Dans la męme rubrique

ZES

14/08/2018

Nankatoavin’ny HCC ihany ny lalàna momba ny ZES na ny faritra ara-toekarena manokana, lalàna izay niadivan’ny mpitolona teny amin’ny 13 mey mafy ny hanafoanana azy.

ZES

Hamaky ny tohiny...

KANDIDA MIANDRY KELY ALOHA

13/08/2018

Maromaro ny kandidà ny hanapa-kevitry ny tsy mbola hametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana raha tsy amin’ny faramparan’ny fetr’andro hahafahana manatontosa izany.

KANDIDA MIANDRY KELY ALOHA

Hamaky ny tohiny...

TOLON’NY MPAMPIANATRA

13/08/2018

Ho antsika eto Antananarivo dia mitohy hatrany ny tolona ka maka aina tsara isika anio alatsinainy fa rahampitso talata 14 Aogositra 2018 amin ny 9ora tsy diso eny amin’ny INFP Mahamasina ny fotoana, hoy ireo mpampianatra mbola manohy ny tolona amin’izao fotoana izao.

TOLON’NY MPAMPIANATRA

Hamaky ny tohiny...

NIARO TENA ILAY LEHIBEN’NY FARITRA

08/08/2018

Fandotoana sy fanaratsiana azy eo amin'ny lafiny politika ny fiparitahan'ny horonantsary mamoafady momba azy hoy ny lehiben'ny faritra atsimo andrefana. Namboarina ihany koa ireo sary rehetra niseho tao hoy izy

NIARO TENA ILAY LEHIBEN’NY FARITRA

Hamaky ny tohiny...

TOLONA SENDIKALY

08/08/2018

Hitory ireo praiminisitra rehetra nifandimby, izay tomponandraikitra amin’ny fampiharana ny didim-pitondrana rehetra tokony hampiharina ny vondron-tsendikaly. Tomponandraikitra ihany koa ny minisitry ny fitaterana rehetra satria didim-pitsarana tsy maintsy tanterahina ny famerenana ireo mpiasan’ny Air Madagascar nesorina tsy ara-drariny tamin’ny asany.

TOLONA SENDIKALY

Hamaky ny tohiny...

FAKANA AN-KERINY

03/08/2018

Hita tetsy Ambohibao ilay tovolahy izay nisy naka an-keriny tany Antsiranana. Nitsirepirepy sy reraka izy no nisy nahita.

FAKANA AN-KERINY

Hamaky ny tohiny...

NITETY FOKONTANY

02/08/2018

Omaly dia nitety fokontany tao amin’ny boriborintany faha 5 ny depiote Clarisse Rasendrandrazana ary niresaka tamin’ireo vahoakany toy ny teny amin’ny toby fanasan-damba sy ny tsena.

NITETY FOKONTANY

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

HOUCINE ARFA

30/05/2018

Nogadraina roa taona an-tranomaizina miampy didy fisamborana avy hatrany i Arfa Houcine sy ny mpanampy an-tranony omaly.

Izany dia mahakasika ny fitsoahany am-ponja sy ny firaisana tsikombakomba tamin'izany. Mpiandry fonja, dokotera ary olona karazany maro no notsaraina tao omaly.

 

RAHARAHA NY RADO RAFALIMANANA

 

Nahemotra amin’ny zoma ho avy izao indray ny fitsarana an’i Ny Rado Rafalimanana sy ny mpiambina azy roa lahy. Nilaza ho nisy fahoriana ny iray tamin’ireo mpiambina ka tsy afaka nanatrika ny fotoam-pitsarana. Etsy an-danin’izay, ny mpampiasa ireo mpiambina dia nampita hafatra fa tsy eto an-toerana fa mbola any ivelany. Harahin’ny maro akaiky ity fitsarana ity. Vono sy ratra niniana tao anatin’ny toeram-pivarotan-tsolika iray etsy Anosizato, raha hiverenana kely ny anton'ny fitoriana.

 

OMER BERIZIKY

Nampahafantatra ampahibemaso ny praiminisitra teo aloha Omer Beriziky fa tsy handray anjara ao anatin’ny governemanta iraisana izay hatsangana amin’ity herinandro ity. Ny antony, fifanarahana ara-politika ihany no hahafahana mivoaka amin’ny krizy izay misy ankehitriny. Tsy hanao praiminisitra araky ny feo efa nandeha tato ho ato izany ny lehilahy ary koa tsy manaiky ny governemanta izay hitsangana eo ary tsy hangataka seza akory.


ASA FANAOVAN-GAZETY

 

Maty hasina tanteraka ny Holafitry ny mpanao gazety hanaovan’ny filohany azy. Izy indray omaly no nisolotena ny minisitera sy ny filohan’ny kaomisiona tamin’ny fanazavana momba ny karatra maha matihanina sy ny isan’ny nahazo an’izany. Iaraha-mahalala anefa fa tsy manara-dalàna ny fandrafetana ilay karatra ary nahatonga ny orinasan-gazety miisa 32 eto an-drenivohitra tsy nangataka. Mbola harovan’ny filohan’ny Holafitra hatrany ny minisitera efa ho rava amin’ity herinandro ity.



MAURICE TSIHAVONANA

 

Momba ilay fahafatesana izay nitranga tao amin’i Maurice Tsihavonana dia nametraka fitoriana an’io farany omaly ny havan’ny maty. Napetraka teo amin’ny borigady Betongolo izany ary notazomin’ireo mpitory fa itsy voalaza anarana etsy ambony no tompon’antoka tamin’ny famonoana fa tsy fanafihan-jiolahy izany no nitranga. Hita tao anaty fiara sprinter izay nipetraka tao amin’io tanàna io ihany ny finday nampiasain’ny maty fony fahavelony ary koa mbola notazomin’ny havan’ny maty ho mpiray tsikombakomba ny vehivavy iray izay sakaizany sy vao haingana no niaraka taminy.


VAHINY VOAROBA TANY MAHAJANGA

 

Teratany Soisa iray no nisy nandroba teo amin’ny torapasika Grand Pavois Amborovy, ao Mahajanga. Naratra mafy rehefa voatsatok’antsy teo amin’ny tanany ity vazaha ity. Fakan-tsary tsotra sy fakan-tsary afaka manidina (drône) no lasa nandritr’ity fanafihana ity. Nohenjehina ny olon-dratsy saingy tsy nisy tratra. Roa lahy izy ireo ary samy nitazona zava-maranitra, raha araka ny fanazavana azo.


MPANENDAKA TSY AMPY TAONA

 

Tsy ampy taona avokoa ireo mpanendaka voasambotry ny polisy tetsy Bemasoandro-Itaosy. Misy vao 15 taona kanefa efa milalao sabatra ary manendaka ireo olona tratra hariva amin’iny toerana iny ka hatrany amin’ny Cité-Itaosy. Iray no voasambotra voalohany ary io indray avy eo no nanondro ny misy ny namany hafa rehefa nandeha ny fanadihadiana. Nitohy ny fisamborana ary tonga hatramin’ny nahazoana ireo tsy ampy taona miisa enina.


ASAN-JIOLAHY TANY TOAMASINA

 

Raikitra indray ny tifitifitra tao Toamasina an-tampon-tanàna. Olona vao avy niala taksibrosy ka saika hiantsena tao an-toerana no nisy nitifitra ka maty tsy tra-drano, teo anoloan’ny toeram-pivarotana lehibe iray. Lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina 4 tapitrisa ariary saika hividianany entana. Roa lahy izay nitaingina scooter ary samy mitam-basy no tompon’antoka tamin’ity fanafihana niafara tamin’ny vono olona ity, raha araka ny fanazavana azo.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana