Dans la mme rubrique

Fampidiran-ketran’ny fadin-tseranana Efa tratra ny 99%-n’ny tanjona napetraka

13/12/2018

Nisy ny fanamby napetraka tamin’ny fanaovana ny fanaraha-maso “contrôle à posteriori” teo amin’ny fadin-tseranana ka nanambaran’ny Tale Jeneraly,

Fampidiran-ketran’ny fadin-tseranana Efa tratra ny 99%-n’ny tanjona napetraka

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny loza voajanahary 120 ny mpilatsaka an-tsitrapo nahazo fiofanana

13/12/2018

Niatrika fiofanana tetsy Anosy tamin’ny 11 desambra farany teo ireo mpilatsaka an-tsitrapo miisa 120 notarihin’ny Mpandrindra nasionaly eo anivon’ny minisiteran’ny fifandraisan-davitra, Ramatoa Alijimy Joelle.

Fiatrehana ny loza voajanahary 120 ny mpilatsaka an-tsitrapo nahazo fiofanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibolam-panjakana 2019 Tsy lany teny amin’ny antenimierandoholona

12/12/2018

Tsy mifanaraka amin`ny andininy faha-92 voalaza ao anatin`ny lalàm-panorenana ny fanitsiana nentina tamin`ny tetibolam-panjakana lasitra (LFI) fa tokony hatao mifanaraka amin`ny fampidiram-bola ny fandaniam-bola nokitihan`ny solombavambahoaka,

Tetibolam-panjakana 2019 Tsy lany teny amin’ny antenimierandoholona

Hamaky ny tohiny...

Lalàna amin’ny ady amin’ny famotsiam-bola Hamotika ny toekarena raha sanatria tsy lany eo

12/12/2018

Fotoana natokana hanamafisana sy hankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly ny omaly talata 11 desambra.

Lalàna amin’ny ady amin’ny famotsiam-bola Hamotika ny toekarena raha sanatria tsy lany eo

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana faha-Ravalomanana Namiratra tanteraka ny tarehimarika

10/12/2018

Tsy mbola nisy fitondrana teto Madagasikara nahitana marina ny atao hoe fampandrosoana ara-toekarena raha tsy tamin’ny andron’ny Filoha Marc Ravalomanana.

Fitondrana faha-Ravalomanana Namiratra tanteraka ny tarehimarika

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Fitamifa “Maika ny fanarenana ny zava-drehetra.”

10/12/2018

Maika daholo ny fanarenana ny zavatra rehetra eto amin’ny firenena, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Fitamifa na fikambanan’ny tanora mivondrona ho an’ny fampandrosoana, tamin’ny alalan’ny filohany, Constantin Sobinson.

Fikambanana Fitamifa “Maika ny fanarenana ny zava-drehetra.”

Hamaky ny tohiny...

Trosan’ny orinasa Kraoma S.A Ailika miandalana, hoy ny tompon’andraikitra

07/12/2018

Ainga vao teo amin'ny tantarany no hiainan'ny orinasa Kraoma ao Brieville ankehitriny, raha ny fanazavana avy eo anivon’ny tompon’andraikitry ny orinasa.

Trosan’ny orinasa Kraoma S.A Ailika miandalana, hoy ny tompon’andraikitra

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Firoboroboan’ny toekaren’i Cuba Mila maka lesona i Madagasikara

28/05/2018

Niteraka fahavoazana ara-toekarena ho an’i Cuba ny ankivy nataon’ny Amerikana tamin’ny 1962. 50 taona no namaizana an’i Cuba ary tany am-boalohany dia tena tsy nisy ny fandrosoana ara-toekarena.

 

 Na dia teo aza anefa izany dia  niezaka ny mpitondra notarihin’ny Fidel Castro  tamin’ny fitantanana sy ny fampandrosoana ara-toekarena. Nody ventiny amin’izao fotoana izao ny fikirizana natao satria fantatr’izao tontolo izao ny firoboroboan’ny sehatra fizahan-tany sy ny harena an-kibon’ny tany izay mifototra amin’ny nikela sy kobalta. Io sehatra fizahan-tany io izay tena anisan’ny fototry ny toekaren’i Cuba. 4 tapitrisa no mpizahatany nitsidika tany tamin’ny taona 2016 izay nampiditra vola 2,7 miliara Euros na 10 331 577 000 000 Ar (1Euro=3826,51 ariary ). Ankoatr’izay ny sehatra fambolena izay miompana amin’ny siramamy sy ny paraky dia manome vahana sy tombony hatrany ny toekaren’I Cuba. Etsy andaniny ny sehatra fahasalamana sy fanabeazana  ihany koa izay efa tena miroborobo sy tsara kalitao. Amin’ireo firenena Amerika latina dia i Cuba ihany no tsy ahitana intsony tsy  fanjarian-tsakafo ho an’ny zaza araka ny tatitry ny UNICEF. Izy ihany koa no ahitana taha ambany indrindra amin’ny fahafatesan’ny zaza any Amerika. Manatsara izany sehatra fahasalamana izany ny fisian’ireo mpitsabo miisa 130 000 mandrakotra ny firenena ary rariny raha mahatratra hatrany amin’ny 78 taona ny salam-pahaveloman’izy ireo. Ankoatr’izay dia izy no manana kalitao tsara indrindra amin’ny sehatra fanabeazana. Mpampianatra 1 ho an’ny mpianatra 10 ary tena mandany vola be amin’ny io sehatra fampianarana io. Izany rehetra izany no mahatonga ity firenena ity ho manankarena ary efa mahatratra 40 miliara dolara na 130 906 800 000 000 Ar (1 dolara=3272,67 ariary) mahery ny harikarena faobe. Araka izany na dia nisy aza ny ankivy sy ny laza amin’ny maha-mpanao didy jadona ny mpitondra dia hita fa tafavoaka ity firenena ity. Tsara alain’i Madagasikara tahaka ity firenena ity ny amin’ny lafiny fitantanana sy fiezahana ataon’ny mpitondra. Mbola tombony ho an’ny firenena Malagasy  ny tsy fisian’ny ankivy fa mbola misy hatrany ny fanampiana avy any ivelany;  ny harena an-kibon’ny tany, anaty ranomasina, tany lemaka mamokatra tsara misy eto, any amin’ny fahaiza-mitantana, fahaizana miara-miasa ary indrindra ny fitiavan-tanindrazana no mila fanatsarana betsaka dia tafavoaka i Madagasikara.

Tsiry

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana