Dans la mme rubrique

Andry Rajoelina Manomboka manana olana

19/07/2018

Tsikaritra ho miady irery ihany i Andry Rajoelina. Ireo minisitra sahirana ao anaty governemanta, tratran’ny tsindry samihafa ihany koa, ka tsy maintsy miasa sy mila mitandro ny firaisankinan’ny governemanta, tsy afaka firy manampy azy.

Andry Rajoelina Manomboka manana olana

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Diso kajy hatrany am-boalohany

19/07/2018

Ho sarotra ny miandry izay ho filoham-pirenena handimby an-dRajaonarimampianina eo ary raha tsy manana paikady sy fomba fiasa haingana sy mahomby, dia tsy hisy zava-banona ao anatin’ny 5 taona.

Hery Rajaonarimampianina Diso kajy hatrany am-boalohany

Hamaky ny tohiny...

Vovonana miaro ny demokrasia « Tsy vonona hanao fifidianana ny HVM. »

19/07/2018

Vovonana vaovao indray no tafatsangana tetsy Antsakaviro omaly hanohitra ny sakantsakana rehetra tsy hahatongavana amin’ny fifidianana.

Vovonana miaro ny demokrasia « Tsy vonona hanao fifidianana ny HVM. »

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Filoham-pirenena Hiverina ny tantaran’ny 2002

19/07/2018

Atahorana ny hiverenan’ny toe-draharaham-pifidianana ho toy ny tamin’ny 2002 noho ny mety ho fanatsimbadihana voka-pifidianana.

Fifidianana Filoham-pirenena Hiverina ny tantaran’ny 2002

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Tena tsy hitanila tokoa ve ?

19/07/2018

Tsy ampy 2 volana akory izao no nanendren’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina an’i Christian Ntsay ho praiminisitra vaovao.

Praiminisitra Ntsay Christian Tena tsy hitanila tokoa ve ?

Hamaky ny tohiny...

Olan’ny firenena Mitaky famerenan-kasina

19/07/2018

Fifanandrifian-javatra ve sa efa nifanarahana fa nanomboka omaly dia saika naneho hevitra avokoa indray ireo mpivoy ny maha zava-dehibe ny famerenana ny hasin’ny firenena sy ny soatoavina Malagasy.

Olan’ny firenena Mitaky famerenan-kasina

Hamaky ny tohiny...

Fanirisoa Ernaivo Kandida filoha ihany koa ?

19/07/2018

Mangataka an-dRtoa Fanirisoa Ernaivo hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy izao ny Antoko ZAnak’i MAdagasikara (ZAMA),

Fanirisoa Ernaivo Kandida filoha ihany koa ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

JLM sy ny tolon’ny fanovana Hadihadio sy Tsarao ireo raharaha maloto

09/06/2018

Ho fampiharana ny tolona ho amin’ny fanovana dia takian’ny JLM (Jery Lavitra ho an’i Madagasikara), izay hetsika politika nitaky hatrany ny tsy hisian’ny fanilikilihana kandida ho filoham-pirenena amin’ity 2018 ity fa tsy antoko politika tsy akory, ny hisian ny fanadihadiana sy fitsarana an’ireo raharaha voatonontonona nandritry ny tolom-bahoaka eny amin’ny 13 mey ankehitriny.

 

 Marihina, hoy Atoa Rasaony Pascal  mpikambana ao amin’ity JLM ity, fa ny kajikajy politika maloto mikasa ny hamery zo an’ireo mpifidy amin’ny alalan’ny fanilihana an-kolaka ireo kandidà mpifanandrina, miampy ny fanomanana fangalaram-bato goavana amin’ny fifidianana ho avy ary ny fikasana hanao paipaika maloto hifikirana sy hiverenana eo amin’ny fitondrana ka nanaovana amboletra sy namofompofona kolikoly ny fandaniana ilay lalàm-pifidianana voakajikajy ho amin’ny tombontsoan’ny mpitondra no niteraka disadisa ka nitarika ny fitarihan’ireo solombavambahoaka miisa 73 nitarika ny hetsika teo amin’ny kianja 13 mey. Efa tsy nitsahatra ny nampaneno lakolosy sy nanaitra ny mpitondra mba tsy hanao kajikajy hanilihana ny kandida hafa ary koa nanipika fa hiteraka korontana sy hampifanditra  ny lalàm-pifidianana tsy nifampierana amin’ireo hery politika. Dia nitranga ny savorovoro ary dia izao niafara tamin’ny fionganana na faharavan’ny governemanta Mahafaly Olivier izao.     

Raharaha maro no nitondran’ny sendika samihafa fitarainana teny an-kianja na mahakasika ny jirama izany na ny mahakasika ny mpampianatra, indrindra ireo raharahana kolikoly sy fanodinkodinam-bolam-panjakana maro. Ireo rehetra ireo no takianay JLM ny hanaovana fanadihadiana azy mba tsy hisian’ny tsimatimanota ka ho afa-maina hatrany. Fanampin’ireo ny tohin’ny raharaha Houcine Arfa sy ny raharaha Claudine Razaimamonjy sy ny tohin’ny raharaha Antsakabary, Soamahamanina, ny ZES sy fitifirana vahoaka tamin’ny 21aprily farany teo. Takian’ny JLM, araka izany, ny hanatanterahana ny tena fanovana marina ka hanasaziana izay tompon’andraikitra ambony voasaringotra amina raharaha tsy mazava nandritry ny fitantanana tao anivon’ny governemanta nesorina.

 

Ntsoavina Evariste


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana