetsika hafahafa nataony teny amin’ny Lapan’ny antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza i Nicolas Randrianasolo, izay nivadika tamin-dRajoelina sy ny ekipany.

Depiote Nicolas Randrianasolo Mahita sinema atao foana

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Avoahy ny datim-pifidianana”

18/06/2018

Ny tenako no nanasonia ny lisitra nisy ny anaran’i Ntsay Christian, hoy ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina ary nifampiresahana tamin’ireo depiote Mapar izany,

Andry Rajoelina “Avoahy ny datim-pifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Fetim-pirenena 2018 Anaty savorovoro sy tsy fifampitokisana

18/06/2018

8 andro sisa dia hankalaza ny faha-58 taona “niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara” isika. Hanao ahoana ny mety ho endrik’izany amin’ity taona ity ?

Fetim-pirenena 2018 Anaty savorovoro sy tsy fifampitokisana

Hamaky ny tohiny...

Fitsipiky ny fanorenana ifotony Tokony hatao mazava, hoy i Zakahely Boniface

18/06/2018

Tao anatin’ny 2 taona mahery teo izao dia nankalazaina ary zary lasa lamaodin’ny ankamaroan’ireo vovonana sy vondrona ary antoko politika maro mihitsy ity resaka fanorenana ifotony ity.

Fitsipiky ny fanorenana ifotony Tokony hatao mazava, hoy i Zakahely Boniface

Hamaky ny tohiny...

Firenena afrikanina Tsy mieritreritra ny hoaviny ny ankamaroany

18/06/2018

Manana manamboninahitra sy tompon'andraikitra ary avarapianarana maro ny firenena afrikanina. Mbola betsaka anefa ny firenena ao anatin’io kaontinanta io no miaina anaty fahantrana, anisany i Madagasikara. Olana ny tsy fahaiza-mandalina sy ny tsy fananana stratejika matotra enti-mampandroso ny firenena. Aty amin'ny firenena Afrika miteny frantsay dia tsy manana ary tsy mampihatra ny paikady entina amin’ny fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy ny ankamaroany. Mahantra hatrany ity kaontinanta ity mitaha amin’ireo kaontinanta hafa. Raha eo amin’ny sehatra angovo, indrindra ny solika, dia tsy mieritreritra ny hoaviny akory ny ankamaroan’ny mpitantana ny firenena afrikanina. Ireo manampahaizana fanta-daza manerantany dia samy mihevitra fa amin'ny 15 ka hatramin'ny 20 taona dia hihalany ary hiaka-bidy be ny solika. Mety hahatratra hatrany amin’ny 120 dolara na 410 400 Ar (1dolara=3420Ar) ny vidin’ny barilan’ny solitany amin’ny taona 2020.

Firenena afrikanina Tsy mieritreritra ny hoaviny ny ankamaroany

Hamaky ny tohiny...


Politique

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy Vonona hiara-kiasa amin`ny CENI

13/06/2018

Tafatsangana ny governemantan’ny marimaritra iraisana ary afaka nifanaraka ihany ireo vondron-kery politika eto Madagasikara. Manana andraikitra goavana ny governemanta Ntsay amin`ny fanatanterahana fifidianana sy fampandehanana raharaha ary ny fiainam-pirenena.

  

Tsy fifidianana petatoko na vonjitavanandro kosa no andrasana fa fifidianana milamina sy eken`ny rehetra. Fantatra fa samy manana ny tombontsoany, samy manana ny eritreriny ary ny kajiny ny antoko politika fa rehefa ampiarahana amin`ny ekipa anankiray dia tsy maintsy misy tanjona iray kendrena. Avela any mihitsy ny fitiavan-tena na tombombarotry ny tsirairay fa ny tombontsoa ho an`ny fandaminana sy amin`ny fanatanterahana ny fifidianana  ao anatin`ny fahatoniana sy fahamarinana no tena kendrena, hoy i Gerard Noel Ramamimampionona, filoha lefitry ny CFM. Nanamafy ny tenany fa manana ny adidiny ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM) amin`ny maha rafi-panjakana azy mba hisian`ny filaminana. Antony nijoroany ny hisian`ny fitoniana mialoha, mandritra, ao aorian`ny fifidianana. Ao anatin`izany dia manana ny asany ny CENI sy ny governemanta ka tsy maintsy miara-miasa daholo na ireo rafitra any ambany any aza. Izany hoe tsy maintsy miara-mandray andraikitra fa tsy hoe mitsangana ny governemanta dia vita ny fifidianana fa tsy maintsy manome ny anjarany ny tsirairay, hoy hatrany ny fanazavana. Notsindrian’ity filoha lefitry ny CFM ity fa maro ny olana eto amin`ny firenena izay tsy mijanona ara-politika saingy tokony hoeken`ny rehetra io fifidianana io mba hisian`ny filaminana. Raha mbola misy foana ny mila vaniny dia fahavalon`ny firenena izay. Ny krizy eto amintsika dia resaka tsy fifampitokisana ka izay no hanatanterahana izao dingana maro izao. Mifameno rahateo ny CFM, ny CENI, ny governemanta, ny tompon`andraikitra isam-paritra sy isaky ny fokontany. Hampiantsoin`ny CENI ny CFM anio mba hiara-kijery izay tokony hirosoana amin`ny fifidianana. Tsy miditra amin`ny asan`ny CENI izay ara-teknika ny CFM fa kosa afaka hanome soso-kevitra ara- politika sy etika. Nambaran`i Gerard Noel Ramamimampionona fa tokony hijery ny fomba hanentanana ny fanabeazan`ny olona izay hiatrika fifidianana sy ireo olona hirotsaka ho kandidà ary maro ny fepetra tokony horaisina. Mahakasika ny fihaonambe teny amin’ny CCI Ivato nokarakarain`ny CFM dia maro no hevitra voaray saingy tsy maintsy tsinjaraina avokoa ny asa. Mampalahelo, hoy ny CFM fa takona tamin`ny fifandirana nisy tamin`ireo mpisehatra ny fampihavanana. 


Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana