Dans la mme rubrique

Jean Jacques Ratsietison “Sandam-bola nidina no nampianjera fitondrana teto”

28/10/2020

Sandam-bola foana, hoy ny mpahay toekarena, Jean Jacques Ratsietison, no nahatonga krizy teto raha averina ny tantara.

Jean Jacques Ratsietison “Sandam-bola nidina no nampianjera fitondrana teto”

Hamaky ny tohiny...

Vinavinan’ny FMI Miiba ny fitomboana ara-toekaren’i Madagasikara

28/10/2020

“Mampanahy ihany ny hoavin’ny toekarena sy ny fampandrosoana eto Madagasikara. Mety ho sarotra rahateo ny fanarenana ny toekarena aty amin’ny tapan’Atsimon’i Afrika, ary voakasika manokana amin’izany ny eto Madagasikara” hoy Abebe Aemro Selassie,

Vinavinan’ny FMI Miiba ny fitomboana ara-toekaren’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Vehivavy mpitarika eto Afrika Hananganana ny tambazotra

28/10/2020

Omaly dia tonga nitsidika ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ny delegasiona avy amin’ny rafitry ny Firenena Mikambana izay notarihin’i Rtoa Charlotte Faty Ndiaye.

Vehivavy mpitarika eto Afrika Hananganana ny tambazotra

Hamaky ny tohiny...

Sehatry ny harena an-kibon’ny tany Hahazo birao vaovao ny BAM Bongolava

26/10/2020

Voapetraka ny faran` ny herinandro lasa teo ny vatofototry ny biraom-pitantanan-draharahan'ny harena an-kibon'ny tany na "Bureau d'Administration Minière" (BAM) any Tsiroanomandidy.

Sehatry ny harena an-kibon’ny tany Hahazo birao vaovao ny BAM Bongolava

Hamaky ny tohiny...

Lalampihariana Hazo Aleo ho lo toy izay ho an-kavana

23/10/2020

Nohamafisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 21 oktobra 2020 fa “zo atao ny mivarotra sy mampiasa ireo tahirin-kazo tsotra entina handaminana ny sehatra miasa amin’ny hazo tsotra.

Lalampihariana Hazo Aleo ho lo toy izay ho an-kavana

Hamaky ny tohiny...

Faritra Menabe Mampidi-bola betsaka ny fanondranana lamàtra

23/10/2020

Miantraika any amin’ny varotra ivelan’i Madagasikara ny fisian’ny valanaretina Coronavirus. Anisan’ny voakasik’izany ny sehatry ny jono, satria tsy afaka miondrana ny hazandrano toy ny drakaka,

Faritra Menabe Mampidi-bola betsaka ny fanondranana lamàtra

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahana harena an-kibon` ny tany Misedra olana tao anaty folo taona

23/10/2020

Fianakaviana 2 tapitrisa no mivelona amin`ny fitrandrahana harena an-kibon`ny tany eto Madagasikara.

Fitrandrahana harena an-kibon` ny tany Misedra olana tao anaty folo taona

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

“Alliance pour l’industrialisation” Hiasa ho tombontsoan’ny orinasa Malagasy

05/06/2018

Omaly alatsinainy 4 jona no natao tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny fikaonan-dohan’ireo mpikambana ao amin’ny “alliance pour l’industrialisation” nahitana ny mpikaroka amin’ny lafiny ara-toekana CREM (Cercle de Reflexion des Economistes de Madagascar), ny FIVMPAMA (FIVondronan’ny MPAndraharaha MAlagasy) ary ny SIM (Syndicat des Industries de Madagascar).

Raha  tsiahivina ny “alliance pour l’industrialisation” moa dia nitsangana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny taona 2017 miara-manaiky fa miainga amin’ny fampiroboroboana ny orinasa Malagasy ny fampandrosoana. Niady hevitra ny amin’ny tokony hatao ny amin’ny fampivoarana ny orinasa Malagasy izy ireo. Iaraha-mahalala fa misy ny vokatra azo aondrana eto Madagasikara kanefa vitsy noho ireo vokatra hafarana. Mitondra fatiantoka mandrakariva izany ary misy vokany ratsy amin’ny toekarena. Nojerena manokana ny fahafahana mamokatra amin’ny alalan’ny fanatsarana ny orinasa Malagasy. Izany indrindra no nanomanan’izy ireo ilay atao hoe “barometre industriel” hijerena voalohany indrindra ny zava-marina misy momba ny Indostria eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fitarafana ny ho fampivoarana araka ny tokony ho izy ny orinasa Malagasy hanaraka ireo lalàna mifehy azy ireo tahaka ny lalàna amin’ny asa (code de travail). Ary farany ny ho fanarahana maso akaiky ny amin’ny andraikitry ny fitondram-panjakana, ny tompona orinasa, ny mpampiasa, ny mpiasa ary ny mpanjifa ny amin’ny anjara birikiny ho fampandrosoana ny orinasa Malagasy. Ho hentitra ary tsy hitsitsy araka izany ireo mpikambana ny amin’ny fijerevana ny dingana hataon’ireo tompon’andraikitra ireo eny amin’ireny orinasa Malagasy ireny mba hisian’ilay antsoina hoe “patriotisme économique” izay mifototra amin’ny fampiroboroboana ny Indostria Malagasy.

Tsiry

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana