Dans la mme rubrique

Andry Rajoelina Manomboka manana olana

19/07/2018

Tsikaritra ho miady irery ihany i Andry Rajoelina. Ireo minisitra sahirana ao anaty governemanta, tratran’ny tsindry samihafa ihany koa, ka tsy maintsy miasa sy mila mitandro ny firaisankinan’ny governemanta, tsy afaka firy manampy azy.

Andry Rajoelina Manomboka manana olana

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Diso kajy hatrany am-boalohany

19/07/2018

Ho sarotra ny miandry izay ho filoham-pirenena handimby an-dRajaonarimampianina eo ary raha tsy manana paikady sy fomba fiasa haingana sy mahomby, dia tsy hisy zava-banona ao anatin’ny 5 taona.

Hery Rajaonarimampianina Diso kajy hatrany am-boalohany

Hamaky ny tohiny...

Vovonana miaro ny demokrasia « Tsy vonona hanao fifidianana ny HVM. »

19/07/2018

Vovonana vaovao indray no tafatsangana tetsy Antsakaviro omaly hanohitra ny sakantsakana rehetra tsy hahatongavana amin’ny fifidianana.

Vovonana miaro ny demokrasia « Tsy vonona hanao fifidianana ny HVM. »

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Filoham-pirenena Hiverina ny tantaran’ny 2002

19/07/2018

Atahorana ny hiverenan’ny toe-draharaham-pifidianana ho toy ny tamin’ny 2002 noho ny mety ho fanatsimbadihana voka-pifidianana.

Fifidianana Filoham-pirenena Hiverina ny tantaran’ny 2002

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Tena tsy hitanila tokoa ve ?

19/07/2018

Tsy ampy 2 volana akory izao no nanendren’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina an’i Christian Ntsay ho praiminisitra vaovao.

Praiminisitra Ntsay Christian Tena tsy hitanila tokoa ve ?

Hamaky ny tohiny...

Olan’ny firenena Mitaky famerenan-kasina

19/07/2018

Fifanandrifian-javatra ve sa efa nifanarahana fa nanomboka omaly dia saika naneho hevitra avokoa indray ireo mpivoy ny maha zava-dehibe ny famerenana ny hasin’ny firenena sy ny soatoavina Malagasy.

Olan’ny firenena Mitaky famerenan-kasina

Hamaky ny tohiny...

Fanirisoa Ernaivo Kandida filoha ihany koa ?

19/07/2018

Mangataka an-dRtoa Fanirisoa Ernaivo hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy izao ny Antoko ZAnak’i MAdagasikara (ZAMA),

Fanirisoa Ernaivo Kandida filoha ihany koa ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanorenana ifotony Tsy maintsy tonganay, hoy Andriamiseza

09/06/2018

Na inon-kidona na inon-kiantra, hoy ny fanamafisan’ny mpanao politika, Alain Andriamiseza, azy tetsy amin’ny fonenany etsy Mahazo omaly, dia tsy maintsy tonganay ny fanorenana ifotony.

Izay no anton’ilay fifaneken’ireo antoko politika 100 mahery mivondrona ao anatin’ny hetsika fanorenana ifotony na HFI natao tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina iny. Zavatra miisa 2 no mila apetraka mialoha ny ametrahana zavatra hafa dia ny fampihavanana sy fanarenam-pirenena. Apetrao ny fanontaniana! Inona no tombony ho entin’io governemanta vaovao io ho an’ireo nitolona teny an-dalambe? Tsy maintsy ataonao izay hahatongavana any amin’ny fanorenana ifotony na inon-kidona na inon-kihatra ary mila lalàm-panorenana vaovao isika hahatongavana amin’izany. Ho hitanareo eo, hoy hatrany izy, fa itarinay any amin’ny sendika sy fiarahamonim-pirenena io.

J. Mirija


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana