Dans la mme rubrique

Mathias Randriamamy Hanao Champions league miaraka amin’ny PSG

28/10/2020

Tafiditra ao anatin'ny lisitry ny mpilalaon'ny PSG hiatrika an’i Istanbul basaksehir hanafika any Torkia sahady ilay mpiandry harato vaovaon’ny ekipam-pirenena malagasy, Mathias Randriamamy.

Mathias Randriamamy Hanao Champions league miaraka amin’ny PSG

Hamaky ny tohiny...

Ahmad Tsara toerana mbola ho filohan’ny CAF

28/10/2020

Federasionina miisa 9 amin’ireo firenena 54 mpikambana eo anivon’ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra sisa no tsy nanao fanambarana fa manohana ny filatsahan’ny filohan’ny CAF ankehitriny,

Ahmad Tsara toerana mbola ho filohan’ny CAF

Hamaky ny tohiny...

Barea # Elefanta Ilay Tonizianina Haythem Guirat no hitsara ny lalao

28/10/2020

Araka ny fampahafantarana nataon’ny teo anivon’ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF dia ny mpitsara Tonizianina, Haythem Guirat, no hitsara ny lalao mandroso eo amin'ny Elefanta sy ny Barea,

Barea # Elefanta Ilay Tonizianina Haythem Guirat no hitsara ny lalao

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filohan’ny CAF Mbola tsara toerana hatrany i Ahmad

26/10/2020

Miroso mankany amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny federasionina afrikanin’ny baolina kitra vaovao ireo mpitondra federasionina aty amin’ny firenena Afrikanina .

Fifidianana filohan’ny CAF Mbola tsara toerana hatrany i Ahmad

Hamaky ny tohiny...

Mathias Randriamamy Niakatra ho sokajy “senior” ao amin’ny PSG

26/10/2020

Taorian’ny naha voaantso azy ho isan’ny mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara, sokajy “senior”, dia tsy nijanona ho U19 eo anivon’ny ekipany ao Paris dia ny PSG intsony ny mpiandry tsatokazo vaovaon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra,

Mathias Randriamamy Niakatra ho sokajy “senior” ao amin’ny PSG

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ireo Barea Mila tena hentitra ny mpanazatra

26/10/2020

25 lahy ireo voaantso handrafitra ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra Malagasy farany teo. Hiatrika fampivondronana moa izy ireo ny fiandohan’ny volana

Fitantanana ireo Barea Mila tena hentitra ny mpanazatra

Hamaky ny tohiny...

Barean’i Madagasikara Niantso mpilalao vaovao roa i Nicolas Dupuis

23/10/2020

Nampahafantarin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara, ireo mpilalao 25 lahy hantsoina hiatrika ny fampivondronana eto Madagasikara, hifantenana ireo 23 voatana farany handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ireo lalao mandroso sy miverina hihaonan’ny Barea amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire amin’ny tapaky ny volana novambra ho avy io.

Barean’i Madagasikara Niantso mpilalao vaovao roa i Nicolas Dupuis

Hamaky ny tohiny...


Sport

Roland-Garros

05/06/2018

Tafita amin’ny dingan’ny 1/4-dalan’ny fifaninanana tenisy Roland-Garros eo amin’ny sokajy lehilahy ilay Espagnol Rafael Nadal rehefa nandresy an’i Maximilian Marterer (6-3, 6-2, 7-6[4]).


 Niala an-daharana noho ny ratra ao amin’ny « muscle pectoral » nahazo azy kosa ilay kalaza vavy Serena Williams (36 taona) ka tsy niatrika ny 1/8-ndalana tokony ho nikatrohany tamin’i Maria Sharapova (31 taona) omaly alatsinainy. Tena malahelo aho, hoy i Serena nanoloana ny mpanao gazety omaly, fa hitako ho tena tsara ny toe-batana nentiko niatrika indray an’ity fifaninanana ity taorian’ny nahaterahako tamin’ny septambra 2017 nefa izao tsy afa-manoatra izao aho na dia tena tiako indrindra aza ny mifanandrina amin’i Maria eo amin’ny tenisy. Marihana fa efa nihintsana teo amin’ny fifaninanana olon-droa vehivavy miaraka i Serena sy Venus rahavaviny amin’ity fifaninanana Roland-Garros ity.

 


Mondial 2018 « Nationalmannschaft »

Navoakan’ilay mpanazatra Alema  Joachim Löw tamin’ny mpanao gazety niresaka taminy omaly alatsinainy 04 jona ny anaran’ireo mpilalao 23 handrafitra ny « Nationalmannschaft » Allemand hiatrika ny Mondial Russie 2018. Nahagaga ny mpanara-baovao ny tsy nahatao anaty lisitra an’i Leroy Sané mpilalaon’i Manchester City   raha tafiditra ao kosa ny Pariziana mirahalahy , Kevin Trapp sy Julian Draxle. Marihana fa iray tarika amin’i Suède sy Corée Atsimo ary i Mexique ao amin’ny Vondrona F  i Allemagne.

Mpiandry harato : Manuel Neuer (Bayern Munich), Roman Weidenfeller (Borussia Dortmund), Ron-Robert Zieler (Hanovre)
Vodilaharana : Jérôme Boateng (Bayern Munich), Philipp Lahm (Bayern Munich), Mats Hummels(Borussia Dortmund), Per Mertesacker (Arsenal/ANG), Kevin Grosskreutz (Borussia Dortmund), Erik Durm (Borussia Dortmund), Benedikt Höwedes (Schalke 04).

Irakiraka : Bastian Schweinsteiger (Bayern Munich), Toni Kroos (Bayern Munich), Mario Götze (Bayern Munich), Mesut Özil (Arsenal/ANG), Julian Draxler (Schalke 04), Sami Khedira (Real Madrid/ESP), Thomas Müller (Bayern Munich), Matthias Ginter(Fribourg), Christoph Kramer (Borussia M’Gladbach).
Lohalaharana : Miroslav Klose (Lazio Rome/ITA), Marco Reus (Borussia Dortmund), André Schürrle(Chelsea/ANG), Lukas Podolski (Arsenal/ANG).


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana