Dans la męme rubrique

KIDNAPPING

12/12/2018

Manomboka mazava ny antony tsy mety mahatontosa hatramin’ny farany ny fanadihadiana momba ny kidnapping eto amintsika.

KIDNAPPING

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana

12/12/2018

Sarotra ho an’ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana, ny tsy ho lasa filoham-pirenena raha ny fanambaram-panohanana sesilany voarainy hatramin’ny omaly ary inoana fa hitohy anio sy mandra-pahatongan’ny 19 desambra.

Fifidianana

Hamaky ny tohiny...

VOTSOTRA I MALIK KARNALY

11/12/2018

Votsotra ny alin’ny alahady teo i Malik Karmaly. Nokendren’ireo olon-dratsy mpanao kidnapping ny fandehanan’ny adihevitra tao amin’ny TVM mba hamotsorana ilay karàna izay tale jeneralin’ny orinasa Habibo.

VOTSOTRA I MALIK KARNALY

Hamaky ny tohiny...

Ambohimirary

11/12/2018

Mitaraina ankehitriny ireo mponina eny Ambohimirary eny noho ny fahatapahan-drano efa ho 2 andro mahery izay.

Ambohimirary

Hamaky ny tohiny...

Ambohimirary

10/12/2018

Mitaraina ankehitriny ireo mponina eny Ambohimirary eny noho ny fahatapahan-drano efa ho 2 andro mahery izay.

Ambohimirary

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana

07/12/2018

Mitombo hatrany ary miha maro ireo mpanakanto avy amin’ny lafivalon’ny nosy nisafidy ny hiara-dia amin’ny kandida ho filoham-pirenena laharana faha 25, Marc Ravalomanana.

Marc Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

BILETA TOKANA

06/12/2018

Afaka telo andro no ho tonga ny bileta tokana vao nohafaran’ny Ceni. Miisa 10.300.000 izany ankoatra ny bileta tokana hanaovan’ny kandidà roa fampielezan-kevitra ka hozaraina amin’izy ireo tsy ho ela.

BILETA TOKANA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

POLISY VOATIFITRA

28/05/2018

Polisy iray mpiambina akaiky eo anivon'ny lapan'i Mahazoarivo no hita maty voatifitry ny bala. Hatreto dia namono tena no eritreretin'ny maro ho antony. Misy fanadihadiana nosokafana


MIALA RAJAO

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny Mapar raha tsy miala ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy ny CST teo aloha Victor Razafindrakoto, mpitarika ny antoko ao Fianarantsoa. Tsy midika ihany koa fa hiditra tetezamita  indray ny firenena fa mila ampiharina haingana ilay andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana mba hanatontosana haingana ny fifidianana amin’ity taona ity, hoy izy. Miantso ny vahoaka tsy hanaiky ny fandemen-tsaina ataon’ny mpitondra ihany koa ny vondrona mapar

MANANDAFY RAKOTONIRINA

 Ny fifampidinihana sy fanaovana fifanarahana politika ihany no tsy maintsy vahaolana, hoy i Manandafy, mpanorina ny k3f any Fianarantsoa. Efa hatramin’ny lehiben’ny fiangonana katolika mihitsy no milaza sy mahita fa tsy misy mandeha amin’ny laoniny avokoa ny zava-drehetra sy ataon’ny mpitondra fa mila hitadiavana vahaolana haingana. Mbola manamafy hatrany ny k3f fa mila miverina an-databatra boribory ny rehetra hametraka fifanarahana mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana

FITIAVAN-TSEZA

 Alahelon-toerana sy alahelon-kanina tsotr’izao no mahazo ireo depiote 73 milaza fa mitaky fanovana, hoy i Zaref, HVM ao Fianarantsoa. Fitadiavan-tseza indray no ao ambadiky ny tolona izay ataon’ireo solombavambahoaka, hoy izy fa tsy fanovana. Manamafy ny HVM any Fianarantsoa fa tsy tokony hatao sorona intsony ny vahoaka fa mila mijoro sy manaraka ny fenitra ara-demokratika.

ZES

Tsy novalian’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fitoriana mahakasika ny faritra manokana na ny Zone Economique Spéciale (ZES) izay napetrak’ireo  solombavamboaka sy ny sendika sasany miaro ny fananan-tany. Efa nisy andinin-dalàna nolazain’ny HCC fa tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ity lalàna momba ny ZES ity saingy mbola naverin’ireo solombavambhoaka nolaniana teny amin’ny antenimieram-pirenena indray, ka antony nahatonga ny fitoriana napetraka indray. Andrasana ny didy farany havoakan’ny HCC momba azy io.

 

ATSAHARO NY 13 MEY

Mila hajanona amin’izay ny fitolomana  eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, hoy Ratsimbazafy Armand, HVM ao Fianarantsoa. Efa navoakan’ny HCC avokoa ireo notakian’ny depiote 73 ka tsy tokony hitarina intsony ny  krizy raha ny nambarany. Nanamafy ihany koa izy fa  tena tsy mitsinjo ny fiainam-bahoaka ireo depiote mitarika fanakorontanana ireo amin’ny alalan’ny fikatsoana ny raharaham-pirenena rehetra.

SARY FITAKA

 Sary tamin’ny fanolorana “kit scolaire” no ampiasain’ny mpikarama anadin’ny HVM amin’ny tambajotran-tserasera. Izany dia mba hanaromana ny tsy fahatongavan’ny olona maro tetsy  amin’ny Coliséum Antsonjombe. Noraisin’ny olona fotsiny ny vola 5.000 ariary izay nozaraina tamin’ny fokontany sasany ary koa ny 2.4 tapitrisa nomena ny ben’ny tanàna HVM mba hitondra olona. Betsaka no mody tonga teny dia avy eo niala moramora rehefa mody hita kely fotsiny.

MANOMBOKA MAILO

Efa manomboka manova ny lohatenin-gazetiny sahady ny gazetin’ny fitondrana rehefa hitany fa mitady ho ratsy ny ady. Anisan’izany ny hoe tsy manana eritreritra ny hanongam-panjakana izany ny mpitari-tolon’ny depiote 73 kanefa hatramin’ny nisian’ny 13 mey dia nolazain’io gazety io hatrany fa fanonganam-panjakana no ataon’ireo mpitolona ireo. Efa fantatr’izy ireo fa hiara-kirodana amin’i Rolly Mercia ny haino aman-jery sy ny gazety an-tsorany dia manomboka mitady lalana hanao tanalahy amin’izay.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana