Dans la mme rubrique

Rivo Rakotovao Mety ho sahirana atsy ho atsy...

28/10/2020

Berija, Rolly Mercia, Claudine Razaimamonjy, Mbola Rajaonah sy ny maro hafa, tratry ny haza lambo ireo mpiaradia tamin’ny fitondran’ny Hery vaovao ho an’I Madagasikara (HVM), raha ny fahitan'ny mpanara-baovao azy aloha.

Rivo Rakotovao Mety ho sahirana atsy ho atsy...

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Lasa any Eoropa tokoa nijery an-janany

28/10/2020

Niteraka resabe ny fivoahan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, any Eoropa ankehitriny.

Andry Rajoelina Lasa any Eoropa tokoa nijery an-janany

Hamaky ny tohiny...

Faritra Vakinakatra Hahazo trano iombonana hanodinana ny vatosoa

28/10/2020

“Fotodrafitrasa hahafahan` ny Malagasy miantsehatra ao anatin` ny harena an-kibon` ny tany entina hanodinana vatosoa no atsangana aty Vatofotsy izao” hoy

Faritra Vakinakatra Hahazo trano iombonana hanodinana ny vatosoa

Hamaky ny tohiny...

Betroka Voapetraka ara-pomba ofisialy ireo ben` ny tanàna

28/10/2020

Notontosaina omaly ny fametraha na ara-pomba ofisialy an` ireo ben` ny tanàna ao amin` ny distrikan`i Betroka.

Betroka Voapetraka ara-pomba ofisialy ireo ben` ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Fifanandrinana politika Iza no tena mahazo tombotsoa ?

26/10/2020

Tsy misy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny raharaham-pirenena, ankehitriny.

Fifanandrinana politika Iza no tena mahazo tombotsoa ?

Hamaky ny tohiny...

Plateau Mahafaly Mangataka ho faritra faha-24

26/10/2020

Raha an-dalana ny fametrahana ny faritra faha-23 amin` ny fizarana ho faritra roa Vatovavy sy Fitovinany dia mitohy hatrany ny fangatahana sasany amin` ny fametrahana faritra faha-24.

Plateau Mahafaly Mangataka ho faritra faha-24

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Nalefa an-tsokosoko any Maorisy ny entan’ny Tiko”

26/10/2020

Misy tamin’ireo fitaovana tao amin’ny ozinin’ny TOP (Tiko Oil Product) sy ny Margarinerie Toamasina re fa lasa any amin’ny nosy Maorisy, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly nandritra ny fandaharana manokana nandeha tamin’ny haino aman-jery.Fitaoana avy any Allemagne izy ireo,

Hanitra Razafimanantsoa “Nalefa an-tsokosoko any Maorisy ny entan’ny Tiko”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Depiote Hanitra Razafimanantsoa “Tsy nakana ny hevitray ny fanendrena ny PM”

05/06/2018

Nanambara halina ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa raha nanontaniana fa tsy nakana ny hevitry ny Tiako I Madagasikara mihitsy ny fanendrena ny praiminisitra vaovao Christian Ntsay.

 Famadihana ny depiote 73 ho an’ny fanovana, famadihana ny tolona ny fandraisana fanapahan-kevitra samirery (?) sy ny tsy fihainoana ny hetahetan’ny vahoaka, hoy izy. Nambarany fa ho avy eny amin’ny kianjan’ny 13 mey tahaka ny mahazatra anio ireo depiote TIM ary hisy depiote MAPAR milaza ny ho avy hiaraka amin’izy ireo ihany koa. Hisy ny fanazavana tsy maintsy mbola hatao ary mitohy ny tolona, hoy izy. Ny antoandro teny an-kianja ny depiote Hanitra Razafimanantsoa dia nilaza fa tsy narahina araka ny tokony ho izy ny didim-pitsarana satria mbola misy mihevitra matanjaka be ary mbola any amin’ny ny fahefana, hoy izy. Isika ve izany tsy  misy dikany ? Satria efa tsy mety manendry depiote avy amin’ny 73 ianao dia ianao no miala, hoy izy. Raha sanatria ka tsy avy amin’ny depiote 73 no hotendrena eo, dia ny hetahetantsika rehetra tsy misy tanteraka satria miova tanana ilay fahefana, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity. Hentitra izy nilaza fa tsy misy minisitra miverina izany eo na iza na iza, ary tsy manaiky izany ny depioten’ny fanovana amin’ny resaka fanendrena mpikamban’ny goverenemanta. Nafana tanteraka ny teny an-kianja omaly satria nanao ranolava ireo avy amin’ny sendika maro samihafa izay nampiseho ny heriny sy ny tanjany toy ny mpampianatra tamin’ny alalan’ny FM2F, ny Jirama, Instat,… Eny an-kianja indray mahita ny tohiny anio.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana