Dans la męme rubrique

MPIANATRA NAMONO “SURVEILLANT”

25/05/2018

Iray tamin'ireo mpianatra no nidoboka eny Antanimora ary dimy hafa eny Anjanamasina. Izay no valin'ny fanolorana azy ireo ny fampanoavana omaly, mahakasika ilay raharaha famonoana "surveillant".

MPIANATRA NAMONO “SURVEILLANT”

Hamaky ny tohiny...

NIGADRA NOHO NY FACEBOOK

24/05/2018

Olona iray no nigadra roa taona an-tranomaizina noho ny fanaovana « compte fake » amin’ny tambajotra sosialy Facebook. Izany dia taorian’ny fitorian’ny fikambanan’ny teratany indiana (CFOIM) eto amintsika noho ny fandranitana ny olona hankahala azy ireo. Nosamborina ny olona voakasika ary nidoboka am-ponja izy taorian’ny nitsaràna azy.

NIGADRA NOHO NY FACEBOOK

Hamaky ny tohiny...

HIANTOHAN’NY MINISITRA PAUL RABARY

23/05/2018

Hiantohan' ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary ny fianaran'ny zanaka vavin' Itompokolahy Sedera Rakotomalala, izay 7 taona, kilasy T3 izy amin'izao fotoana ary mandrapahatonga azy any amin' ny ambaratonga ambony izany, tsy izay ihany fa mbola horaisina ho mpiasam-panjakana ihany koa ny vady navelany.

HIANTOHAN’NY MINISITRA PAUL RABARY

Hamaky ny tohiny...

DAHALO

22/05/2018

Nitonona ho mpanaradia omby very ireo dahalo tonga tao Ampitakely any Isinko, Kaominina vaovao ao anatin’ny Distrikan’i Tsaratanàna ny marainan’ny alahadin’ny pantekôty 20 mey 2018 tokony ho tamin’ny valo ora.

DAHALO

Hamaky ny tohiny...

FAMAHANA KRIZY

19/05/2018

Noraisin’ny Filoham-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly maraina ny iraka manokana roa nalefan’ny Filoha Afrikanina Tatsimo Cyril Ramaphosa, dia i Roelf Meyer sy Eby Ebrahim.

FAMAHANA KRIZY

Hamaky ny tohiny...

SURVEILLANT NAOMY NY AINY

18/05/2018

Namoy ny ainy ny surveillant an’ny lisea iray eto an-drenivohitra. Izany dia noho ny famonoan’ny mpianatra izay nifanandrina tamin’ny mpianany, tamin’ny lalao basketball izay nokarakarain’ny Bianco tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena.

SURVEILLANT NAOMY NY AINY

Hamaky ny tohiny...

ONIVERSITEN’ANTANANARIVO

18/05/2018

Fivoriambe mikaton-trano ny an-dry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroky ny oniversiten’Antananarivo omaly mba handinihan’izy ireo ny toe-draharaham-pirenena.

ONIVERSITEN’ANTANANARIVO

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FANDRIPAHANA ALA HAROVANA

16/05/2018

Mirefy 30 hektara eo no voamarina sy hitan'ny tompon’andraikitra V.O.I sy ny foibem-paritry ny tontolo iaiana, ny haivoahary ary ny Ala ao Alaotra Mangoro, tao anatin’ny kaominina Manakambahiny Atsinanana


distrikan’Ambatondrazaka ny tevy ala anaty faritra harovana ao amin’ny tandavanalan’Ankeniheny Zahamena. Efa vita daholo ny fitanana an-tsoratra sy ny fandraisana andraikitra nataon'ny fitsarana ao Ambatondrazaka, ka olona 4 no voatazona am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana.

HETSIKY NY 13 MEY

Hanafana ny tolona eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny tarika Rossy manontolo ny sabotsy ho avy izao, araka ny nambara teny an-kianja omaly. Hohiraina mandritra izany ireo hiram-pitolomana maro. Nambaran’i Rossy nandritra ny fotoana omaly moa fa miara-dia amin’ny tolon’ny depioten’ny fanovana ny sendikan’ny artista, izay manampy betsaka azy ihany koa.

JIOLAHY NIVOAKA NY HOPITALY

 Izay vao nivoaka ny hopitaly ilay jiolahy voatifitry ny polisy tetsy Ankorahotra nandritry ny fanafihana mitam-piadiana nataony. Maty ny namany iray tamin’io fotoana io, raha hiverenana kely. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny BC ny tenany ary nanaovana fanadihadiana. Fandrobana miaraka amin’ny basy miisa folo karazana no efa notontosainy ka hiainoana azy. Basy PA marika MAC sy revolver ary bala maromaro miaraka amin’ny sabatra no tratra teny aminy tamin’ny fotoana nisamborana azy.

MPANAMBOATRA VINTANA NISY NITORY

Milaza ho mpahay manamboatra vintana ny vehivavy iray izay monina etsy Ankadimbahoaka ary tena hilaharan’ny olona mihitsy satria betsaka ny roboka. Nisy ny olona izay nangalany hatrany amin’ny 20 tapitrisa ariary kinanjo sady tsy nety ny vintana no tsy sitrana. Nitory teny amin’ny polisy ny olona izay nahatsapa fa voasoloky ary niafara tamin’ny fisamborana ilay ramatoa sy ny fofombadiny izay mpiray tsikombakomba aminy. Nahitana ody gasy iray gony tao an-trano tamin’ny fisamborana azy ireo.


FIFAMPITIFIRANA VARIRARAKA

 Tsy namelan’ny olon-tsy fantatra raha tsy maty notifiriny tao amin’ny biraon’ny fokontany ny lehilahy iray izay ahiana ho olon-dratsy ka notazomina tao. Namaly ihany koa ny mpiambina ny toerana ary raikitra ny fifampitifirana. Matin’ny bala maromaro ilay rangahy ary nitsoaka kosa ireo olona niambina azy satria tifitra variraraka no nitranga. Tao Ambohimanarina, Fenoarivo no nitranga izany habibiana izany.


MAORISIANINA MATY TAO ANATY FIARAMANIDINA

Maty tao anaty fiaramanidina zotra Air Mauritius ny teratany Maorisiana iray raha vao niainga kely tetsy Ivato. Tezain’ny aretina diabeta izy io ary izay no nahiana ho nitarika ny fijanonan’ny fony nandritry ny sidina. Navoaka tao anatin’ny fiaramanidina izy ary nentin’ny « ambulance » ny vatany mba hojirihan’ny mpitsabo. Raha ny fantatra dia 61 taona ity teratany vahiny izay maty tao anaty fiaramanidina ity.



FIATREHANA NY FIFIDIANANA

Efa miomana amin’ny fitaovana rehetra izay ilaina amin’ny fanatontosana ny fifidianana ny CENI amin’izao fotoana izao. Saingy kosa miandry ny fifanarahana ara-politika izy ireo izay vao afaka manapaka ny datim-pifidianana. Etsy an-kilan’izay, tsy eken’ny maro intsony ity governemanta izay efa notsipahin’ny HCC ity ny volavolan-dalàna napetrany. Ny filoham-pirenena koa dia mila mametraka ny fiarovan-tenany eo anivon’ny HCC satria mitombina avokoa ny fitorian’ireo depiote 73 azy. Resy tanteraka ny fitondrana ankehitriny kanefa mbola miziriziry ihany.



SAKOROKY NY MPIANATRA TAO AMBOSITRA

 Raikitra ny korontana faobe tao Ambositra omaly. Nivoaka ny fianarana ny mpianatra marobe tamin’ny CEG sy Lycée ary nitoraka eraky ny tanàna. Nisy ny tanora am-polony izay vaky loha vokatr’izany. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nampitroatra ireto mpianatra ireto ary koa izay mety ho fitakian’izy ireo. Tsy sahy niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana noho ny tahotra sao hiafara amin’ny ra mandriaka. Noravaina avokoa ny ankamaroan’ny sekoly tao an-toerana.

LEHILAHY NANAPAKA NY TENDAN-JANANY

Nahoraka eraky ny tanàna ny habibiana nataon’ny raim-pianakaviana iray tao Sakaraha. Notapahiny ny tendan-janany izay vao menavava. Izany dia noho ny tsy fahatokisany fa zanany io satria tsy nitovy taminy mihitsy. Torana ny reniny raha nahita ilay zaza izay efa maty sy mihoson-dra ny maraina. Mandeha ankehitriny ny savahao hataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny nahavanon-doza.

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana