Dans la mme rubrique

Orana maivana Tondraka sahady i Besarety, Andravoahangy, Antsakaviro

28/10/2020

Mbola orana maivamaivana toy iny nitranga omaly iny dia efa naha tondraka sahady an’i Besarety sy Andravoahangy ka hatrany amin’iny Antsakaviro iny.

Orana maivana Tondraka sahady i Besarety, Andravoahangy, Antsakaviro

Hamaky ny tohiny...

HAFARI Malagasy Hizara tany eny Antanandrano

26/10/2020

Hiverina amin’ny heriny tanteraka ny Fikambanana HAFARI Malagasy tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina taorian’ny fihibohana nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19

HAFARI Malagasy Hizara tany eny Antanandrano

Hamaky ny tohiny...

Hofan-trano, faktiora amin`ny vola vahiny Tsy maintsy atao amin’ny Ariary manomboka izao

26/10/2020

Ao anatin` ny lamin'ny tanjona kendreny sy ny iraka ampanaovina azy, dia mampahafantatra ny Banky Foiben`i Madagasikara (BFM) amin` ny fametrahana ny fifanarahana fifanarahana fampanofana sy faktiora ary ny fandoavana izany amin`ny ariary.

Hofan-trano, faktiora amin`ny vola vahiny Tsy maintsy atao amin’ny Ariary manomboka izao

Hamaky ny tohiny...

Lehilahy mamo lava Darohany ny vadiny, navariny an-tevana ny zanany

26/10/2020

Raim-pianakaviana iray mpamono vady aman-janaka isan’andro no voatery naiditra am-ponja vonjimaika tany Antsahabary Soavinandriana Itasy ny faran’ny herinandro teo.

Lehilahy mamo lava Darohany ny vadiny, navariny an-tevana ny zanany

Hamaky ny tohiny...

Faritra Atsimo Mifampiankina ny fiarovana ny ala sy ny famatsiana rano

26/10/2020

Manana velarana ala voajanahary midadasika ahitana karazam-biby maro toy ny vorona, varika ary bibilava ny Faritra arovana Tsitongambarika.

Faritra Atsimo Mifampiankina ny fiarovana ny ala sy ny famatsiana rano

Hamaky ny tohiny...

Amboasary Atsimo Manomboka ny fanisana ireo tena marefo ara-tsakafo

23/10/2020

Nanomboka ny alarobia 21 Oktobra teo ny fanisana ireo olona izay tena ianjadian'ny tsy fahampian-tsakafo ao amin'ny Kaominina Amboasary Atsimo, faritra Anosy.Miara-manatontosa izany ireo mpiasan'ny fahasalama miisa 38, miaramila 38 , Croix Rouge 19 ary mpanaramaso 10.

Amboasary Atsimo Manomboka ny fanisana ireo tena marefo ara-tsakafo

Hamaky ny tohiny...

CMH – Antananarivo renivohitra 451 ireo fandikan-dalàna tao anatin’ny iray volana

23/10/2020

Nitohy tetsy amin`ny lapan`ny tanàna Analakely ny fampiofanana izay nataon` ny CUA mikasika ny fampahafantarana sy fampatsiahivina ireo fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikolokolom-pahasalamana (CMH) izay andiany fahaefatra.

CMH – Antananarivo renivohitra 451 ireo fandikan-dalàna tao anatin’ny iray volana

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fiahiana ara-tsosialy ho an’ny tantsaha Azo tanterahana tsara, hoy ny CNaPS

05/06/2018

Vinan’ny CNaPS ny hanome fiahiana ara-tsosialy ny mpamokatra ka mahatonga ny Tahirim-pirenena mandray anjara mavitrika isaky ny misy sehatra iarahana amin’ny tantsaha toy ny tamin’ny « andron’ny ronono » teny Alasora ny 1 hatramin’ny 3 jona lasa teo.

Tsy mbola misy rafitra mandrindra ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa tena sy ny tantsaha eto Madagasikara. Ny mpamokatra izay miasa mafy na mpamboly na mpiompy na mpanjono. Toy ny olombelona rehetra anefa dia mety reraka sy osa izy ireny ary mihalefy ny hery entiny miasa. Rariny loatra raha mila tohanana ara-tsosialy ny tantsaha ary omena fiahiana toy ny mpiasa rehetra, hoy ny filoha lefitry ny MDB (Malagasy Dairy Board) Atoa Rakotondrambola Solofonirina : « ireny mpamokatra ireny rehefa tanora izy dia matanjaka, fa rehefa manomboka osa izy dia tsy afaka mamokatra dia lasa mikorosy fahana ny fiainany, noho izany dia ilainany fiahiana ara-tsosialy ho an’ireny tantsaha ireny ». Manoloana izany dia vinan’ny CNaPS ny hametraka rafitra fisotron-dronono ho an’ny tantsaha mpamokatra. Betsaka ny dingana efa natao toy ny fiarahan’ny CNaPS niasa tamina orinasa vahiny antsoina hoe RSI any Frantsa ny taona 2012 ; ny fiaraha-miasa tamin’ny minisiteran’ny fambolena sy ny Tranoben’ny Tantsaha ny taona 2013 ka nanatanterahana fanadihadihana tamin’ny faritra 13 teto amin’ny Nosy ; ny fanamboarana volavolan-kevitra momba ny fisotron-drononon’ny tantsaha. «  Ho an’ny CNaPS izany dia efa misy karazana vahaolana ihany amin’izao fotoana izao dia ny fampandraisana andraikitra ny kaoperativa izay mijoro eo amin’ny toeran’ny mpampiasa, ka ireo mpikambana ao anatiny no raisina ho mpiasa. Dia izay no vahaolana eto aloha atolotra ho an’ny tantsaha. Fa efa eo am-piketriketrehana ny fiahiana ara-tsosialy manokana ho an’ny tantsaha sy ny mpiasatena ny CNaPS amin’izao fotoana izao. », hoy Rakotomalala Yvan mpandrindra ny sampan-draharaha eo anivon’ny CNaPS .Efa azo tanterahina tsara arak’izany ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny kaoperativan’ny tantsaha ary afaka manatona eny amin’ny birao sy masoivohon’ny tahirim-pirenena ireo kaoperativa nampamboly na mpiompy na mpanao asa tànana satria « anio mikarakara, ampitso manan-jara ».

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana